Trinitera Malagasy
Alarobia faha-efatra mandavan-taona

Alarobia faha-efatra mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Hebrio 12, 4-15/ Salamo 102/
  • Ankasa 2 Samoela 24, 2. 9-17/Salamo 31/
  • Md Marka 6, 1-6

Tao amin’ny tany nahabe azy i Jesoa, araka ny fitantaran’i Lioka (Lk 4, 21-30) dia hoe: gaga tamin’ny fampianarany izy ireo ary vetivety teo dia tafintohana indray koa. Ny antony nahatonga izany moa dia satria nanao fampianarana vaovao tsy nifanaraka tamin’ny fomba fisainan’ireo nieritreritra ho mahalala an’Andriamanitra Izy, ny mpihaino azy manko niandry avy amin’YHWH ny andron’ny famaliana, ho an’i Jesoa kosa fitiavana sy famindram-po Andriamanitra ka tsy misy fanambarana ny fahatanterahan’ny faminaniana raha tsy amin’ny fiainan’ny zanany mifanaraka amin’izany famondram-pony izany.

Ny hoe tafintohina (σκανδαλίζω) moa dia entina ilazana koa ny tsy fitovizan-kevitra nisy teo amin’izy ireo sy i Jesoa. Ny anton’izany araka ny fitantaran’i Marka, dia ny tsy finoan’izy ireo, ka mahatonga ny mpaminany tsy henin-kaja amin’ny taniny. Efa haintsika ny fitsikeran’i Jesoa ny fomba fiainana feno fiantsaram-belatsihin’ireo mpitondra ara-pivavahana sy ara-politika. Eto anefa dia ny vahoaka no mihoko, manivaiva azy, ny hany fantatr’izy ireo dia ny fiainany tety ivelany: moa tsy io va ilay mpandrafitra?

Tsy azo adinoina fa taloha kelin’izao dia tonga tany Kafarnaoma nitady azy ny havany sy ny rahalahiny, saingy tsy nanaraka ny fiangavian’izy ireo i Jesoa fa niantso azy ireo kosa hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy hanatanteraka ny sitrapony (Mk 3). Izay manaiky izany fampianarany izany no tonga fianakaviany sy iray tampo Aminy (and. 35). Izay tsy manaiky kosa, miara-mihoko miaraka amin’ny Farisianina sy ny Herôdiana mba hitady izay hahavoazana Azy, Sabata tamin’izay (Mk 3, 6).

Tsy azon’ireo mpiray tanàna Aminy izany fampianarana izany. Ho azy ireo dia tsy azo zaraina amin’ny “tsy mpino” ny tsodranon’Andriamanitra satria tsy zanak’i Abrahama ireo, ka izay mieritreritra tsy hanaja izany dia mazava ho azy mihantsy ady amin’ny “Jody”.

Mivohitra ao amin’ny fitantaran’i Marka anefa fa tsy ny fomba amam-panaon’i Jesoa loatra no tena nahatafintohina ireo mpiray tanàna aminy fa ny “loharano” niavian’ny fampianarany. Tsy afaka ny hiaiky izy ireo fa avy amin’Andriamanitra izany. Raha tsy izany manko dia ady manohitra an’Andriamanitra no ataony. Toa marina ihany ny filazan’ny mpanora-dalàna hoe amin’ny anaran’i Belzeboba (Belzebul) no androahany ny demony. Dia tanisainy eo ny hany mba fantany momba an’i Jesoa: zanak’i Maria, teraka tao anatin’ny fijangajangana sy tao anatin’ny ota tanteraka (Jo 9, 34).

Izay fiheveran’izy ireo ho efa mahafantatra an’i Jesoa izay no tonga sakana tsy nahafahany nandray ny fihavaozan’ny Fanahy, manatanteraka “anio” ny fampanantenan’Andriamanitra. Izay mihevitra ho mahafantatra an’i Jesoa dia tsy afaka ny higaga amin’ny Fitiavan’Andriamanitra mamirapiratra ao amin’i Kristy. Isika koa raha mikiribiby hifikitra amin’ny mahazatra sy amin’izay noheverina ho fahamarinana noratovina tamin’ny katesizy fahakely (na amin’izay fianarana mba norantovina) dia mety hiafara amin’ny fandavana ny tsiokan’ny Fanahy izay miantso mpaminany hanavao ny tany, hampahafantatra amin’ny olona fa fitiavana Andriamanitra.

Toe-tsaina tsy zoviana amintsika anefa ny mitsara ny olona arakaraka ny fari-pananany na ny fari-pahaizany na izay toerana misy azy na ny fomba fiainany nahafantarantsika azy, ka manadino fa afa-mitsòka amin’izay tiany ny Fanahy (Jo 3, 8). Ny tsy fanekentsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra mazàna dia mitondra antsika hamaritra ny loharan’ny soa amin’izay takatry ny sain’olombelona hahafahana manilika an’Andriamanitra mba tsy hitenenana ratsy Azy. Mora manko ny milaza hoe: “tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria ve io”, saingy sarotra no milaza hoe: “fa nahoana Andriamanitra no nifidy ny zanaky ny Mpandrafitra ho mpitondra ny Teniny?” Miditra an-tsehatra eo ny fialonana sy ny fitiavan-tena.

Ny mason’ny mpiara-belona mahita ny mpandrafitra, mahita ilay tovolahy mitovy amin’ny olon-drehetra, mihevitra ny mahalala azy, saingy izany no misterin’ny fahatongavana ho nofo, sitrak’Andriamanitra hanehoana amintsika ny Farateniny, dia ny Teniny tonga nofo tao an-kibon’i Maria.  Finoana no hahafahana mijery ka mandray ny fitsofan’ny Fanahy amin’ny andavanandrom-piainana ka tsy haniratsirana ny Mpaminany irahin’Andriamanitra.

Raha tsy misokatra amin’izany tsiokan’ny Fanahy izany isika dia tsy hahazo hanao fahagagana akory i Jesoa eo amin’ny tany honenantsika. Ho haintsika anie ny higaga ny asan’ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’izao tontolo izao.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy fahefatra mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha-efatra mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.