Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-23 mandavan-taona

Alatsinainy faha-23 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Kôrintiana 5, 1-8 /Salamo 5/
  • Tsy ankasa Kôlôsy 1, 24 – 2, 3/Salamo 61
  • Md Lioka 6, 6-11

Taorian’ny fitantarana ny fahariana ny tontolo vaovao avaozin’ny Sakramentan’i Kristy, efa nolazaintsika tamin’ny sabotsy (Lk 6, 1-5), dia ampifandraisin’i Lioka ny fitantarana ireo mpianatra nioty ka nikosoka salohim-bary tamin’ny tanana sy ity lehilahy maty tanana havanana, lazain’ny Evanjely anio. Ny hitsikilo izay ataon’i Jesoa moa no lazain’i Lioka fa tao antsain’ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana mba hahitana antony hiampangana Azy. Ho an’i Kristy, afaka mihinana ny olona amin’ny andro sabata, ary Izy Tenany no nomeny ho sakafo avy amin’ny koban-dafarinina kosehin’ny tanan’ireo mpianany, ao amin’ny Eokaristia Masina. Raha natao ho fankalazana ny aina sy ny fitovizan-jo mbamin’ny fibanjinana ny herin’Andriamanitra ny Sabata (Det 5, 12-15) dia tsy mifanohitra amin’izany ny nataon’ireo mpianatra, tahaka ny nataon’i Davida ihany koa.

Ilay olona nasainy nijoro teo ampovoany moa dia olona maty tanana havanana. Ho an’ny Baiboly moa, telo ny zavatra entina mamaritra ny olona: ny maso izay “saina” entina mijery izay marina, ny fo izay “sitrapo” enti-mitia izay tsara (καλός kalos, beau, tsara tarehy) ary ny tanana izay “fahafahana” enti-manao ny tsara (ἀγαθός agathos, bon, tsara fanahy). Ny tanana izany no manatanteraka izay marina sy tsara hitan’ny maso ka irin’ny fo. Kanefa na mahita aza ny maso, na maniry aza ny fo, tahaka ity lehilahy ity mba tonga any amin’ny sinagoga ihany mba hihaino ny Tenin’ny Lalàna amin’ny andro Sabata, dia mety ho maina (ξηρός xeros) ny tanana.

Mifampitohy amin’ny maha-fankalazana ny Sabata ho fahatanterahan’ny lahatr’Andriamanitra ny fanontaniana apetrak’i Jesoa eto: “Inona ny mety atao amin’ny Sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?” Ny Lalàna manontolo dia “torolalana” ho an’ny olona mba hizorany ho amin’ny fahasambarana, amin’ny fanaovana ny tsara sy fialàna amin’ny ratsy. Mazava ny valiny tokony homena an’i Jesoa ka ny fijeriny kosa, tahaka ilay topimaso nampitomany fatratra an’i Piera, dia fijery mangoraka sy feno antra.

Ny fanasitranana ilay tanana efa zatra nivokona mba hihazona ny zavatra rehetra ho azy, ary hitsotra kosa indray, ho sitrana (ἀποκατεστάθη – aoriste passive de ἀποκαθιστάνω apokathistano), naverina amin’izay nahariana azy mba ho fanasoavana ny hafa, afaka hanao izay mifanaraka amin’izay atoron’ny saina sy ny sitrapo, ary ny antony naharian’Andriamanitra ny tanan’i Adama dia mba hizaka ny tany, araka ny maha-endrik’Andriamanitra azy, kanjo ny hanakatra ilay voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy no naha-maina azy, hoy Md Amboise.

Ny fahasitranan’ilay marary tanana anefa dia zary fahatezerana ho an’ireo “mpitsikilo”. Safotry ny hatezerana moa no lazian’ny vakiteny fa ἄνοια (anoia) no lazain’i Lioka: feno “tsy fahampian-tsaina” izy ireo, lasa adala ka miseho amin’ny hatezerana ny fahadalàny, satria ny fahasoavana azon’ny hafa no zary fanafintohinana ho azy ireo. Mandrakariva dia ny tsy fahalalana no mahatezitra, ka izay tsy mahalala an’Andriamanitra, dia mazava loatra fa hitoeran’ny fahatezerana ary tsy hisaina intsony afa-tsy ny hanapotika izay manembatsembana azy, tsy ho afaka hifaly amin’ny soa tsy miantefa aminy.

Tsy ho sanatria anie isika no hiandany amin’izay rehetra tsy manasoa sy mitondra fahafahana ho an’ny olombelona, satria fiombonana amin’ny fiokoana hamono Azy Tompo izany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-23 mandavan-taona  
PREVIOUS
Alahady faha-23 Mandavan-taona Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.