Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-12 mandavantaona

Alakamisy faha-12 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa 2 Mpanjaka 24, 8-17/Salamo 78
  • Tsy ankasa Jenezy 16, 1-12.15-16/Salamo 105
  • Md Matio 7, 21-29

“Ity no vavahadin’ny Tompo, ny marina no mahazo miditra eo” (Salamo 118, 20).

Hiditra amin’ny vavahadin’ny famonjena, hoy Izaia Mpaminany (Izaia 26, 1-6), izay mitana ny fahamarinana ka tsy mivadika, ary hahazo fiadanana kosa izay matoky ny Tompo. Izay maniry ny fiadanana dia mahafantatra fa tsy vokatry ny finiavany no hahombiazany fa fahasoavana, ary satria iriny fatratra ny hiadana dia hosanatriaviny ny handraraka ilo mby an-doha. Mariky ny fitiavana ny fitahirizana izay fanomezana noraisina avy amin’ilay tia. Dia izay no andrasan’Andriamanitra amintsika: hitahiry ny fanomezany amin’ny alalan’ny fitoriantsika ny hatsaram-pony. “Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo, fa mandrakizay ny fitiavany” (Sal 118, 1.29).

Mahalasa saina ihany anefa ny lazain’io salamo 118 io ao amin’ny andininy 19: vohay ny varavaran’ny fahamarinana hidirako hisaotra ny Tompo. Iza no antsoin’ny mpivavaka hamoha ny varavarana? Olona afaka manome baiko hamoha ny varavarana izany dia tsy vahiny fa tompon-trano. Tsy izay mahay misolelaka sy be vava anefa no hiditra ao, hoy ny Evanjely fa izay mahay mampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’ilay tompon-trano.  Tompon-trano izay “manao ny sitrapon’Andriamanitra izay any an-danitra”.

Misy olona mieritreritra fa manao zavatra amin’ny anaran’ny Tompo. Lazain’i Jesoa aza hoe misy mirehareha fa naminany na mandroaka demony na nanao fahagagana tamin’ny anarany, nefa indrisy fa tsy hiditra amin’izany fiadanan’ny Fanjakan’ny lanitra izany. Nahoana no lazain’i Jesoa fa “mpanao ratsy” (ἀνομία anomia, tsy tan-dalàna)? Ny Lalàna (nomos) dia nomen’Andriamanitra mba hahasambatra ny zanany rehetra, ka izay tsy mikatsaka ny fahasambaran’ny tenany sy ny hafa rehetra dia “anomia”, tsy ara-dalàna, ka tsy ny nahavita heloka be vava ihany no ratsy fa izay tokony hanao soa koa nefa tsy nanatanteraka izany. Indraindray manko tsy ny hahasambatra (ny tena sy ny hafa) no hanaovan-javatra fa ny mba hisehosehoana sy hizahozahoana. Fa inona moa izany hoe miditra amin’ny fanjakan’ny lanitra izany? Mila esorina ao anatin’ny loha aloha ny fiheverana fa zavatra mahakasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana ny Fanjakan’Andriamanitra. “Izay mino no hanana ny fiainana mandrakizay” hoy i Jesoa (Md Joany 6). Ny varavaran’ny finoana no hidirantsika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, hoy kosa ny Papa Benoit XVI, ary tsy afaka ny handingana io tokonana io raha tsy mandray ny Teny voatory ary manaiky hovolavolain’ny fahasoavana ny fo ka hiova (Porta fidei 1).

Ny fiainana araka ny Tenin’ny Mpampianatra araka izany no hanorenana ny fiainana mandrakizay eo ambony vatolampy (Mt 16, 18). Adalana hoy i Jesoa ny fihainoana ka tsy hitandremana ny Teniny, satria io no manoro antsika ny Lalàn’Andriamanitra, ny Lalàn’ny Fitiavana. Indraindray tokoa manko misy olona mihevitra fa fanandevozana, na sanatria an’izany, fahalemen-tsaina ny fanarahana ny sitrapon’Andria­manitra. Tsy azo adinoina anefa fa ny sitrapony dia tokana ihany: ny hahasambatra antsika! Araka izany, ny fanarahana ny Teniny sy ny fiainana araka ny didiny dia fizorana ho amin’ny fahasambaran’ny tena ihany. Tsy hanenenana mandrakizay izany satria mafy orina.

Ary matoa isika tsy manatanteraka ny sitrapony dia nivily lalana, nanorina ny trano ambony zava-mandalo ihany ka na ho ela na ho haingana tsy maintsy ho latsa-panenenana eny ihany. Tahaka ny fasika, hoy i Jesoa: ny fasika manko dia eny amin’ny toerana ambany indrindra no anajanonan’ny rano azy ho antsanga, ary rehefa tonga ny rano manaraka dia mbola miova toerana avy eo ihany koa, mandeha amin’ny ambanimbany kokoa. Izay tsy manorina am-pitiavana dia ho tototry ny fitiavan-tenany ihany na ho ela na ho haingana.

I Jesoa no ilay Teny tonga nofo, “lalana tokan’ilay paradisan’ny Ray”, hoy ny hirantsika. Ny fianarana Aminy no hahafahantsika manandrana ny hamamin’ny fiainana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny demony aza mba mino ihany koa fa mangovitra, hoy Md Jakoba (Jk 2, 19), satria tsy mifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Hitombo ao amintsika anie faniriana hihaino, hahazo ka hampihatra amin’ny fiainantsika ny Teny Fiainana.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
24 jona – Nahaterahan’i Joany Batista
PREVIOUS
Alarobia faha-12 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.