Trinitera Malagasy
Alarobia fahaefatra fankalazana ny Paka

Alarobia fahaefatra fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 12, 24-13, 5
  • Salamo 66
  • Md Joany 12, 44-50

Mialoha ity vakiteny anio ity dia mitantara ny nanafahan’ny Anjely an’i Piera tao an-tranomaizina ka nitantarany tamin’ny Mpianatra izany nanafahan’ny Tompo azy izany ary nanaovany veloma ny mpianatra mba hitantara izany asan’Andriamanitra mamonjy ny mpino Azy izany amin’i Jakoba (mazava loatra ilay zanak’i Alfea satria i Jakoba rahalahin’i Joany efa novonoin’i Eroda, jereo Asa 12, 2) sy amin’ny rahalahy hafa (Asa 12, 17) i Lioka, ary tsy milaza intsony ny momba an’i Piera ao amin’ny Asan’ny Apôstôly raha tsy ao amin’ny Asa 15, 7-11, hanamafy amin’ny Eglizy manontolo fa tsy ny fanarahan-dalàna fa ny fandraisana ny Fanahy Masina no hahafahana mizotra ny lalam-pamonjena. Izany moa dia fitohizan’ny asam-pamonjena izay nataon’i Piera rahateo tamin’ny nanaovany Batemy an’i Kornely (Asa 10, 44-48). I Eroda (Agripà I izay tonga mpanjaka tao Jodea sy Samaria ny taona 41) moa nampamono ny mpiambina rehetra, fa lazain’i Lioka fa lanin’ny kankana dia maty, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra, mihevitra ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra kinanjo olona tsy maintsy handalo ny fahafatesana ihany, tahaka ny nanjò an’i Antiôkôsa Epifàna (2 Makabeo 9, 1-28).

I Paoly sy Barnabe kosa avy nanatitra ny fanampiana (rakitra voangona) ho an’ny Fiangonana tany Jerosalema dia niverina tao Antiokia. Ambaran’i Md Lioka mazava fa ny Fanahy Masina no miasa ao amin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ireo olona manaiky hatokana hanao ny asany, hitory ny Evanjely hatrany amin’ny fara vazan-tany. Tao Antiôkia dia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnaba (Βαρναβᾶς, zanaky ny faminaniana), Simôna (שִׁמְעוֹן, ilay mihaino), Lisiosa (Λούκιος, hazavana manjopiaka), Manahena (Μαναήν, mpanala alahelo) ary i Saoly (שָׁאוּל, ilay nirina, nangatahina tamin’Andriamanitra). Ao amin’ny fanompoam-pivavahana (λειτουργέω, litorjia)sy ny fifadian-kanina (νηστεύω nesteuo) no hitenenan’ny Fanahy Masina. Ary amin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka no hahafahana manao araka izay voalazany. Heveriko fa ny fifadian-kanina dia manana ny lanjany manokana satria famolahan-tena mba tsy hitady ny tombon-tsoan’ny tena fa ny voninahitr’Andriamanitra sy ny soa ho an’ny hafa ihany. Izay tsy mahafolaka na dia ny ho an’ny kibony ihany aza manko, dia hanahirana ny hihevitra fa hahafoy ny zavatra rehetra ka hanokan-tena manontolo ho an’ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ny fandrosoana sy ny fielezan’ny Tenin’Andriamanitra no mampitombo isa ny mpianatra. Izany fitaran’ny Evanjely izany dia ambaran’ny Salamo setriny: mitsimbina ny vahoakany Andriamanitra ka ireo midera Azy ho hahafantaran’ny firenena manontolo ny heriny. Ary ny Firenena mankalaza ny fahamarinany kosa indray dia mampitatra eran-tany ny fahamasinan’Andriamanitra, izay “fiainana ho an’ny mpino, voninahitra ho an’ny manetry tena, ary hasambarana ho an’ny olo-marina” (vavaka fangatahana). 

Ny Evanjely dia mamarana ny fitantaran’i Joany ny asa fitoriana nataon’i Jesoa tamin’ny Vahoaka (Jo 1, 19 – 12, 50). Mazava loatra fa karazana famintinana ireo hevi-dehibe tiana ampitaina izany: ny fihainoana ny marina amin’ny fihainoana ny teniny, izany hoe ambaran’i Jesoa ny marina avy amin’Andriamanitra ary an-kalalahana tanteraka no hamalian’ny olona izany, amin’ny fandraisana azy na tsia. Manamafy ny fahefana sy ny voninahitra maha-iraka Izy, ary milaza fa fisehoan’ilay Andriamanitra Ray ho fahazavana eo anivon’ny vahoakany, izay manome ny didiny ho fiainana mandrakizay, tsy hitsaràna fa hamonjena an’izao tontolo izao. Torolalam-pamonjena moa ny Didin’Andriamanitra. I Moizy, nialoha ny hahafatesany dia nanafatra ny vahoaka mba hanome lanja ny tenin’ny Lalàna, satria io no fiainana ho azy ireo (Dt 32, 47).

Raha ny didin’Andriamanitra àry no fiainana mandrakizay, raha io no “fahalalàna an’Andriamanitra” (Jo 17, 3), dia tsy afaka ny handova io fiainana io izay tsy mandray ny didy ka mampifanaraka ny fiainana amin’izany fanambaran’Andriamanitra izany. Tsy fihainoana fotsiny araka izany fa fandraisana (πιστεύω pisteuo, finoana), izany hoe fitokisana amin’ny Teny voalaza. Tsy tahotra no hanarahana ny fampianaran’i Kristy sy ny Evanjeliny, fa ny fahatsapantsika fa tsy misy lalan-kafa mitondra amin’ny tena fahasambarana, izay maharitra mandrakizay, raha tsy amin’ny fihainoana sy fiainana izay voalazan’ny Ray, amin’ny fanarahana ny didy, torolalana napetrak’i Kristy Zanany.

Mivavaha mba ho arakaraka ny hahalalantsika ny marina nambaran’i Kristy no hanamasinantsika ny toe-piainantsika (vavaka fanolorana).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
3 mai: fankalazana an’ Md Filipo sy Jakoba, Apôstôly
PREVIOUS
Talata fahaefatra fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.