Trinitera Malagasy
Alakamisy fahatelo Fankalazana ny Paka

Alakamisy fahatelo Fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 8, 26-40
  • Salamo 65
  • Md Joany 6, 44-52

Anisan’ny sarotra indrindra amin’ny fidiran’ireo Jody amin’ny finoana an’i Jesoa ny fiekena fa ilay zanak’i Josefa dia Andriamanitra, sarotra ny hiaiky fa ilay Tenin’ny Ray nahariana ny zavatra rehetra dia tonga olombelona mitovy amintsika ary Izy no manome antsika ny fiainana. Tsy fahaizana na fahendren’olombelona no hahatongavana amin’ny finoana izany fa fahasoavana avy amin’ny Ray. Mampianatra ny olona rehetra Izy (Izaia. 54, 13) ka izay mihaino ny fampianarany no afaka hanatona an’i Jesoa sy ho afaka hihinana (φάγω – φάγομαι phago), izany hoe afaka manao antom-pivelomana ilay Mofo nidina avy any an-danitra.

Manao dingana iray indray anefa ny fampianarana eto: ny mofo avy any an-danitra dia ny nofon’i Jesoa (σάρξ sarx) ho fiainan’izao tontolo izao. Izy no Mofo velona (ζάω zao) nidina avy any an-danitra, velona satria manan’aina, fa velona koa satria loharanon’aina, avy amin’ny fihinanana Azy no hahazoantsika ny aina, dia tsy ilay aina hitambarana amin’ny zavaboary (bios) fa ilay aina iombonana amin’Andriamanitra sy ny rahalahy (zoe).

Ho an’ny Jody, ny hena hohanina hahazoana tsodrano avy amin’Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy ny zanak’ondry atao sorona, tsy mahagaga raha nolazain’i Md Joany fa mifanandrify ny ora nahafatesan’i Jesoa sy ny ora famonoana ny zanak’ondrin’ny Paka (zoma masina amin’ny ora faha-9). Izy no ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao, ka manome antsika indray ny aina. Ny fiainany no natolony manontolo ho aina hamelona izao tontolo izao. Ary izay manaiky hihinana ny mofo dia tonga nofony, iray aina Aminy, ka tsy afaka ny tsy handray anjara amin’ny fanomezana  aina ho an’izao tontolo izao.

Izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia mahita fa ao amin’i Jesoa no ahatanterahan’ny faminanian’Izaia mikasika ilay Zanak’ondry moana eo anatrehan’ny Mpanety azy (jereo ny vakiteny Herinandro masina).

Hain’Andriamanitra ny mitondra ny zava-drehetra. Ny fiparitahan’ny Mpianatra (sy ny Apôstôly) dia tsy hahatonga azy ireo ho vavolombelona hatreo Samaria ihany fa hatrany am-paravazan-tany. Lehilahy iray avy any Etiopia no nitorian’i Filipo ny Evanjely, amin’ny fanazavana aminy fa i Jesoa no fahatanterahan’ny Faminaniana novakiany tao amin’ny Mpaminany. Avy eo aza i Filipo mbola mandalo any Azota (Ashdôd, anisan’ireo tanàna dimin’ny Filistina, hilazana fa izay manaiky hirahin’Andriamanitra dia mazava loatra fa tsy hifidy olona na tany hitoriana ny Teniny, na dia ny Filistina ho an’ny Jody aza).

Lazain’i Bède le Vénérable fa tokony hampandinika antsika ihany ny fiainan’ity Eonoka Etiopiana ity. Avy any Jerosalema izy, mody any an-trano, mamakivaky ny tany efitra saingy manohy mandalina ny Soratra Masina, manohy mamisavisa izay noventesiny (henony) tao an-tempoly. Valin’ny faniriany no nandefasan’Izy Tompo ny Mpanompony Filipo mba hanokatra ny sainy amin’ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana notadiaviny. Isika koa, rehefa avy mivavaka, dia tokony hanohy hikaroka ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra novakiana amintsika, hahafantatra tsara izay vakiana mba hahafahana mampifanaraka ny fiainana amin’izay voalaza marina tokoa. Anatin’izany ny fanetren-tena hiaiky fa tsy afaka ny hahalala raha tsy misy olona mitari-dalana.

Ampianarin’Andriamanitra isika rehetra (Izaia 54, 13), amin’ny fanomezany antsika fo vaovao afaka mitia, hoy Ezekiela (Ez 36, 26). Tsy ezaka avy amin’ny fisainantsika fa fanehoan’Andriamanitra ny tenany (révélation) no hahafahantsika mahalala Azy, ary fanavotana izany satria tao anatin’ny haizina isika fony mbola tsy nahalala Azy (vavaka fangatahana).  Fo mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra Ray ny fahafahana manara-dia an’i Jesoa, ilay hany nahita ny Ray sy manome antsika ny “nofony”, izany hoe ny fiainany manontolo, hanasoavana an’izao tontolo izao. Izay mihinana Azy dia antsoiny mba ho iray aina Aminy.

Tsy ho sanatria anie ho kobaka am-bava na tsidi-pahitra no ankalazantsika ny Tenin’Andriamanitra. Ka ny ohatra tantarain’i Md Lioka anio anie, hampitsiry ao am-pontsika ny fikarohana sy faniriana hahalala sy ho tia bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra, hahafahantsika mitombo fahalalana an’i Kristy ilay efa nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, ka hiray aina Aminy bebe kokoa hatrany.  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma fahatelo fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Alarobia fahatelo fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.