Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-13 mandavantaona

Alakamisy faha-13 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Amosy 7, 10-17/Salamo 18
  • Tsy ankasa Jenezy 22, 1-19/Salamo 114
  • Md Matio 9, 1-8

Dia niondrana tamin’ny sambokely indray i Jesoa. Ny Fiangonana no sambo iampitany amin’ny tanàna rehetra andalovany. Ireny no tanànany, fonenany satria eo anivon’izay mivory amin’ny Anarany Izy (Mt 18, 20).

Asa ankininy amin’ny Mpianany ny hitory ny fibebahana sy ny famelan-keloka manomboka ao Jerosalema, toerana niakarany any amin’ny voninahitra, ka hatrany amin’ny faravazan-tany (Lk 24, 48/Asa 1, 8). Ny toriteny sy ny asan’i Jesoa dia nentiny nanambara ny famindram-pon’Andriamanitra tsy hita lany, araka ny lazain’i Md Paoly hoe fahasoavana mihoa-pampana ao amin’izay hiavosan’ny fahotana (Romana 5, 20). Ny fahotana moa, araka ny heviny avy amin’ny hebrio חַטָּאָה (Hatta’ah), dia hoe tsy mahatratra ny tanjona nokendrena, ka mazava loatra, lehilahy iray malemy mandry amin’ny fandriany dia tsy afaka ny hanatanteraka araka ny tokony ho izy ny adidiny, tsy afaka ny hody akory any an-tranony.

Ny Lalàn’Andriamanitra dia nomeny antsika mba ho torolalana hahafahana mizotra ho amin’ny fahasambarana, hizotra ny lalam-pahasambarana. Saingy rehefa misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny dia ny sazy, araka izay fariparitan’ny lalànantsika no tonga voalohany ao an-tsaina ka miteraka tahotra ho an’izay diso ary indraindray mitondra amin’ny avonavona sy ny fanjakazakana ho an’izay nahazo andraikitra “hanasoa” ny hafa. Hafa mihitsy anefa ny fihevitr’Andriamanitra. Asan-tanany isika ka izay mety ho fahalementsika dia noraisiny an-tanana, zary fijaliana ho azy, ka hitadiavany fomba mba hahafahantsika mitozo amin’ny lalam-pahasambarana sitrany ho antsika.

Tsy sasatra ny mamerina amintsika izy hoe: “Matokia anaka fa voavela ny helokao”. Saingy ho an’ny “mpanora-dalàna” kosa dia fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany. Tsy noho isika mibebaka no hamelan’Andriamanitra ny helotsika fa mba hahafahantsika mibebaka, hahafahantsika mizotra ny lalana mankany an-tranon-dRay. Izany no nolazain’Izaia Mpaminany momba ny Mesia izay nibaby ny helotsika sy nitalaho noho ny fahotantsika (Izaia 54, 7-10). Izany no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany.

Moramora kokoa ny miteny fa voavela ny heloka satria tsy misy hanaporofoana izany ety ivelany. Ny miteny hoe: “mitsangana ka mandehana” kosa dia hita eo noho eo ny fahamarinany. Kanefa koa, raha tamin’ny toe-tsaina tamin’izany dia noheverina ho vokatry ny fahotana ny kilema mampalemy, dia mora kokoa ny manala ny antony (fahotana) noho ny mitsabo ny vokany. Izay antony mampijaly antsika no sitrak’Andriamanitra hofongorana eo amin’ny fiainantsika.

Tsy fanalana heloka mba tsy hanasaziana anefa no ataon’Andriamanitra fa fanomezana hery hitsangana ka hanompo, ho tonga olom-baovao. Ireo no notanisain’i Mateo taorian’ny Fampianarana teny an-tendrombohitra: ilay boka sitrana ka tonga olom-baovao (Mt 8, 1-4), ilay ankizilahin’ny tomponjato novonjeny noho ny finoana (8, 5-13), ny rafozan’i Piera nareniny mba hanompo (Mt 8, 14ss), nifoha Izy mba hampitony ny ranomasina ka handresentsika ny tahotra (Mt 8, 23-27), ny demony noroahiny hilentika any amin’ny rano (Mt 8, 28-34) satria “ny rofintsika no nalainy, ny aretintsika no nentiny”. Ny famelan-keloka no fahagagana lehibe indrindra ataon’Andriamanitra ho antsika amin’ny alalan’ny Zanany, ka iantsoany antsika mba hitsangana (ἐγείρω egeiro hitsangan-ko velona) ka hibata ny fandriantsika, tsy ho menatra ny fahalemena satria matoky fa notiavina ka hody any an-trano, tahaka an’ilay zaza mpandany. Ny fibebahantsika kosa lo fahasoavana loharanon’ny fahasoavana rehetra, hoy i Papa mamarana ny Taratasy Patris Corde.

Fahefana nomen’Andriamanitra ny olona ny hanafaka ny zanany rehetra amin’izay mampijaly azy, ka ilay “fitenenan-dratsy” nolazain’ny mpanora-dalàna sasany nentin’i Jesoa nanafaka ilay malemy no zary fanamelohana Azy kosa ho faty eo amin’ny hazofijaliana. Fahefana sy iraka nomen’i Jesoa ny mpianany izany (Mt 10, 1), dia ny hamehy sy hamaha (Mt 16, 19; 18, 18) ary ny halema heloka (Jn 20, 23).  Ho fiovan-toetra marina tokoa ho antsika anie ny famelan-keloka sy ny konfesy, ka hanampy antsika hahatsapa ny haratsiana vokatry ny fahotana ary nandrisika antsika kosa hizotra an-kafaliana ho any an-tranon’ny Ray.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-13 mandavantaona
PREVIOUS
Alarobia faha-13 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.