Trinitera Malagasy
  ALAKAMISY II FIAVIANA

  ALAKAMISY II FIAVIANA

Njara Pascal
  • Izaia 41,13-20
  •  Salamo 144
  •  Md Matio 11,11-15

Ilay Masin’Israely no mpanavotra anao, ilay Masin’Israely no nahary izao tontolo izao.

Eo anatrehan’Andriamanitra dia mahatsiaro tena ho tsinontsinona isika: kankana aho fa tsy olona, voahilikilika sy tondroin’ny olona molotra (Sal 22,7). Fa hoy Izaia hoe: aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba, ry sisam-paty tamin’Israely (TM). Izay mahatsapa ny maha-tsinontsinona azy no ho afaka higoka bebe kokoa ny hatsaram-po amam-pahalehibeazan’Andriamanitra. Arakaraky ny fahatsapantsika ny tsy fahamendrehana no hahatsapantsika bebe kokoa ny fitiavana maimaim-poana itiavan’Andriamanitra antsika sy isafidianany antsika ho mpiara-miasa Aminy, ho taratry ny Voninahiny.

Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo, hoy ny Salamo, ary mambomba ny asany rehetra ny fangorahany. Indraindray anefa dia heverin’ny sasany fa tsara amin’ny tsara fanahy ihany ny Tompo, ka raha sanatria manota isika dia faiziny, sazìny indroa miantoana… Fantatsika fa maty ho antsika i Kristy fony isika mbola mpanota, hoy i Md Paoly (Rm 5,8).

Ny Evanjely dia milaza fa ao amin’i Jesoa no manomboka izany Fanjakan’Andriamanitra izany. I Joany Batista dia namarana ny Testamenta Taloha, nanondro fa tsy fampanantenana poakaty ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany fa fitiavana marina tokoa, nasehon’ilay Zanak’ondry manala ny ota.

Hatramin’ny andron’i Joany no mankaty, dia azo an-keriny ny Fanjakan’Andriamanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Fanazavana roa no omen’ny TOB (traduction oecuménique de la Bible) mikasika an’io: ny voalohany dia araka ny lazain’i Md Lioka hoe hiezaka hiditra amin’ny varavarana hety (Lk 13,24; 16,16) kanefa ny teny hoe: herisetra dia tsy mifanaraka amin’ny fomban’Andriamanitra. Mianara Amiko fa malemy fanahy aho, hoy i Jesoa (Evanjely omaly). Izay no mahatonga ny fanazavana faharoa hihevitra fa ireo mpanao an-keriny izay manakana ny fidirana ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra no lazain’i Jesoa, ary izany no mahatonga ny fandikan-teny hiova, tsy hoe azo an-keriny fa azon’ny mpanao an-keriny, ka ny maherisetra no mijijy ny baolina.

Ity dikan-teny faharoa ity (amin’ny italiana ohatra: il Regno subisce violenza; TOB kosa: Le Royaume des cieux est assailli avec violence) dia manampy antsika hahazo bebe kokoa ny fomba tokony hiainan’ny Kristianina, tsy hanampatra hery na fahefana mba hanavaozana ny tany, fa hanaiky hiasan’ny Fanahy Masina, ka ho tonga fitaovana mahomby eo am-pelatanan’Andriamanitra, hanavaozany ny endriky ny tany ho tonga sahan’Andriamanitra, famirapiratan’ny famindram-pony sy ny fitiavany.

Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe kokoa noho i Joany, satria teraka ho zanaka, mandray ny Fanahy maha-zanaka, ary tena zanak’Andriamanitra tokoa, hoy Md Joany (1 Jo 3,1), miombona amin’ny maha-Andriamanitra Azy (2P 1,4). Tsy fiainana mandeha ho azy anefa izany fa araka ny lazain’i Md Lioka dia hoe hiharan’ny herisetra sahala amin’ny mpaminany sy ny olomarina rehetra. Izany no hampamoahana ny ran’ny mpaminany sy ny olomarina rehetra hatramin’ny fiandohana ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao, i Abela sy Zakaria moa no olomarina sy mpaminany novonoina voalohany (Jen 4,8-10) sy ny novonoina farany (2Tan 24,20-24) ao amin’ny Baiboly Hebrio, canon palestinianina (Lk 11,51).

Tsy hoe azon’ny mpanao an-keriny araka izany ny Fanjakan’ny lanitra fa tafihan’ny mpanao an-keriny. Ny malemy fanahy no handova ny tany, ary an’ny mahantra io fanjakana io, hoy i Md Matio (Mt 5,3), saingy mahery kokoa noho ny ratsy ny tsara, tsy handresy na oviana na oviana ny hazavana ny haizina, na dia ny mifanohitra amin’izany aza matetika no tsapan’ny olona. Izay no mahatonga an’i Paoly hampianatra sy hampirisika antsika “handresy ny ratsy amin’ny soa” (Rm 12,21).

Ho haintsika anie ny hihaino an’i Elia, ny hihaino izay sitrak’Andriamanitra hanomana ny fontsika mba handray Azy marina tokoa (jer. Malakia 3,23) ka hahafeno fatra ny hafaliantsika amin’ny fahatongavany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
ZOMA II FIAVIANA
PREVIOUS
ALAROBIA II FIAVIANA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.