Trinitera Malagasy
Alarobia faha-34 mandavan-taona

Alarobia faha-34 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Fanambarana 15, 1-4/Salamo 97
  • Tsy ankasa Daniela 5,1-28/Daniela 3, 62-67
  • Md Lioka 21, 12-19

Tsara ny mampahatsiaro, araka ny efa nolazaina omaly, fa ny hahatonga ny zanany rehetra any amin’ny fanasany no tanjon’Andriamanitra ka tokony ho tanjon’ny zanany rehetra koa, satria tsy hisy hanandrana ny fanasana eo raha tsy “au complet”, tonga eo avy ny zanany rehetra. Ambaran’i Lioka fa tsy ny fitsenana ilay zanany mpandany nody ihany no nivoahan’ilay Ray be fitiavana, fa ny mba hilaza ny fitiavany koa, ho an’ilay zoky tsy nieritreritra ny ho zanaka fa revo tamin’ny asa fanompoana (Lk 15, 28).

Ny fibebahan’ny mpanota araka izany dia fihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra, famirapiratan’ny maha-zanaka indray ao amin’izay mibebaka, satria fialana amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana (Lk 15). Araka izany dia faniriana ny hahatanterahan’izany famirapiratan’ny voninahitra izany no hanentana antsika hiantso hoe “Avia, ry Jesoa Tompo”! Vokatry ny fitiavana sy ny fitokisana Azy ilay ho avy hitondra famonjena ho an’ny zanany rehetra, miandry Azy ireo handray anjara amin’ny fanasana efa voavoatra.

Ny fotoanan’ny Fiandrasana dia fotoanan’ny “tolona” – satria manosika hiasa – sady fotoanan’ny fandinihana, satria raha tsy mendrika ny maha-izy antsika ny fomba fiainantsika, dia ho zary andro mahatahotra ny fiavian’ny Tompo. Mahalasa saina ihany ny mieritreritra fa noho ny Anaran’i Jesoa dia ho halan’ny olona rehetra ny mpianany. Nahoana tokoa moa no ankahalaina ny olona manapa-kevitra fa hanaraka « ilay marina » ary vonona ny hanome ny aina hanasoavana ny hafa, toy ny nataon’i Kristy?

Ny fizorana toy ny zanaky ny mazava anefa dia manembantsembana ireo izay nisafidy hitakiky ao amin’ny haizin’ny fitiavan-tena, ny fitiavan-karena sy ny fitiavam-boninahitra. Tsy mahagaga araka izany ny fisamborana sy ny fanaovana an-tranomaizina. Tsy natao hampihemotra anefa izany, hoy i Jesoa satria “occasion”, sehatra iray hahafahana mijoro ho vavolombelona. Ny manam-pahefana sy ny mpanjaka mety hanampatra ny fahefany dia tsy hahasakana antsika tsy hiaina ny fitiavana. Izany fitiavana izany no hahafahana mampiteny ny Fanahy, izay hanome antsika fahendrena tsy azon’ny fahavalo hotoherina, no sady hanome antsika kosa ny faharetana.

Izay efa niharan’ny fankahalana dia mahatsapa ny hamafin’izany. Raha ny tsy rariny ataontsika moa no antony ankahalan’ny olona antsika dia mila miova isika, mila mibebaka, hoy ny Bokin’ny fanambarana (Apok 16 milaza ny loza fito). Raha ny fikatsahantsika ny soa kosa no hanenjehana antsika dia mila mangataka amin’Andriamanitra ny faharetana hahatahiry ny famonjena efa nomeny ho lova. Moramora kokoa anefa ny “mitsoaka an-daharana” (manipy guants) noho ny “mitady vahaolana”, hany ka mety mandany andro hitady izay havaly any amin’ny fitsarana, hitady izay hanamarinan-tena na hitady izay hanadisoana ny hafa isika, rehefa sendra ny sarotra. Aza miditra amin’izany, hoy i Jesoa: Izy no hanome izay matoky Azyvava sy fahendrena tsy hay toherina. Ny adidintsika dia ny mitozo amin’izay heverintsika fa mifanaraka amin’ny fitiavana.

Tsy misy maha-mpihavana ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny tena manokana, ka tsy mahagaga raha toa ka hivadian’ny ray aman-dreny sy ny iray tam-po aman-tsakaiza mihitsy aza izay manembatsembana ny tombontsoany, raha io no mbola hifikirany na heveriny hotoriana. Tanindrazana aza hamidy ka mainka ve fa izay zanaka na izay rahalahiny kely ery. Tsy azo adino na oviana na oviana fa ny fahatsapana ho tia sy notiavina ihany no hahafahana miharitra fijaliana sy manohy “manantena na dia tsy misy tokony hanantenaina” aza (Rom 4, 18).

Angatahontsika amin’Andriamanitra ny fanomezan’ny Fanahiny haharetantsika amin’ny fanaovantsoa ka raha sanatria mahatsiaro ho nilaozan’ny olona, dia  ho tahaka an’i Md Paoly:  hahatsapa ilay Kristy mitsangana eo anilany sy mankahery fo azy hahatanterahany izay tokony ataony (2 Tim 4, 16-17).

Tsy ny hamongorana ny mpanao ratsy anefa no hetahetam-panahin’ny olona tafalatsaka ao amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra fa ny mba hibebahany sy ny hahavonjy antsika rehetra. Tsy novonoina ny amboadia mpamiravira ny ondry, hoy Izaia, fa miara-miraotra amin’ny zanak’ondry, any amin’ilay fanjakan’ny fiadanana ho avy, satria efa naringan’ny Tompo tamin’ny fofon’ain’ny vavany ny ratsy rehetra (Izaia 1, 1-10).

Hiezahantsika ary ny hamelona ny fanantenana, hatahotra ny anaran’ny Tompo (Malakia 3, 19-20a), hiezaka ny tsy hanao androroso hovelomim-potsiny na hitsetsitra ny hafa, raha mbola mahavita ihany koa (2 Tesalonika 3, 7-12), hahafahana maharitra amin’ny faniriana ny hiavian’ny Tompo ho avy hanatanteraka ny fandaharam-pamonjena iriny ho antsika rehetra (Evanjely rahampitso).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha-34 mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha-34 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.