Trinitera Malagasy
Zomà III Karemy

Zomà III Karemy

Njara Pascal
  • Ôsea 14,2-10/
  • Salamo 80/
  • Md Marka 12,28b-34

Mialoha ny hitrangan’ny toe-javatra ambaran’ny Evanjely anio dia efa telo andro izao i Jesoa no tao Jerosalema. Fa ny fiakarany ka nandroahany ny mpivarotra tao an-tempoly (Mk 11,15-18) no fihetsika nandrava tanteraka ny fifandraisany tamin’ireo mpitondra fivavahana izay efa nitady ny fomba rehetra hamonoana Azy. Tsy nahomby anefa ny fandrika satria hain’i Jesoa mandrakariva ny namaly am-pahendrena ny fanontaniana napetrak’izy ireo.

Anisan’ireo izay nihaino sy talanjona tamin’ny valintenin’i Jesoa ity Mpanora-dalana iray nametra-panontaniana ity, saingy tsy dia ny hamandrika an’i Jesoa loatra no tiany ho fantatra fa ny fahendreny sy ny fahalalany: Inona ny voalohany amin’ny didy rehetra? hoy izy.

Ho an’ny mpandinika ny lalàna Jody dia misy 613 ny didy ka ny 365 (mitovy amin’ny isan’ny andro amin’ny taona iray na ny lalan-drà amin’ny tenan’ny olona koa hoe araka ny sasany) dia fandraràna (aza manao izao…), ny 248 kosa (lazain’ny hafa fa mitovy amin’ny isan’ny singa mandrafitra ny vatan’ny olombelona) dia milaza ny zavatra tokony hatao [vakio Gershom Scholem, La Kabbalah e il suo simbolismo]. Mazava loatra araka izany fa voatery nofintinina izany didy izany ka rariny ny mijery izay laharam-pahamehana mba hanampiana ny olona hiaina azy. Na ny hitadidy didy 613 ihany aza manko hanahirana. Eo amin’izay fijerena ny ambaratonga izay anefa no nampiady sy nampisavoritaka ny Mpanora-dalàna, satria samy nanana ny noheveriny ho laharam-pahamehana.

Ho an’i Jesoa, ny fitiavana an’Andriamanitra tokana amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy manontolo sy amin’ny saina manontolo ary amin’ny hery manontolo no voalohany. Raha oharina amin’ny lazain’ny Deoterônômy (Dt 6,4), dia nampian’i Jesoa ny “saina” mba hitiavana an’Andriamanitra manontolo. Raha tiantsika ny ho lavorary sy tsy ho voaozongozona amin’ny finoana dia tsy maintsy mandalina sy mamakafaka, ka ny faharesena lahatra vokatr’izany fisainana sy fandalinana izany no hirosoana. Tsy midika anefa izany fa tsy hisy intsony ny fisalasalana, na hoe ho takatry ny lohantsika avokoa ny Misterin’ny finoana. Ny fampiasana ny saina dia mba tsy ho an-tery fa amin’ny fo te ho tia tahaka Ilay tia no hitandremana ny Didy.

Mety misy hilaza koa hoe “ataoko inona izany, sady aiza no handalinako izany! Raha izany ny finoana maha kristianina aleoko mankany amin’ny sekta”. Ny fandalinana dia manampy amin’ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra, tsy handaniana andro amin’ny “avonavon’ny be saina” anafenan’Andriamanitra ny misterin’ny fanjakany tsy akory, fa amin’ny fahaizana mibanjina sy mankafy amin’ny fo tony sy tsotra ny fiainana sy ny lalana mitondra mankany amin’ny hafenoany.

Tsy finoana fa finoanoam-poana ny fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady ka tsy hampiasana ny saina hahalalana bebe kokoa an’Andriamanitra sy ny tontolony. Tsy afaka ny tsy hanokana fotoana handalinana ny Baiboly sy ny finoana izay te hiroso amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy. Izany fitiavana an’Andriamanitra amin’ny saina manontolo izany no hahafahana misafidy marina tokoa ka hitiavana ihany koa ny namana tahaka ny tena (Lev 19,18). Atao ahoana no hitia raha ny fitiavana aza tsy hay akory hoe inona!

Ahoana anefa ny hiainana izany didy roa izany? Ho an’i Matio dia ny didy faharoa mitovy amin’ny voalohany (Mt 22,39), ho an’i Joany (Jo 15,17) dia Didy iray ihany no omen’i Jesoa: ny hifankatiavan’ny mpianatra; ho an’i Md Paoly dia ny fitiavana ny rahalahy no fahatanterahan’ny lalàna (Rm 13,8-9), ny fitiavana ny hafa tahaka ny tena no fahatanterahan’ny lalàna rehetra (Ga 5,14). Dia atao ahoana izany ny fitiavana an’Andriamanitra? Rehefa manao soa amin’ny hafa aho izany dia afaka tsy mivavaka alahady indray, hoy ny sasany?

Mazava loatra fa izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy afaka ny hilaza fa tia an’Andriamanitra (1Jo 4,20). Fa misy olona mitia ny hafa ve kanefa tsy ho tia an’Andriamanitra? Ny risika mety hitranga dia tsy fitiavana fa fitiavan-tena no manentana ny olona hanampy ny hafa: mba hisehosehoana sy hitadiavana voninahitra, na sanatria an’izany aza, hanambaniana ny hafa (hisehoana ho manana sy tsara fanahy noho izy ireo, fanambaniana ihany izany). Izay mahatsapa ny voalazan’i Osea amin’ny vakiteny voalohany anefa dia miaiky fa tsy ny herintsika na ny tanjaky ny soavaly na izay heverintsika ho fahaizantsika no hahazoantsika famonjena. Na ny famonjena ny tenantsika aza dia fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ka tokony hisaorana azy.

Izay manan-tsaina, hoy Osea Mpaminany, dia miaiky fa Andriamanitra no hiavian’ny voa. Raha manao soa aho izany, tsy amin’ny anaran’ny tenako, fa fizarako maimaim-poana izany fanomezana avy amin’Andriamanitra noraisiko. Raha mino aho fa avy Aminy ny zavatra rehetra dia tsy maintsy hanokana fotoana araka izay tratrako mba hanovozako ny fahasoavana ao Aminy (Vavaka, Litorjia, sakramenta, Fandalinana…) sy hisaorako Azy.

Mazava koa ny valintenin’ilay Mpanora-dalàna nanontany an’i Jesoa ka nolazainy fa tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra: ambony lavitra noho ny sorona dorana sy fanatitra hafa rehetra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Araka izany, raha misy olona mila vonjy maika, izy no hovonjena sa ny lamesa? Izany no mahatonga ny Eglizy ohatra, mandritra ny fihanaky ny valan’aretina iray (Covid-19 ohatra), manapa-kevitra tsy hankalaza miaraka akory na dia ny lamesa alahady aza, satria ambony noho ny Sorona (Lamesa) ny fitsinjovana ny ain’ny olona.

Tsy fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra ny famelana ny vavaka mba hamonjena ny mahantra, hoy i Md Vincent de Paul, satria mandao an’Andriamanitra, ho amin’Andriamanitra ihany izany. Ny atahorana dia ny handaozantsika an’Andriamanitra sy ny fanompoana Azy mba handaniana fotoana miaraka amin’ny mpanankarena sy ny namana tsy mila vonjy, mba hanompoana andriamanitra hafa.

Ampian’i Osea mpaminany isika mba tsy hiantehitra amin’ny mpitondra, na amin’ny tanjaky ny soavaly, fa hanala ny heloka rehetra sy handray izay tsara: miverena amin’ny Tompo (shubh). Ny fahamarinan’ny fibebahana dia voaporofo amin’ny fandavana ny asan’i Satana ka hitiavana marina tokoa tahaka ny hitiavan’Andriamanitra antsika.

Ny fanovozantsika hery avy amin’ny Eokaristia anie hanavao ny fo amam-panahintsika ka hitia marina tokoa amin’ny fo tsy voazarazara.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy III Karemy
PREVIOUS
Alakamisy III Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.