Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-25 mandavantaona

Alatsinainy faha-25 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Ohabolana 3, 27-34 /Salamo 14
  • Tsy ankasa Esdrasa 1, 1-6/Salamo 125
  • Md Lioka 8, 16-18

Eo ambony fanaovan-jiro no apetraka ny jiro mba hahitan’izay miditra ny mazava. Tsy ny jiro tsy akory no banjinina ka kosa ny hazavan’ny jiro no hahitana ny zava-misy tsaratsara kokoa araka ny hazavana apariakany. Raha ny mpianatra araka izany no tonga fahazavana, tahaka an’i Kristy, dia tsy ho taitra izy ireo raha mety tsy ho hitan’ny olona akory aza, fa kosa hanampy ny olona mahita ny asa soa ataony, mba hanome voninahitra ny Ray any an-danitra (Mt 5, 16). 

Lazaiko mandrakariva ary ampahatsiahiviko matetika anefa fa indraindray ny tahotra ny haizina no handrindrinana ny varavarana misy ny hazavana. Tsy hisy haizina na oviana na oviana hiditra ao amin’ny mazava, tsy misy ratsy na oviana na oviana handresy ny tsara. Ambaran’i Jesoa ireo mpianany, fa tahaka ny voam-bary afafy ka tsy maintsy maty, mety handalo fahasarotana na fahakiviana, fa ny soa ihany no hahafahana mandresy ny ratsy (Rm 12, 21), ny herisetra na ny valifaty heverina fa hiarovan-tena na heverina hanapotehana ny mpanao ratsy dia tsy fandresena fa faharesena manoloana ny ratsy.

Izany tahotra izany no mety hampatahotra ka hampihidy aman-trano. Fa izay mino fa i Kristy nanaiky ho faty toy izay hampiasa herisetra na valifaty no natsangan’Andriamanitra Ray ho fahazavana, ka na dia toa tao amin’ny takona, amin’ny Apôstôly sy mpianatra vitsivitsy ihany aza no nibitsibitsihany izany misterin’ny Fanjakana izany, dia ambarany kosa fa tsy maintsy hiharihary sy ho fantatry ny olona rehetra ihany any aoriana any.

Izay manana anefa no homena. Mila mihaino tsara araka izany mba hahazahoana ny fampianarana araka ny tokony ho izy ka hampifanarahana ny fiainana amin’izay Teny hotoriana. Hevi-diso ny mihevitra fa miankina amin’ny toetra asehon’ny mpitory ny fahombiazan’ny fielezan’ny finoana. Ny Teny manko no manome ny hery, ka sahala amin’ny milaza izany fa tsy manan-kery ny teny. Izay no mahatonga ny evanjely milaza fa na matory na mahatsiaro ny mpamafy dia mitsiry ary mitombo ny teny mandrapaha-vokany. Tsy azo tsinontsinoavina kosa anefa ny fahasoavana vokatry ny fitondran-tena mendrika asehon’ny mpitory ny teny.

Ny fahazoana tsirony amin’ny fihainoana ny Teny dia toy ny vain’afo tsy maty ka mahatonga hiteny tahaka an’i Md Paoly hoe: loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho (1 Kor 9, 16), ary ny fandalinana azy dia tahaka ny hazakazaka arahin-tosika am-pidinana ihany ka tsy hijanona intsony raha tsy any amin’ny mandrakizay.

Mampalahelo anefa ireo nanidy fo tsy hiaino ny Teny, na tsy nanaiky hovany ka tsy afaka ny hanandrana ny hamamian’ny fiainana vonton’ny Teny ka tsy mba afaka ny hitondra vokatra maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Hitombo ao amintsika anie ny fitiavana sy ny finiavana handalina ny Tenin’Andriamanitra ary ny fanekena mba hanovany antsika ho tonga fahazavana hanino ny haizina mety hisy amin’ny sehatra hikatrohantsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-25 mandavantaona
PREVIOUS
Alahady faha-25 Taona D
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.