Trinitera Malagasy
Alatsinainy V Karemy

Alatsinainy V Karemy

Njara Pascal
  • Vakiteny I : Daniely 13,1-9.15-17.19-30.33-62,
  • Salamo 23,1-3a.3b-4,5,6,
  • Evanjely : Md Joany 8,1-11.

Ambaran’ny Vakiteny anio ny tantaran’i Sozana (Taonjato I tal. K.), izay nentin’ny Farisianina hanehoana ny endrik’ilay Israely tsy nivadika amin’Andriamanitra ka tsy nanaiky ny fanangolen’ny anti-dahy roa lahy, na sanatria koa hanaraka ny fanangolen’ny harena tahaka ny Sadôseanina. Ny fanafahan’i Daniely dia tandindon’i Kristy, mpanafaka izay enjehina noho ny rariny, satria Izy tenany mihitsy no hiaritra ny fanamelohana tsy an-drariny.

Nandritra ny fetin’ny tranolay, izay miavaka amin’ny firehetan’ireo jirobe mandritra ny alina ao amin’ny kianjan’ny Vehivavy, izay mampahatsiaro ny rahona nanazava ny dian’ny zanak’Israely (Eks 13,21-22), dia niteny tamin’ny Farisianina i Jesoa hoe “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”. Manambara tena ianao ka tsy marina ny fanambaranao, hoy ireo mpanohitra Azy, satria izany fahazavana izany dia toa mbola mahajambena azy ireo. Izay mahalala ny iaviany sy handehanany anefa dia mandray ny hazavana avy Aminy, ary asainy miombona hasambarana ao amin’ny Mistery mampiombona Azy amin’ny Ray. Tsy zavatra mandeha ho azy ny mahay mifaly amin’ny soa vitan’ny hafa, indrindra moa raha tsy nanaraka loatra ny drafitra nahazatra no nanatanterahany azy.

Telo ny fanambarana ataon’i Jesoa amin’ny Farisianina: 1- Izy fahazavan’izao tontolo izao; 2- “Izy sy ny Ray dia iray ihany” (talata); 3- Izy sy i Abrahama (alarobia). “Izaho no Izy na Ilay misy” (ἐγώ εἰμι – egô eimi, YHWH) fahazavana. Ny fifandraisany amin’ny Ray no lazain’i Jesoa fa manamarina ny fanambarany. Izy no ilay fahazavana tsy mety lefy omena izao tontolo izao, lazain’ny Boky Fahendrena (Fah 18,3-4). Izy no fahazavana mitarika ny diantsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Izy no manazava ny tontolo misy antsika ka hahafahantsika mibanjina ny zavaboary rehetra araka ny tena toetrany, dia hahita tahaka an’Andriamanitra ka hilaza koa fa “tsara indrindra” izy ireny (Jen 1).

Manoloana ny fiampangana mitanila, mitondra vehivavy azo nijangajanga (tsy niaraka tamin’izay tratra niaraka taminy) dia tsotra ny valintenin’i Jesoa. Mametraka antsika eo anatrehan’Andriamanitra, ka hamindra fo tahaka ny namindrana fo tamintsika: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany (Alahady V taona D).

Ny maha marina ny fitsarany dia satria ampifanarahany amin’ny sitrapon’Izy Ray naniraka Azy ny fiainany. Voalaza eto fa tsy mitsara olona na iza na iza izy. Ao amin’ny toko 5,22 anefa dia voalaza fa ny Ray dia tsy mitsara ny olona fa ny zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra. Raha tsy azo ny hevitr’izany dia toa mifanohitra. Tsy hitsara mba hanameloka manko Izy fa hitsara mba hanavotra, hitady ny fomba hanavotana ny olona rehetra (Jo 3,17; 12,47).

Ao amin’ny tantaran’i Sozana dia azontsika heverina ho tandindon’ny Batemy koa ny rano (handroana) sy ny menaka (hahosotra), ka ny fitafiantsika an’i Kristy sy ny fitokisantsika amin’ny heriny no hahafahantsika manohitra izay mety ho fakam-panahy afitsoky ny anti-dahy izay mahavita manendrikendrika mba hanamelohana ho faty rehefa tsy mahazo izay ilainy.

Ny Mpianatr’i Kristy rehetra dia antsoiny ho tonga fahazavan’izao tontolo izao, ka tsy hifidy ny moramora hialokalofana fa hijoro ho vavolombelon’ny marina. Antsoin’Izy Tompo isika mba ho mpiaro ny tsy manan-tsiny, toa an’i Daniely, hahasahy hiantsoantso ao anaty vahoaka ka ho tonga fahazavana, harani-tsaina satria nandray ny hazavana avy amin’ny Teny, avy amin’ilay Teny tonga nofo, fahazavan’izao tontolo izao. “Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho satria mitandrina ny didinao. Hazoniko lavitra ny lalan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao” (Sal 119,100-101). Hankaherezin’ny tso-drano avy amin’ny Sakramenta anie isika ka ho tonga tara-pahazavana hahazoan’ny olona hafaliana sy fiadanana, indrindra manoloana ny délestage sy ny coronavirus mpahazo matetika ny tontolo ara-panahy iainantsika.  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata V Karemy
PREVIOUS
ALAHADY FAHA V KAREMY – TAONA B
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.