Trinitera Malagasy
Alatsinainy III Karemy

Alatsinainy III Karemy

Njara Pascal
  • Vakiteny I : 2 Mpanjaka 5,1-15a,
  • Tononkira : Salamo 42,2-3; 43,3-4
  • Evanjely : Lioka 4,24-30

Amin’ity herinandro ity dia mandalina ny fifandraisantsika amin’ny misterin’ny Fanomezan’Andriamanitra isika. Sahala amin’ilay Samaritanina koa, rehefa mahatsapa fa tiana, mahatsapa fa fitiavana no mahatonga Azy Tompo mampiseho amintsika ny marina izay mety niafenana hatrizay, mahatonga hiaritra ny hafanan’ny mitatao vovonana mba handehanana mantsaka rano, dia vonona isika hamela ny siny fanovozan-drano eo, hamela izay mety ho nireharehana koa aza, ary hiseho vahoaka hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavana.

Sahala amin’izany i Naamana izay nositranin’i Elisea. Tsy zavatra sarotra, hoy ilay mpanompo no angatahin’Andriamanitra mba hanehoany ny voninahiny. Isika kosa alaim-panahy mandrakariva hampitaha ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fahafaha-manao ananantsika. Ny fanekena fa “maimaim-poana” (gratis, gratia) ny fitiavany no hahalalantsika ny tena endriny ka hanavahantsika Azy amin’ny sampy hajaina sy omen’ny tsy mpino voninahitra: “Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra afa-tsy eto amin’i Israely ihany!”, hoy Naamàna (Vak I).

Izay tsy mahalala an’Andriamanitra na mihevitra fa miankina amin’ny tenany sy ny fahefany avokoa ny zavatra rehetra, tahaka ny Mpanjakan’i Israely, dia mihevitra ho fihantsiana ady ny vavaka sy ny fitokisana fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao. Tsy mila na dia ny vavaka sy ny fametrahan-tanan’ny mpaminany akory anefa ny fanasitranan’i Naamana. Tsy hoe tsy ilaina ny Mpaminany sanatria, na hoe hisy hilaza hoe atao inona izany ny sakramenta sy ny vavaka fametrahan-tanana. Ilaina tokoa ireny saingy ny lalana mitondra mankamin’ny fahasitranana dia izay lazain’ny iraka amintsika ka mila arahina sy ankatoavina. Raha tsy mifanaraka amin’ny sakramenta ankalazaina ny toe-piainantsika dia tsy hahasambatra antsika akory ny fahasoavana omen’Andriamanitra.

Ny Salamo 42 dia manambara ny vavaky ny Mpino tsy afaka ny hiaina intsony raha tsy eo anatrehan’Andriamanitra: 2Toy ny anirian’ny serfa ny loharano no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô! 3Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona: rahoviana aho no handeha ka hiseho tsy an-kijanona eo anatrehan’ny tavan’Andriamanitra?  Izay mankatò ny tenin’ny Mpaminany no afaka hibanjina ny tena endrik’ilay Andriamanitra hany marina ka hijoro eo anatrehany.

Tsy vitsy amintsika anefa ny minainaina fa mandao azy Andriamanitra, indrindra rehefa tojo ny sarotra sy ny olana tsy ahitana vahany. Sarotra araka izany ny mametraka eo am-pelatanany ny fanahy, tahaka ny nataon’i Kristy teo ambony hazofijaliana (Salamo 22). Amin’ny sehatry ny fitiavana dia ao anatin’ny fijaliana indrindra no hiantsoana antsika hanaporofo marimarina tokoa fa lalim-paka sy mandrakizay ny fitiavantsika, fa tsy fitiavana mifono fitiavan-tena ihany .Rehefa ny tenantsika ihany no fantatsika, dia tahaka ny nataon’ny mpiray tanàna amin’i Jesoa koa no ataontsika. Rehefa tsy mifanaraka amin’ny fombafomba sy ny tombontsoan’ny tena ny zava-mitranga dia feno hatezerana ka hilaza hoe : “nahoana no tsy mba atao aminay ny fahagagana nataonao tany Kafarnaôma!” Mazava ny valin-tenin’i Jesoa fa tahaka an’i Elia sy Elizea Izy, hanasoa ny olon-drehetra fa tsy i Israely irery ihany.

Hanadio ny fontsika anie ny Fanahy Masina ka hahafahantsika mibanjina ny endrik’Andriamanitra manao soa amin’izay tiany, mba hanehoany ny voninahiny.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata III Karemy
PREVIOUS
ALAHADY FAHA III KAREMY – Taona B
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.