Trinitera Malagasy
Alarobia fanosorana lavenona

Alarobia fanosorana lavenona

Njara Pascal

Ny fonareo no rovidrovito!

  • Joely 2, 12-18
  • Salamo 50
  • 2Kor 5, 20-6,2
  •  Md Matio 6, 1-6.16-18

Manomboka “fomba kristianina handresena ny ratsy” isika anio. Famaritana tsotra nefa manambara ny hevi-dalina fonosin’ny Karemy henontsika amin’ny vavaka fanombohana izany. Inona tokoa moa no antony hanaovana asa fiantrana, vavaka ary fifadiankanina araka ny Evanjely atolotry ny Fiangonana ho fiainana anio (Mt 6,1-6.16-18)? Na dia miverina isan-taona aza ny karemy, dia amafisin’ny Eglizy amintsika mandrakariva ny fihavaozam-panahy takin’ny maha-kristianina antsika.

Amin’ity taona ity dia misarika ny saintsika ny Papa handinika manokana ny hevitry ny fifadiankanina sy ny toe-po enti-manatanteraka izany. Ny fahotana no mandrava ny fihavanantsika amin’Andriamanitra, amin’ny namana ary amin’ny zavaboahary ka ny fiverenantsika hamitrana izany fihavanana izany no lalana mitondra amin’ny Paka vaovao.  

Tsy fitia te hijaly tsy akory, na haitraitra mba hahatsara bika na fitsitsiana hampametimety ny toe-karena no ataontsika fa kosa ezaka handresy ny fahotana sy izay mety mitarika amin’ny ratsy. Voajanahary ho antsika ny fifadian-kanina, hoy i Md Basile, ka ny tsy fifehezan-tena hitandrina azy no mitondra amin’ny fahafatesana sy mahatonga ho andevon’ny ota (Jen 2, 16-17).

Raha raisintsika izay lazain’i Joely Mpaminany dia hahafahantsika mandini-tena sy miroso marina tokoa amin’ny lalam-pahamasinana: miverina (שׁוּב shōb) amin’ny Tompo amin’ny fo manontolo amin’ny fifadian-kanina (צוֹם tsôm, tsōm) sy amin-dranomaso (בְּכִי bekì, bakah) amam-pitarainana (מִסְפֵּד misep’d, safad), izany hoe hanitsy ny lalana ho amin’ny lalam-pahasambarana atorony, ka hifady izay rehetra tsy mifanaraka amin’izany, hitomany amin’ny voka-dratsin’ny fahotana izay nampihetry antsika, ary hitaraina, hidradradradra satria malahelo ka misaona ny soa sy ny tsara nafohy vokatry ny fahotana. Tsy misy olona ahafa amin’ny fahazaran-dratsy iray raha tsy tsapany ka mampitomany azy ny vokatra aterak’izany ho an’ny tenany sy ny hafa. 

Ny tena fifadian-kanina moa dia fizorana ho amin’ny fiainana irin’i Kristy ho antsika (Jn 10,10), mba hahazoana valisoa avy amin’ilay Ray mahita ny ao amin’ny mangingina! (Mt 6). Ny fanekena no lalana ho amin’izany, hany ka ny “manao ny sitrapon’ny Ray” no zary sakafo ivelomana (Jn 4, 34). Raha fintinintsika ireo “vokatry ny fifadian-kanina” ambaran’ny prefasin’ny Karemy amintsika dia mampahatsiaro antsika fa “fiomanana amin’ny Paka ny Karemy”, izany hoe “fizorana ho amin’ny hafaliana” (Prefasy Karemy I) ka “hanesotra ny faniriana diso tafahoatra mba tsy hiraiketana amin’ny zava-mandalo” (Prefasy Karemy II), “hampilefitra ny avonavona sy hampahazo hanina ny mahantra” (Prefasy Karemy III), “hanaketraka ny haratsiana ka hanondrotra ny fanahy ho mendrika ny valisoa mandrakizay”(Prefasy Karemy IV).

Hoy i Md Pierre Chrysologue hoe : Ny fifadian-kanina no ain’ny fivavahana, ny famindram-po no fiainana ny fifadian-kanina, ka izay te hivavaka tsy maintsy hifady hanina, ary izay mifady hanina mila mamindra fo. Izay te hohenoim-bavaka dia hihaino ny fitarainana ataon’ny hafa aminy. Izay te hanokatra ny fon’Andriamanitra mba hidirany dia tsy ho afaka ny ho mafy fo velona amin’izay mba mitaraina aminy…

Alao hery ary. Tahaka an’i Md Paoly manentana ny Korintiana koa izahay (2 Kor 5, 20 – 6,2) no miteny aminareo : ndeha hihavana amin’Andriamanitra ary hiezaka ho tonga fampihavanana (fahamarinana) amin’Andriamanitra, ka ny handrina ekena hosorana lavenona, fa ny fo kosa, torotoro sy manenina amin’ny fahotana vita, feno zotom-po “hanatontosa ny fomba masina amin’ny Karemy, ka hanavao ny fiainana hitovy endrika amin’i Kristy tafatsangan-ko velona” (Vavaka fanamasinana ny Lavenona).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy manaraka ny lavenona
PREVIOUS
HAFATRA NY PAPA FRANÇOIS
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.