Alatsinainy faha-15 mandavan-taona
- Ankasa Izaia 1, 11-17/Salamo 49
- Tsy ankasa Eksaody 1, 8-14.22/Salamo 123
- Md Matio 10, 34 – 11, 1[1]
Iza no “mendrika an’i Jesoa”? ireo mpianatra nirahiny hitory ny Evanjely maimaim-poana, tsy hiantehitra amin’ny harena fa hitoky amin’ny fitahian’Andriamanitra (Mt 10, 1-15), tsy hampiasa hery fa halemy paika toy ny zanak’ondry eo am-povoan’ny amboadia (and. 16-25), mitoky amin’ny fitiavan’ny Ray (and. 26-31) ka maneho ny maha-iray tampo amin’i Kristy eo anatrehan’ny olona (and 32-33) dia voaantso hitia ny Mpampianatra mihoatra ny zavatra rehetra, eny fa na dia ny fianakaviana, ny nahitana masoandro, ny menaky ny aina sy ny nifanapa-tsinay aza. Tsy afaka ny hiombon’aina Aminy, ho mendika Azy (ἄξιος axios) izay tsy tia Azy ambonin’ny zavatra rehetra, izay tsy tia Azy amin’ny fo manontolo (Det 6, 5ss).
Tonga hitondra fiadanana no anirahana ny Apôstôly, saingy fiadanana manosika ny ratsy handrovi-tsihy, toy ny zanak’ondry eo am-povoan’ny amboadia izany, ka hanery ny mpianany tsy hanara-driandrano sanatria, fa hijoro amin’ny fahamarinana ampianarin’ny Evanjely. Adala izay miziriziry amin’ny heviny tsy misy antony, saingy manasaraka ny tsara amin’ny ratsy kosa izay mitàna ny Teny ho sabatra (μάχαιρα machaira) roa lela (Salamo 149, 6), sabatra maranitra (Hebrio 4, 12) ka na dia ho tafasaraka amin’ny havana aman-tsakaiza aza, dia hialoha lalana azy ireo kosa amin’ny lalan’ny Fiainana.
Tsy tonga hanova ny Lalàna sy ny Mpaminany i Jesoa (Mt 5, 17). Tsy midika koa anefa izany fa tsy misy antony ny nahatongavany. Tsy hoe ny hampizara ny olona no kendreny fa kosa, vokatry ny fanatanterahana ny lalàna no hampizara ny fon’ny olona. I Mikea Mpaminany moa dia efa nilaza fa “ny mpifehy mitaky fanomezana, ny mpitsara mametra ny kolikoly ho azy, ary ny lehibe milaza an-karihary ny fitsiriritany…ny zanaka lahy manao an-drainy ho adala, ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny, ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-bavy ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony” (Mik 7, 3.6). Tsy afaka ny hisongona ny fitiavan’Andriamanitra anefa ny fitiavana ireo sombin’ny aina raha sanatria tsy mifanaraka amin’ny Evanjely noho ny fitongilanana amin’ny ratsy.
Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Azy dia tsy ho mendrika ny ho mpianany. Ny hazofijaliana, porofon’ny fitiavana, no fitaovana handresentsika ny ratsy, saingy tahaka an’i Simona Sireneana ihany isika, manaraka an’i Jesoa, mandray anjara amin’ny fitondrana ny hazofijaliany. Izy no mitondra ny mavesatra kokoa, Izy no mifantsika eo, ho solo voina ho antsika. Tsy afaka ny hiray aina Aminy izay mihevitra ny hanao tazan-davitra, ka hihevitra hanavotra ny ainy toy izany. Izay mahafoy ny fofon’ainy hiara-mitolona amin’i Kristy no mpianany, miombon’antoka Aminy ka afaka ny hiara-paly miombom-boninahitra Aminy koa, satria handray anjara amin’ny fandreseny.
Tsy afaka ny hanaraka Azy izay tsy mitondra ny Hazofijaliana (Lakroà). Eto no ampiasain’i Md Matio voalohany ny teny hoe “hazofijaliana”, izay mbola averiny avy eo amin’ny toko 16, 24. Ny nadika hoe Lakroà moa, σταυρός (stauros), amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsatokazo (poteau) iray hiankinan’ny asa fanorenana. Avy amin’io ny teny latinina hoe in-staurare sy re-staurare, izay azontsika amin’ny teny frantsay instaurer/restaurer-restaurant (manorina, manarina). Izay te ho tonga mpianatra mendrika (ἄξιος) an’i Kristy araka izany dia tsy maintsy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanorenana (σταυρός) ny fanjakan’ny lanitra, izay andry iankinan’ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitondrana ny Hazofijaliana araka izany dia tsy inona fa ny fanekena hizaka ny vokatry ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny Evanjely, ka hitia hatramin’ny farany fa tsy hanao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana.
Fiombonana Aminy ny fanohanana ireo rehetra mitolona ho Azy. Mitovy valisoa, hoy ny Evanjely ny Mpamimany, izany hoe ireo mitory ny teny avy amin’Andriamanitra mba hiainana, sy izay nanao soa ny mpaminany, ary ny valisoa homena ny olomarina koa no homena izay olo-marina, izany hoe izay niaina araka ny Teny notorian’ny Mpaminany; izay nanao soa ireo mpianatra koa amin’ny maha-mpianatra azy ireo, dia ireo madinika indrindra, satria mahantra am-panahy fa mpanan-karena amin’ny lova any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy ho very valisoa.
Tsy voatery hahavita ny vitan’izy ireo fa izay mety ho fanohanana ataontsika ho an’ny hafa mba hahafahany manao soa dia fiombonana hafaliana sy hasambarana amin’ilay Tokana mandidy ny zavatra rehetra, ka tsy manana hafaliana afa-tsy ny mahita ny hasambaran’ny zanany ary manome ny Fanjakany ho lovan’izay miombon’antoka Aminy amin’izany famafazana hafaliana izany amin’ny fitoriana ny Evanjely. Ny valisoa omen’Andriamanitra antsika dia ny hiantsoany antsika ho zanaka mpandova ny Fiainana miaraka amin’i Kristy.
Ambaran’ny fanombohan’ny toko faha-11 mamarana ny Evanjely anio moa fa i Jesoa no ilay iraky ny Ray, avy nampianatra ny mpianany 12 dia niala teo ka nandeha nampianatra sy nitory ny tanàna manodidina. Izy ihany no mampianatra sy mitory ao amin’ny Fiangonany.
Hahay hifanohana amin’ny Mpaminany sy ny olomarina mbamin’ny mpianatr’i Kristy rehetra anie isika mba handray ny valisoan’ny lanitra miaraka amin’izy ireo.
[1] Jereo Alahady faha-13 Taona A