Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-14 mandavantaona

Alakamisy faha-14 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Osea 11, 1-9/Salamo 79
  • Tsy ankasa Jenezy 44, 18-29; 45, 1-5/Salamo 104
  • Md Matio 10, 7-15

Antsoin’i Jesoa ny Mpianany dia irahiny. Mialoha ny hanohizana ny fanazanana momba ny fanirahana dia tsara ny mampahatsiaro fa ny ho eo Aminy sy hiara-mitoetra Aminy no iantsoan’i Jesoa antsika voalohany, ary porofom-pitiavana izany (Mk 3, 13-14). Izay vao irahiny hitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra.

 Eny am-pandehanana [Πορευόμενοι (Mt 10,7 BYZ), participe present du πορεύομαι (poreuomai) izay nadika hoe “Raha mandeha ianareo”], izany hoe eo am-panohizana ny lalana efa natomboka no hitoriana ny Fanjakan’ny Lanitra. Tsy mbola mahatratra ny fahalavorariana ny Apôstôly, saingy mizotra ho amin’izany ary mitory (κηρύσσω kerusso), mijoro ho vavolombelon’ny Fanjakan’ilay Ray mamondrona ny zanany, mamondrona ny ondry very, ho fianakaviana iray miaina ny fahafahana, ny hafaliana sy ny fiadanana. Andraikitry ny mpianatr’i Kristy rehetra ny mampahatsiaro ny olona fa eo anivontsika ny Fanjakan’ny lanitra.

Izany no antony hanirahana ny Apostoly ka hanaporofo ny fitiavan’Andriamanitra ny olony eo amin’ny andavanandrom-piainany amin’ny fanohizana ny asam-pamonjena efa natomboky ny Mpampianatra: ny fikolokoloana (θεραπεύω) ny marary mba hahafahany mitsangana ka hanompo (Mt 8, 15), ny fananganana (ἐγείρω) ny maty izay hoe ny miala amin’ny fahafatesana ho fiainana satria tia ny rahalahy (1 Joany 3, 14), ny fanadiovana ny boka mba hiverenany ho anisan’ny vahoaka mankalaza an’Andriamanitra (Mt 8, 1-4)  ary ny fandroahana ny demony amin’ny herin’ny Fanahin’ny fahamarinana. Ireo no asa nataon’i Jesoa tantarain’ny toko faha-8-9 manontolo, hamerenana amin’ny olombelona rehetra ny hasina sy ny fahasambarana naharian’Andriamanitra azy. Izay nandray maimaim-poana no irahiny mba hanome maimaim-poana, ka hisafidy ny fahantrana, hatoky ny fitsimbinan’Andriamanitra ka haniry fiadanana ho an’izay hiantranoana.

Ny fahalalaham-po manentana ny mpianatra dia tokony ho hita taratra amin’ny fomba fiainany. Izay naka maimaim-poana tao amin’ny hafenoan’ny Trinite Masina, dia hanome maimaim-poana ihany koa. “Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina amin’ny fehikibonareo”. Ny nadika hoe “mitondra” moa eto dia κτάομαι (ktaomai). Mahadika azy kokoa ny dikan-teny vaovao amin’ny Baiboly 2011 hoe “aza mitaty vola hatao am-paosy, na volamena izany na volafotsy na varahina”. Tsy fitadiavam-bola ny asa fitoriana na dia mendrika ny karamany aza ny mpiasa ka “izay mitory ny Vaovao Mahafaly dia hahazo fivelomana amin’izany asa izany” (1 Kor 9, 14). Tsy avelan’i Jesoa hitondra kitapom-batsy akory fa hiantehitra amin’ny fitsimbinan’Andriamanitra ka hatoky ny fitiavan’ny rahalahy mendrika (ἄξιος axios) hampiantrano. Izay mampiantrano ny madinika sy ny tsy manan-kialofana kosa, na tsy nahalala aza, dia antsoin’i Kristy ho any amin’ny valisoan’ny olo-marina (Mt 25, 31-46) satria nohasoavin’ny Ray.

Ny tsy fitondrana akanjo roa moa, raha manambara ny maha-izy azy sy ny fomba fiainana ny akanjo, dia manambara ny hadiovam-po, izany hoe ny fahatsoram-piainana tsy hiatsara velatsihy, tsy hanana “double personnalité”, fa hitafy akanjo iray ihany (Galata 3, 27). Ny kiraro kosa, ao amin’i Md Marka (Mk 6, 9) dia anaovana, entina hilazana ny safidy malalaka, fa ao amin’i Matio, ny hoe tsy manao na dia kapa aza, dia hoentina hilazana ny toe-tsaina maha-mpanompo (jereo Alakamisy faha-4).

Ny fiadanana kosa, rariana mba ho an’ny trano idirana sy izay monina ao, dia mitaky ny fahamendrehan’izay tolorana azy, saingy tsy ho raraka an-tany na eo aza ny tsy hafamendrehan’izay tolorana. Mazava loatra fa izay manokatra ny fony ho amin’ny fitiavana no zanaky ny fiadanana, ary ireo no hampiantrano ny mpamafy fiadanana. Ny fikatsahana ny fiadanana ho an’ny hafa dia loharanom-piadanana mandrakariva ho an’izay manao izany. Ny mety ho tsy fandraisana anefa, ny tsy fahamendrehan’izay tolorana dia tokony hanosika ny mpianatra “hanintsana ny vovoka” amin’ny tongotra, tahaka ny Jody hiditra ao an-tanàna masina, rehefa avy any amin’ny tanin’ny tsy mpino, entina hilazana fa izay tsy mandray ny rahalahy tsy manana afa-tsy ny fitiavan’Andriamanitra ho kiadiny, dia tahaka an’i Sôdôma sy Gômôra, tsy nandray ny irak’YHWH ka natelin’ny afo (Jenezy 19, 24ss).

Tsy afaka hanery ny hafa handray azy ny mpianatra ka izay mety ho fandavana tsy sanatria hampivadika ny zanak’ondry ho tonga biby masiaka (Evanjely rahampitso) fa kosa ho fidirana ao amin’ny tanànan’ny fiadanana, ka hanajanonana any ivelany (toy ny vovoka amin’ny tongotra) izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahamasinana atoron’ny Evanjely ho lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-14 mandavantaona
PREVIOUS
Talata faha-14 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.