Trinitera Malagasy
Sabotsy III Karemy

Sabotsy III Karemy

Njara Pascal
  • Ôsea 6,1-6/
  • Salamo 50/
  • Md Lioka 18,9-14

“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny sainao manontolo”, hoy i Jesoa (Evanjely omaly Mk 12,28b-34). I Osea Mpaminany dia efa niantsoantso izany koa: “Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala ny Tompo, fa ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana”.

Tsara ny mahatsiaro fa ny olona tsirairay dia miezaka ny hanahaka mandrakariva ny “andriamanitra” tompoiny. Izay heverintsika ho “andriamanitra”, ho “harena” faratampony, ho olo-malaza, ho kintana (star) no hironan’ny fontsika. Ny fahalalàna an’Andriamanitra marina araka izany dia manova koa ny fomba fiainantsika. Raha Andriamanitra mpamindra fo no tompointsika dia Famindram-po no hiezahantsika hiainana; raha Andriamanitra Masina no tompointsika dia fahamasinana no iezahantsika; kanefa raha fitiavam-bavaka tahaka ny rahona maraina kosa no fomba hanompoantsika an’Andriamanitra, levona vetivety, hoy i Osea Mpaminany, dia mazava loatra fa tsy haharitra koa ny fiezahantsika ho masina tahaka Azy.

Raha heverintsika ary fa ny andriamanitsika dia andriamanitra mpanome valisoa izay mendrika ary mpanasazy izay nahavanon-doza, mazava loatra fa izay mety ho fahamarinantsika (tsy mangalatra, tsy mijangajanga, mifady hanina, mahavita adidy…) dia ampy hireharehantsika satria andriamanitra no hamaly soa antsika na farafaharatsiny hahay hanome antsika ny toerana tsaratsara kokoa hono ny hafa. Ary tsy vitan’izany ihany fa izay tsy mahavita toy ny ataontsika dia heverintsika ho olona tsy misy ilàna azy (rakà), efa very any amin’ny afobe, “tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin’Andriamanitra” (Sal 3,3). Dia ahoana àry ny andraisantsika ny filazan’i Md Paoly hoe “tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika no namonjeny antsika, fa noho ny famindram-pony, tamin’ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina” (Tt 3,5)?

Tsy ny Farisianina (Φαρισαῖος – פָּרַשׁ pārash: manavaka, manasaraka) ihany no nanasaraka sy nihevi-tena ho ambony noho ny hafa, fa na ankehitriny izao aza, dia be dia be ny olona voahilikilika satria tsy tsara fitondran-tena, satria tsy mahavita adidy, satria tsy milamina ara-tokan-trano (mpijangajanga), ary ao kosa ireo mihevi-tena ho “nanokana ny fiainany manontolo” hanompoana an’Andriamanitra sy ny Fiangonana, ka afaka manao izay tiany hatao satria “manan-jo” ho tompon’andraikitra. Tsy midika izany hoe azo omena andraikitra daholo ny olona rehetra ka hieritreritra tahaka ny mpanao politika italianina iray izay hoe atao “antsapaka” ny fifidianana ka izay voatsapaka no asaina hitondra. Eo amin’ny fandraisana andraikitra no tena hisehoan’ny avonavona sy ny fifanambaniana (sy fifanaratsiana) matetika ary ny Evanjely anio dia mananatra manokana an’ireo matoky tena ho marina ka manebaka ny namany.

Inona anefa no azontsika hireharehana eo anatrehan’Andriamanitra? “Fa ao anatiny ho ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary hiainantsika” (Asa 17,28). Toy ilay aviavy nambolena eo an-tanim-boaloboka ihany isika, tsy mikarakara tena fa ny tany sy ny mpamboly no manome ny tsiro hamokarana sy hitondrana voa, na dia tany tsy natao ho an’ny tena aza no haniriana.

“Sambatra ny mahantra fa azy ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 5,3). Izay mihevitra ny tenany ho mpanan-karena dia tsy hiraharaha izay zavatra omena maimaim-poana. Hitovizana amin’ny mahantra manko izany. Ny miavaka no tiany. Tsy afaka ny handray intsony ny fahasoavan’Andriamanitra izay efa feno ny fiavonavonana, ka manadino fa izay rehetra ananantsika dia fanomezany avokoa (1Kôr 4,9). Raha hidera an’Andriamanitra sy hisaotra azy tokoa moa no hatao any an-danitra, inona no hataon’ity Farisianina ity any? Hidoka ny tenany? Tsy mamporisika ny olona hilomano ao anatin’ny fahotana sanatria i Jesoa. Mazava ny teniny tamin’ny Evanjeliny (Lk 13,1-9): “raha tsy mibebaka ianareo dia ho very avokoa”. Ambarany kosa anefa fa ny fahamarinana dia tsy vokatry ny ezaka ataon’ny olombelona fa fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra.

Izay miezaka hahafantatra an’Andriamanitra àry, araka ny fampianaran’i Osea, dia hahafantatra fa tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eks 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo izy (רַחוּם raḥoum) fa tsy afaka ny ho faly raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra ka mitady ny fomba rehetra hahatanterahan’izany (חַנּוּן – ḥannoun), ary isika olombelona no iriny hiombona anjara amin’ny fanatanterahana izany, mba hiombonantsika hafaliana aminy koa. Izay zanany rehetra ary, izany hoe izay te handova ny Fanjakany, (satria ny zanaka ihany no mananjo handova) dia tsy afaka ny ho faly manoloana ny fahorian’ny hafa, na fahoriana ara-panahy io na fahoriana ara-batana, tsy afaka ny hanavakavaka tahaka ny Farisianina (Φαρισαῖος – pharisaios; פָּרַשׁ pārash: manavaka, manasaraka) fa tsindrìn-daona kosa, hitazantazana, manantena ka miandry ny hiverenan’izay nisintaka tsy te hivelona ao an-tranon-dRay (Evanjely Alahady IV Laetare D).

Ny fahasoavan’Andriamanitra no hahazoantsika mankalaza ny Paka isan-taona (vavaka Fanolorana) ary ny firaiketam-pontsika amin’ny sakramentan’ny Paka kosa no hahazoantsika voka-tsoa feno (Fangatahana). Tsy hanadino ny soa nataon’Andriamanitra amintsika anie isika ka tsy ho sasatra ny hisaotra azy (tononkira fidirana Salamo 102).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA IV KAREMY – TAONA B
PREVIOUS
Zomà III Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.