Trinitera Malagasy
Alarobia V Karemy

Alarobia V Karemy

Njara Pascal
  • Vakiteny I : Daniely 3,14-20.91-92.95,
  • Tononkira : Daniely 3,52.53.54.55.56,
  • Evanjely : Md Joany 8,31-42.

Ny tantaran’ireo telolahy ao amin’ny Bokin’i Daniely (דָּנִיֵּאל – Danîyē’l, Andriamanitra no mpitsara) dia manambara ny fanirian’ny olombelona mba havotan’Andriamanitra manoloana ny fitsarana tsy marina, satria Izy no hany Mpitsara (Dan). Ny anaran’ireo telo lahy Hanania (חֲנַנְיָה ḥananyāh, Andriamanitra mpamindra fo), Misaely (מִישָׁאֵל Mîshā’ēl, Iza no toa an’Andriamanitra?) ary Azariasa (עֲזַרְיָה ‘Azaryāh, Andriamanitra no namonjy) dia manamafy izany endrik’Andriamanitra manafaka mandrakariva ny mpanompony amin’ny fijaliana izany.

Manoloana ny fahaviniran’ny mpanjaka Nabokodônôzôra (נְבוּכַדְרֶאצַּר Neboukhadhne’tsar, arovan’i Nebo -andriamanitry ny Babilona- anie ny satroboninahiny), ireo naman’i Daniely izay nomena anarana hifanaraka amin’ny andriamanitra “Nebo” (בֵּלְטְשַׁאְצַּר Bēlṭesha’tsar, Baltasara: Andriamanitra hiaro ny ainy), i Sidràka (ilay mpitantsoratra lehibe – le grand scribe), Misàka (invité du Roi – vahiny nasain’ny mpanjaka) sy Abed-Negao (mpanompon’i Nego-Nebo) dia nandà an-kitsirano ny hanompo ny andriamanitra Nebo na ny hiondrika eo anatrehan’ny Mpanjaka. “Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitray dia hovonjeny anatin’ny memy mirehitra izahay”.

I Daniely novonjena tamin’ny vavan’ny liona, ireto zatovo ireto kosa voavonjy tamin’ny afo. Saingy eo amin’ny fiainana an-davanandro dia toa tsy izany no zava-misy. Toa zary anganon’ny Ntaolo ihany ny fitantaran’i Daniely araka ny fihevitry ny sasany azy. Maro kokoa manko ny olo-marina vonoina ary an-kavitsiana no hahenoana ireo izay anehoan’ny Tompo ny Voninahiny amin’ny fahagagana tahaka izany, ary tsara ho tadidiana mandrakariva fa na ny Zanany lahitokana aza tavela teo ambony hazo ka maty teo.

Io Kristy maty teo ambonin’ny hazofijaliana io no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fijalian’ny mpanompony sy ny zanany rehetra. Andriamanitra no manafaka antsika amin’ny memy mirehitra, manafaka antsika amin’izay mety ho fanompoan-tsampy ka hahatonga antsika tsy ho olona afaka. Ambaran’i Jesoa mazava amin’ny Evanjely anio fa “ny marina no maha olona afaka”. Tsy sanatria isika hanao tahaka ny Farisianina, ka hihevitra ny tsy nandevozina mihitsy (saingy ny Soratra Masina anefa milaza fa tsy sasatry ny miarina izy ireo: Ejipta, Babilôna, ary eo ambany fifehezan’ny Rômanina amin’ny fotoana hiresahany amin’i Jesoa). 

Izay manota dia andevon’ny ota. Ny fihainoana ny Teniny am-pinoana no manafaka antsika. Mazava ny tenin’i Jesoa fa ny fanahafantsika ny Ray no manaporofo ny Finoana marina. Tsy afaka ny hirehareha ho zanak’i Abrahama (vita Batemy, manao Kômonio, vita mariazy…) isika raha sanatria tsy fizorana mankamin’ny fanahafana ny Ray izany. I Kristy no ohatra ho antsika raha te ho tonga zanak’Andriamanitra marina isika. Ny fandraisana ny Teniny ho tonga fiainana ho antsika no manafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana. “Ny teny voalazan’ny Evanjely anie hanafaka ny fahotantsika”.

Niaro tena ny Jody satria “tsy teraka tamin’ny fijangajangana” no sady tsy “samaritanina” tahaka an’i Jesoa. I Jesoa kosa milaza tamin’izy ireo fa ny demony no ray niaviany (and. 44). Izay mety ho fijerin’ny olona dia fijery ivelany ihany. Filazana ny naha-bevohoka an’i Masina Maria mialoha ny hiraisan-trano ve izany? Sa araka izay nolazain’i Ôsea Mpaminany (Ôs 2,4)? Fa na izany na tsy izany, mazava ny valin-tenin’i Jesoa: Izay zanak’i Abrahama dia manao ny asan’i Abrahama. Izay zanak’Andriamanitra dia manao ny asan’Andriamanitra. Mila manontany tena ary isika amin’izay “asa” himatimatesantsika.

Ny asan’Andriamanitra dia ny tsy hampisy ho very ny olombelona rehetra. Angatahontsika ary ny fahasoavana hitokisantsika Aminy tanteraka, ka hahatonga antsika ho mpamelona sy ho mpikolokolo ny aina fa tsy ho sanatria ho mpamono sy mpandringana.

Tsy ny fisondrotan’ny fari-piainana na izay mety ho voninahitra eo amin’ny fiaraha-monina no fahafahana omen’i Kristy antsika fa ny fanafahana ny fontsika amin’ny gejan’ny fahotana sy izay mety ho fitiavan-tena hanidy azy tsy hisokatra amin’ny marina maha olon’afaka, ka mety hamita-tena toy ireo nitady hamono an’i Jesoa.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy V Karemy
PREVIOUS
Talata V Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.