Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-enina mandavan-taona

Alakamisy faha-enina mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa  Boky Jenezy 9, 1-13/ Salamo 101/
  • Ankasa Jakôba 2, 1-9/Salamo 33/
  • Md Marka 8, 27-33

Ao amin’ny Evanjelin’i Marka dia tsy sasatra ny mifindra toerana i Jesoa ary arahin’ireo mpianatra izay miezaka ny hahazo ny zava-miafina tsy maintsy hodradradradraina kosa any aoriana any (Mt 10,27). Eo am-pisasahan’ny fitantarany dia miakatra any amin’ny tanana’i Sezarean’i Filipo Izy, any amin’ny loharano ipoiran’i Jordany, ka manontany ny mpianany izay hevitry ny olona momba Azy. Ny mpianatra rahateo hatrany am-piandohan’ny Evanjely dia efa nanontany tena ny amin’i Jesoa izay manana fahefana mandroaka demony (Mk 1,27) sy mampitony ny rano (Mk 4,41).

Ny fikisahana avy any Betsaida mankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo dia azontsika hanatsoahana hevitra hafa koa: raha tiana ho mari-pototra ny fiantsoana (vocation, toerana Betsaida) novaliantsika mba hanompoana an’i Jesoa eo anivon’ny fiaraha-monina dia tsy maintsy amafisina mandrakariva ny loharano niaviany (Sezarea). Tsy afaka ny ho iraka isika raha tsy tonga mpianatra aloha, mandray sy miaina ny batemy, manavao ny fifandraisantsika amin’ny Mpampianatra.

Efa natsidik’i Marka ihany moa ny fihevitry ny olona momba an’i Jesoa, rehefa nandre ny lazany Herôda (Mk 6, 14-16): i Joany Batista na ny anankiray amin’ny Mpaminany no nitsangan-ko velona. Ho an’ireo mpianatra kosa, ary ho antsika tsirairay koa izay te hanaraka azy, dia anontaniany raha mitovy hevitra amin’ny olona isika na mba manana famaritana hafa an-koatr’izay. I Piera no namaly fa “ i Jesoa no i Kristy”. Fa noraran’i Jesoa izy tsy hilazalaza izany amin’ny olona.

Mazava ny antony araka ny zava-mitranga: mbola mila diovina ny fahalalan’i Piera ny atao hoe Mesia na Kristy. Mbola tsy mifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra ny fisainany (Mk 8, 33) eny fa na dia tsy nofo aman-dra aza fa ny Ray any an-danitra no nanambara taminy fa i Jesoa no Kristy (Mt 16, 17). Mbola ny fanirian’ny Jody maro miandry an’Andriamanitra hamongotra ny fahavalo ka hanome fahafahana sy fiainana mamirapiratra no tao an-dohan’i Piera, hany ka nahatafin-tohina azy ny fanambaran’i Jesoa mialoha ny fahafatesany.

Sarotra ho azy ny hino fa ilay voahosotr’Andriamanitra dia hijaly sy hatositosika ary hovonoina. Tsy mbola azon’ny sainy ny hevitry ny hoe “hitsangana ho velona”. Araka izany dia asain’i Jesoa mangìna aloha ny Mpianatra, hanohy ny lalana mizotra ho any Jerosalema, hanamafy ny finoany fa Zanaka Malalan’Andriamanitra i Jesoa.

Asain’i Marka koa isika handinika sao sanatria ao ambadiky ny fiekem-pinoantsika dia i satana no maka fanahy antsika amin’ny endrik’Andriamanitra hanome antsika ny fahefana rehetra ka na hitsambikina avy eny ambonin’ny tilikambom-piangonana aza isika tsy haninona, satria “zanak’Andriamanitra” (Mt 4, 8-10). Tsy misorona i Jesoa miteny amin’izay ho mpianany, “mazava tsara” (παρρησία, parresìa Mk 8, 32) no nilazany azy hoy i Marka: izay te ho mpianany dia handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ary hanaraka Azy hijaly, atositosika ary hovonoina mihitsy aza (zoma faha-VI mandavan-taona).

Mazava ny tenin’i Jesoa amin’i Piera sy izay mbola misalasala noho ny fiheverana fa fandresena (araka ny olombelona) mandrakariva no ho an’izay manara-dia an’i Kristy: hanaraka azy avy ao aoriana (ὕπαγε ὀπίσω μου, nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko) tsy sanatria hanamongo ny Romanina fa hanolotra ny tenany ho Sorona, hilazana fa tsy ny herisetra no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fahotan’olombelona fa ny fitiavana.

Izay te ho mpianany dia voantso hanao izany koa mba tsy hahadiso ny fanantenany ka sanatria hiandry ny zavatra tsy nampanantenain’Andriamanitra. Tsy afaka ny hihevitra araka ny olombelona manko izay manara-dia an’i Jesoa.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy fahafito mandavan-taona
PREVIOUS
Alarobia faha-enina mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.