Trinitera Malagasy
Alakamisy fahadimy mandavan-taona

Alakamisy fahadimy mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Jenezy 2,18-25/Salamo 127/
  • Ankasa: 1Mpanjaka 11,4-13/Salamo105/
  •  Md Marka 7,24-30

Dia tonga tamin’ny tanin’i Tira sy Sidôna i Jesoa, tanin’ny tsy mpino araka ny toe-tsaina Jody tamin’izany, ary indro niankohoka teo amin’ny tongony ity ramatoa iray grika (Jentily ho an’ny Jody). Naheno ny momba an’i Jesoa izy ka nino ary nitsaoka Azy ary niantso Azy ho “Tompo” (κύριος). Nidradradradra mafy hoy i Matio (Mt 15,21-28 : mety hilazana ny fomba fivavaky ny tsy mpino izany),   hany ka nangatahin’ny Mpianatra i Jesoa mba “handroaka” azy (“hihaino ny vavaka ataony” no nandikana azy ao amin’ny Baiboly, mba tsy hiampangana ny Apôstôly).

Tsy tonga afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely aho, hoy i Jesoa namaly ilay vehivavy. Ny mpanota manko no sitrak’i Jesoa hiarahana misakafo sy hoentina amin’ny fiainana, araka an’i Matio, ary ho an’i Lioka aza, tsy afaka ny hihinana amin’ny sakafom-pifaliana hankalazana ny Famindram-po amin’ny niverenan’ny zanany izay mihevitra ny tenany ho mendrika ny fitiavan’ny Ray  ka tsy mahita hafaliana amin’ny fiverenan’ny zandriny nania (Lk 15). Toy izany manko no foto-pisainana tamin’izany: Andriamanitra miahy ny vahoakany (sy izay mitandrina ny didiny) ary manapotika izay tsy mihaino Azy sy tsy anisan’izany vahoaka izany.

“Avelao aloha ho voky ny zanaka”. Fa iza no zanaka? Ho an’i Israely dia noheveriny fa izy ireny ihany no zanak’Andriamanitra, vahoaka voafidy (jereo anefa  Iz 19,24, efa manohitra izany). Tsy mifanalavitra amin’ny fisainan’izy ireo anefa ny fisainan’ny sasany mihevitra ho mpino ankehitriny. Mampalahelo ny maheno olona milaza ho mpivavaka ka mihevitra ny tenany ho nohasoavin’Andriamanitra ka izay tsy manao tahaka ny fombany dia very any amin’ny afobe, iharan’ny sazy sy ny hatezeran’Andriamanitra. Hanahirana ny olona toy izany ny hihaino an’i Jesoa miteny amin’ilay jiolahy ho faty hoe: anio, izao ankehitriny izao isika no hihaona any am-paradisa. Mety hahafaly azy ny hihaino an’i Jesoa hilaza fa “tsy mety ny mizara ny mofon’ny zaza amin’ny alika”, saingy tsy hahafaly azy ny mahita fa na heverin’ny besinimaro ho tsy mety aza izany, dia zarain’Andriamanitra amin’ny olon-drehetra ny fiainana feno.

Raha araka ny fitantaran’ny Evanjelista dia tahaka ny hoe olona mampifilafila i Jesoa: “tsy tsara raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy amin’ny amboa”. Izany no atao hoe manalìka olona ara-bakiteny, ny fanambaniana ratsy indrindra azo natao tamin’izany, araka ny Jody. Ity vehivavy ity no hany tokana niantso an’i Jesoa hoe “κύριος” (kurios, Tompo), finoana izany, anambaran’ny Evanjely amintsika fa izay manam-pinoana dia tsy milefitra eo anatrehan’izay mety ho sakana, na dia manoloana ny teny mandratra ny fo aza. Impiry aho no mahita olona mangataka, vao anaovanao teny mahery dia ianao indray no kafarainy ary mahavita milaza matetika fa tsy mila intsony izany fanampiana saika hangatahiny taminao.

Matoa Andriamanitra tsy mamaly na mampiandry antsika, hoy i Md Augustin, dia satria “satriny ny hanadio ny faniriantsika, satriny ny hampitombo ny finoantsika” mba tsy ho filàna fa fitiavana no hifikirantsika Aminy. Dia amin’izay Izy no hamaly ny vavaka ataontsika hoe: “lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao” (Mt 15,28).

Na ny sombintsombiny milatsaka avy amin’ny latabatra aza dia efa ampy hahafeno ny hafaliana, saingy raha mbola tsy matotra ny finoantsika dia tsy afaka ny hionona sy ho sambatra raha tsy zara mitovy amin’ny hafa no azo, ary tsy vitan’izany fa indraindray aza mandany andro mitomany randrana manendrika ny hafa.

Ho haintsika anie ny handray ka hampiasa ny fahasoavana narotsak’Andriamanitra ho antsika, ary ny finoana marina anie handrisika antsika hisorona ny tena ho an’ny hafa, satria ny mety ho “fanalikàna” azontsika indraindray dia vokatry ny fitia mba hahazoan’ny hafa fahasambarana (hahazoan’ny zanany fahasitranana ny an’ilay vehivavy). Fitiavana izany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma fahadimy mandavan-taona
PREVIOUS
Alarobia fahadimy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.