Trinitera Malagasy
Alarobia III Karemy

Alarobia III Karemy

Njara Pascal
  • Deoterônômy 4,1-9/
  • Salamo 147/
  • Md Matio 5,17-19

“Ankehitriny ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen’ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo”. Ny vakiteny voalohany dia mampahatsiaro antsika zavatra maro tokony hiainantsika noho ny batemy izay noraisintsika. Nomen’Andriamanitra ny Lalàna, ny torolalana hampizotra ny fiainantsika ho any amin’ny fahasambarana isika. Ambaran’ny vakiteny koa anefa fa io “torolalana” io ihany no hahafahantsika mitahiry izany fahasambarana izany. Ny fanadinoana azy dia midika ho fiverenana amin’ny fanandevozana. Io lalàna io no mampianatra antsika ny fahendrena ka hahatsapantsika fa “monina eo anivontsika Andriamanitra”. Ny fomba fitehirizana azy tsara indrindra dia ny fitantarana (fampianarana) izany amin’ny zanaka aman-jafy.

Ny Eglizy, sakramenta manambara amin’izao tontolo izao ny Famonjen’Andriamanitra (Ad Gentes 5), dia tsy manana adidy afa-tsy ny fitoriana ny Evanjely (AG 1), hitory amin’ny olona tsirairay fa tian’Andriamanitra izy. Tsy manana faniriana afa-tsy ny hahasambatra antsika tsirairay avy ny Eglizy, ka hampivondrona antsika ho vahoaka tokana mankalaza an’Andriamanitra (Lumen Gentium LG 17). Ny fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany ao amin’i Kristy no famantarana hita maso manambara amintsika izany fitiavan’Andriamanitra izany.

Henontsika tamin’ny vakiteny voalohany tokoa manko fa tsy misy vahoaka hendry sy manan-tsaina, ary manana didy amam-pitsipika marina tahaka an’i Israely, satria Andriamanitra marina sy tsy mivadika amin’ny fitiavany no nanome izany. Ary ambaran’i Jesoa fa ny fanatanterahana izany Didy izany sy ny fampianarana azy no maha lehibe ny olona iray any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afaka ny tsy haniry ho lehibe ny olona, saingy tokony haniry ny fahalehibeazana araka an’Andriamanitra fa tsy araka ny olombelona. Ny fahaizana manoro ny lalana mankany amin’ny fahasambarana amin’ny fomba fiainana (fiainana ny didy) no maha lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary amin’ny maha lalana azy, dia sarotra kokoa ny mitadidy ny sakeli-dalana madinidinika, noho ny mitadidy ny arabe migodàna.

Moramora kokoa ny mamita-tena mitady ny fahalehibeazana araka ny olombelona. Izany no namerenan’i Jesoa amin’ny mpianany ny “Teny (Didy) Folo” amin’ny fomba hafa, amin’ny fampianarany teo an-tendrombohitra mikasika ny fahasambarana. Izy no ilay Môizy vaovao, miantso antsika hanaraka ny lalàny, izay tsy misolo fa manatanteraka ny lalànan’Andriamanitra hatrizay ihany. Torāh, torolalana mitondra amin’ny fahasambarana. Raha toa ka tsy mahatsiaro ho sambatra izany isika, dia ireo no torolalana hahafahana mandinika ny antony sy ny fomba hitsaboana izay mety ho anton’ny tsy fahasambarana.

Tonga hanatanteraka (πληρόω – plèroô) ny Lalàna i Jesoa, tonga haneho amintsika ny tena heviny, hanambara amintsika fa fahasambarana no vokatry ny fanatanterahana azy. Nambarany fa ny lalànan’ny fitiavana no mamintina ny lalàna rehetra ka hahafahana miditra amin’ny fahasambarana sy mitahiry azy. Tsy didy natao hangejana ny Didin’Andriamanitra fa didy natao hanafaka (“hahavelona”) sy hitahirizana ny fahasambarana vokatr’izany fahafahana izany (“hahazo ny tany nampanantenaina ka honina ao”). Tsy misy lalàna araka an’Andriamanitra ka tsy hikatsaka ny soa ho an’ny olona.

Ambaran’i Jesoa fa fahasambarana ny fahantrana, ny hanoanana, ny fanenjehana sy izao fahasahiranana rehetra izao, raha ny fitiavana no mahatonga antsika hiaritra izany. Mifanohitra amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao izany, saingy ho an’izay te ho mpianany dia izany Lalan’ny Hasambarana izany no tarigetram-piainana mahasambatra, ny manao soa ho azy no hafaliana lavorary.

Hanafaka antsika amin’ny hadisoan-kevitra rehetra anie ny Kômonio Masina ka hahamendrika antsika hahazo ny zava-tsoa nampanantenain’i Jesoa an’izay mandray ny Teniny ka mitandrina azy: ny Fiainana mandrakizay.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy III Karemy
PREVIOUS
Talata III Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.