Trinitera Malagasy
Alarobia manaraka ny Epifania

Alarobia manaraka ny Epifania

Njara Pascal
  • 1 Joany 4, 11-18 /
  • Salamo 71 /
  • Marka 6, 45-52

Tsy mbola lavorary ny fitiavan’izay matahotra, ary tsy matahotra izay miaina manahaka an’Andriamanitra amin’ity fiainana ity. Milaza sazy ny tahotra, hoy i Md Joany, ka izay mivavaka satria matahotra ny afobe, manao soa sao very ny fanahy, mipetraka tsara sao very tombontsoa, dia tsy hiadana mandrakizay, tsy hahazo ny tsiron’ny hafaliana vokatry ny fahatsapana fa fanahafana ny fitiavan’Andriamanitra no mahasambatra amin’ny fiainana, izany no fisantarana sahady dia ny ety an-tany ny hasambaran’ny lanitra.

Rahefa avy nampitombo ny mofo i Jesoa, hoy ny fampidirana noforonin’izay nandamina ny vakiteny, kanefa tsy milaza fampitomboana mofo ny lahatsoratra raka vakiana tsara: fitsofan-drano sy fizarana no voalaza teo. Ao amin’ny fitantaran’i Md Joany (6, 15) dia hoe saika haka azy hanao mpanjaka ny vahoaka, ary izay no nampisintaka azy ho any an-tendrombohitra mba hivavaka. Taorian’ny namoronan’i Jesoa ny Eokaristia tokoa manko, dia nanontanian’i Pilaty izy raha mpanjaka na tsia. Mpanjaka izy fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakany. Hany ka ny fahafatesana no lalana tsy maintsy nombany, hanekeny fa aleo maty toy izay hamaly ratsy ny ratsy. Tsy amin’ny teny ihany fa amin’ny fiainana no nilazany amintsika fa ny lalana mankamin’ny fahasambarana dia ny mijanona ho zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia. 

Notereny hiondrana ao an-tsabokelin’ny Fiangonana ireo mpianatra mba ho any amin’ny tananan’ny fanjonoana (Betsaida), ho tonga mpanarato olona, fa Izy kosa handrava ny vahoaka, hanao veloma ny olona, hivavaka ho antsika rehetra, satria nasandratra ho Tompo sy Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ary maty teo dia nalevina, ny fahafatesany no lalana nizorany niakarany any amin’ny voninahitry ny lanitra, ny fahafatesana no niakarany eo an-kavanan’ny Ray, ho mpanalalana ho antsika, hivavaka ho antsika.

Hariva ny andro, ny ranomasina manonja, ilay ranomasina izay tsy hisy intsony rehefa tonga ny tany vaovao sy ny lanitra vaovao, hoy Md Joany (Apok 21,1), ary i Jesoa irery no nanitsaka io tanety vaovao io, satria efa tafatsangna-ko velona, efa nandresy ny tahotra, nandavorary ny fitiavana tamin’ny nanolorany ny ainy ho fanehoana ny fara-fitiavany antsika olombelona. Mahita antsika mivoy mafy, manoha-drivotra Izy, ka mampiseho ny voninahiny: mandeha ambonin’ny rano, izany hoe mandresy ny herin’ny maizina sy ny fahafatesana, ary mampatahotra ihany izany satria mistery lehibe loatra.

“Aza matahotra, Izaho ihany”. Matokia. Izay no ambaran’i Jesoa amintsika: “fiadanana anie ho anareo, ny fiadanako ho anareo”, hoy Izy.  Hitondra fiadanana ho antsika Izy, ary raha te handray izany fiadanany izany isika dia tsy maintsy mandray azy ao an-tsabokely mba miara-dia amintsika.

Sao sanatria Izy Jesoa indray no adinontsika amin’ny fiainantsika ny maha-kristianina. Sanatria anie izany. Tsy mandeha ho azy ny firosoana amin’ny fianam-panahy. Manoloana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famirapiratan’ny voninahiny dia mety ho donto fo tahaka ireto mpianatra ireto koa isika. Angatahontsika Izy mba hanokatra ny fontsika, ary hampahiratra ny masontsika ka hahazoantsika ny fiadanany. 

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy manaraka ny Epifania
PREVIOUS
Talata manaraka ny Epifania
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.