Trinitera Malagasy
Alarobia faha-12 mandavantaona

Alarobia faha-12 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa 2 Mpanjaka 22, 8-13; 23, 1-3/Salamo 118
  • Tsy ankasa Jenezy 15, 1-12. 17-18/Salamo 104
  • Md Matio 7, 15-20

“Ny hazo tsara (ἀγαθός agathos, bon, tsara fanahy) rehetra mamoa voa tsara (καλός kalos, beau, tsara tarehy), ary ny hazo ratsy (σαπρός sapros, corrompu, pourri, lò) rehetra, mamoa voa ratsy (πονηρός poneros, plein de contrarieté, périlleux, mampidi-doza, mahavaky loha)”.

Asain’i Jesoa mitandrina ny mpianatra manoloana ny mpaminany sandoka, izay mety hiseho ety ivelany amin’ny endriky ny zanak’ondry nefa ao anatiny ambohadia mitoha (mitady haza sy remby). Araka ny voalaza omaly hoe ny rain’ny lainga no mamitaka amin’ny lalana migodàna dia mazava loatra, mora ny mamitaka ny olona amin’ny fampanaraham-po azy amin’izay tiany. Tsy mora ny manavaka sy ny misafidy ny endriky ny mpaminany tena izy indrindra raha adinontsika fa izay mitovy endrika amin’i Kristy no izy.

Izay mpaminany mitovy amin’ilay Mpanompon’YHWH lazain’Izaia no araka an’Andriamanitra (azo jerena ny vakitenin’ny herinandro masina manontolo mampianatra antsika izany). Rehefa mampianatra mikasika ity amin’ny ankizy aho, dia asaiko manao sarina demony mandrakariva izy ireo. Ny sary tonga ao an-tsainy dia biby mainty be lava rambo lava tandroka, mitana fitrebona telo rantsana, sady ratsy tarehy no mampatahotra. Raha sahala amin’izany tokoa no fomba hisehoan’ny demony amintsika dia sarotra no hahazoany mpanaraka azy.  

Lazain’Izaia fa ny Mpanompon’YHWH izay sitraky ny fony dia toy ny olon-dresy no fiheveran’ny sasany azy fa ny fahosany sy ny fampijaliana azy, naharava endrika azy ary ny famongorana azy tsy ho ety an-tanin’ny velona no lalana nidirany any amin’ny voninahitra (Izaia 52, 13 – 53, 12). Io no endrik’i Jesoa ambaran’ny Lakroà ary satrintsika ahantona amin’ny trano rehetra sy hiravahana koa aza, saingy indraindray adino fa sary “horreur”, mampatahotra sy mampivarahontsana no asehon’ny Lakroà.

Izay mahita ny hatsarana sy ny fitiavana asehony (ἀγαθός) no hahita ny hatsaran’ny vokatra entiny ka afaka mioty izany. Io no hazo tsara mitondra voa mahatalanjona, dia ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra sy ny fihavanantsika amintsika samy isika. Ny hazo ratsy hafa kosa (σαπρός)dia tsy hitondra afa-tsy ny fanalavirana antsika amin’Andriamanitra sy ny fampitsitokotokoana hampisaraka antsika samy isika.

Araka izany, ho an’izay maniry hanavaka ny tsara sy ny ratsy, izay maniry ho “voaloboka”, toa an’Israely vahoaka voafidin’Andriamanitra dia tsy afaka ny hamokatra afa-tsy tsilo raha tsy manaiky hampamokatra ny Teniny nafafiny, eny fa na dia tsy mifanaraka amin’izany teny izany aza ny fiainan’izay mitory azy (tsy manome alalana hivarilavo tsy akory ny toetra ratsy asehon’ny mpitory, Mt 23, 3) , amin’ny filokokoloana ny hatsarana ao am-po, ny hatsaram-panahy,  ka hahay hijery mandrakariva ny vokatry ny safidiny, na hampitombo ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny faniriany hitovy amin’ilay Mpanompo ankasitrahany, dia ny Zanany lahitokana na tsia. Izay rehetra tsy manampy antsika tsy hanahaka bebe kokoa an’i Kristy dia tsy hazo novolen’Andriamanitra, ka tsy maintsy hokapaina ka hatsipy any anaty afo, toy ny hery (tsilo).

Tsy ho kivy anefa isika, na karazan-kazo inona na inona. Izay maniry hamokatra dia afaka miray aina mandrakariva amin’ny fototra (Joany 15, 1-17) ary mitoky amin’ilay Andriamanitra hany afaka mampamokatra voa tsara, dia Izy ilay mahamaina ny hazo maitso ary maha-maitso ny hazo maina (Ezekiela 17, 24).

Ho haintsika mandrakariva anie ny hihoty ny Fanahy Masina, izay vokatra natolotr’ilay Hazon’ny fiainana ho antsika teo am-pialana aina (Jn 19, 30) ka hanaiky hotarihiny amin’ny fiainana ny maha-zanak’Andriamanitra, handova ny fiainana mandrakizay.  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha-12 mandavantaona
PREVIOUS
Talata faha-12 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.