Trinitera Malagasy
Alakamisy I Karemy

Alakamisy I Karemy

Njara Pascal
  • Estera 14, 1-14
  • Salamo 137
  • Md Matio 7, 7-12

Mitohy ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny fitokisantsika amin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe tsy hahazo famantarana afa-tsy ny misterin’ny Paka isika, fa koa ampianarin’ny Evanjely mba hiha-matotra amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’izany.

Aorian’ny Fampianarana mivavaka (Mt 6, 9-15, jereo ny fanazavana Talata I Karemy) dia amporisihin’i Jesoa izay te hanara-dia Azy mba “tsy hanangona harena ety an-tany” (Mt 6,19), mba “tsy hipenopenona sy hitebiteby amin’izay ilaina amin’ny fiainana, amin’izay hohanina sy hotafiana na izay ho ampitso” (Mt 6, 25-34); ampianariny mba “tsy hitsara” ary “tsy hanome ny alika” ny zava-masina (Mt 7, 1-6) : toa mifanohitra ihany anefa izany satria ahoana no hanavahana ny alika raha toa ka tsy hitsara! Tsy ny olon-drehetra no afaka handray ny haren’ny Evanjely.

Dia eo no manomboka ny evanjely anio mampianatra antsika mba “hangataka, hitady ary handondòna”. Amin’ny fifanohizan’ny fampianarana no hahafahantsika mahazo fa tsy afaka ny higoka ny hamamin’ny fiainana araka ny “Fanahy” izay mbola manangona ny haren’ny tany: tsy natao hangonina manko ireny fa “angatahina” ary zaraina hahasoa ny olombelona rehetra; tsy afaka ny hikatsaka (hitady) ny “Fanjakan’ny Lanitra” izay mbola revo amin’ny fiahiana ny ampitso sy ny fitiavan-tenany: ny sakaiza hotiavina dia “tadiavina”, tsy sakaiza hotsetsefina noho ny fitiavan-tena anefa no asain’ny Evanjely hotadiavintsika fa sakaiza hotiavina sy hohasoavina, tahaka an’i Kristy mandeha mitady ilay ondry nania (fa tsy very) ; tsy afaka ny handondòna izay tsy mahita ny varavarana misy ny harena miafin’ny Fanjakana, satria mbola jamban’ny sakamandimby ny masony (jereo Lk 6, 39-45 Alahady VIII Taona D): fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra ny fidirana ao amin’ny fiainana fa tsy tambin’ny ezaka heverin’ny mpiavonavona ho vitany, ka izay “mandondòna” satria mahalala fa ao no misy ny tena fahasambarana no hiditra ao. 

Tsy fitalahoana mba hampiketraka ny sitrapon’Andriamanitra hifanaraka amin’ny sitrapontsika ny vavaka araka izany, fa fizorana ho amin’ny fahalalana Azy bebe kokoa hatrany ka hahafahantsika maka tahaka Azy amin’ny maha-Raintsika Azy. Mahalala izay ilaintsika Izy ary tsy afaka ny tsy hanome izay zava-tsoa mahasoa antsika zanany. Raha mofo sy trondro no foto-tsakafo mahasoa ny zanaka, Izy Ray fitiavana dia tsy afaka ny hanome antsika vato sy bibilava izay mety hitovotovy amin’ny mofo sy trondro, saingy famitahana ny zanany ihany. Isika izay ratsy aza (πονηρός, poneros) mahay manome zava-tsoa ny zanatsika.

“Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona toraka izany koa, fa izany no Lalàna sy Mpaminany”. Lazain’ny Mpandalina Baiboly fa ity no Lalàna volamena amintinan’i Jesoa ny fampianarany. Io no “Didy vaovao” nomeny mba hifankatiavan’ny Mpianany tahaka ny nitiavany azy ireo (Jo 13, 34). Tsy afaka ny hitalaho amin’Andriamanitra zavatra ho azy, araka izany, izay tsy miezaka hanome izay ilain’ny hafa araka ny fanomezana nomen’Andriamanitra azy. Tsy tahaka ny mahazatra hatrizay ity “lalàna volamena” ity ka hoe hifady amin’ny hafa izay tsy tiana atao amin’ny tena. Ny kristianina dia tsy afa-midonanam-poana (Jakoba 2, 20) fa haniry sy hiezaka hanatanteraka ho an’ny hafa izay iriany ho an’ny tenany.

Firifiry anefa ny faniriantsika no zary fitiavan-tena, ka raha ny hafa no mahazo ny zavatra iriantsika dia tsy mba hafaliana fa fialonana no mampisavorovoro ny ambava-fo. Tsy ny zavatra “efa azo” fa ny zavatra “tiana” ka irina manko no lazain’i Jesoa fa tokony hatao amin’ny hafa. Tsy afaka ny haniry zavatra manokana ho azy araka izany ny Kristianina satria izy no “solon-tanan’Andriamanitra”, taratry ny fitiavany mitsinjo sy mizara ny fahasoavany ho an’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy (Mt 5, 45).

Nahoana tokoa moa no misy maty noana kanefa ny tany mahavokatra avo roa henin’izay mety ho lanin’ny mponina eo aminy? Andriamanitra ve no omentsika tsiny sa isika olombelona mpangalatra satria “mitahiry ny anjaran’ny mahantra”, araka ny filazan’i Md Jean Chrysostome azy!

Angatahontsika ny Fanahiny mba hampahatsiaro antsika mandrakariva fa ny antony hanomezan’Andriamanitra antsika fahasoavana dia mba hahatonga antsika “fanaka voafidy” hitondra famonjena ho an’ny olony, tahaka ny Mpanjakavavy Estera tonga fanavotana ho an’Israely, saingy tsy nirehareha tamin’ny fahamboniany fa niankina sy nitoky mandrakariva tamin’ilay Tompo mahalala ny zavatra rehetra (Vakiteny I).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
 
Zoma I Karemy
PREVIOUS
Alarobia I Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.