Trinitera Malagasy
Sabotsy II Karemy

Sabotsy II Karemy

Njara Pascal
  • Mikea 7,14-20
  • Salamo 102
  • Md Lioka 15,1-3.11-32

Rahefa hifanehatra amin’Andriamanitra ireo nahavanon-doza taminy, inona no hataony? Ny vakiteny anio no mamaly izany fanontaniana izany. Ambaran’i Mikea Mpaminany fa Andriamanitra mpamela heloka ny Andriamanitr’i Israely. Mamarana ny Bokiny (Mi 7,14-20) amin’ny vavaka fangatahana amin’i YHWH i Mikea Mpaminany, mba hampiseho amin’i Jakôba ny fahamarinany, ary hampiseho amin’i Abrahama ny famindram-pony, amin’ny fanariana any anaty ranomasina ny fahotana. Izy irery ihany no Andriamanitra manesotra ny fahotana sy mamela fahadisoana, hoy ny Mpaminany.

Araka izany dia tsy ny mpanota no arian’Andriamanitra fa ny fahotana. Ny loza, hoy i Md Augustin dia ny ampifangaroantsika ny mpanota sy ny fahotana, ka noho ny fankahalana ny ota dia mety ho azom-pakam-panahy koa hankahala ny mpanota, na noho ny fitiavana ny mpanota dia mety hivarilavo miaraka aminy ao anatin’ny fahotana, sanatria: ny mpanota avotana (tiavina) fa ny fahotana kosa ankahalaina (iadiana).

“Tsy araka ny otantsika no ataony antsika na araka ny helotsika no avaliny antsika”, hoy ny Salamo 102. Dia ahoana izany ny afobe? Tsisy voasazy intsony izany fa voavonjy daholo?

Miverimberina matetika izany fanontaniana izany. Tsy Andriamanitra no nandavaka hantsana hampisaraka an’ilay mpanankarena sy i Lazara tany am-paradisa fa ny fomba fiainany isan’andro (Evanjely Akalamisy II), nihevitra ho ambony ka ny fanasana sy ny fihinanam-be, ny akanjo lafo vidy sy ny rendrarendra no nimasoany. Tsy Andriamanitra no hanasazy ireo nanankinana ny foto-boalobony, fa ny nenina rehefa hahita ny hafa mampamokatra ny fanjakan’Andriamanitra. Fanomanana ny fiainana mandrakizay ity fiainana ity, tsy fiandrasana anefa fa efa fisantarana ka ny akofa paohin-drivotra dia tsy maintsy harìna, ny vokatra kosa angonina any an-tsompitra. Anjaran’ny tsirairay araka izany ny mampisy lanjany ny fiainany eo anatrehan’Andriamanitra mba tsy hanenenany mandrakizay, rehefa ho avy ny andron’ny ampamoaka. (Dia antsoy amin’izay tianareo hiantsoana azy izany nenina mandrakizay izany).

Ny Evanjely kosa, izay Evanjelin’ny Alahady faha efatra amin’ny Taona D, dia mitantara ilay zaza mpandany, na ny marimarina kokoa, ilay “Ray mpamindra fo”. Lazain’i Md Lioka fa nangataka ny anjara lovany ilay zandriny. Araka ny Boky Levitika (Lev 25,23) dia tsy amidy ny tany, fa ny fananana kosa dia an’ny lahimatoa ny 2/3 (Dt 21, 17), ary tsy afaka mandray ny lova ny zanaka raha tsy maty ny ray aman-dreny. Nolazain’i Lioka araka izany àry fa tsy fitakiana ny anjarany fotsiny ny fitakiana ny lova eto fa faniriana te hiaina malalaka, tsy helingelenin’ny ray aman-dreny efa heverina ho “maty”, manao an’Andriamanitra ho tsy misy izany. Ny ampahatelon’ny lova izany no nalainy ary dia nolaniany tamin’ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga araka ny voalazan’ilay zokiny. Rehefa voatery hiandry kisoa izy, izay zavatra tsy azony atao akory araka ny Boky Levitika (Lev 11,7) dia nahatsiaro fa ny mpiasan’ny Rainy aza mbola miadana noho izy: voky hanina.

Fantany fa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehan’ny Rainy izy, tsy manana zo hitaky na inona na inona intsony. Fantany koa ny fitiavan’ny rainy saingy tsy te hanararaotra izany izy. Raha araka ny lalàna dia afaka nandroaka azy ny rainy, afaka hanameloka azy mihitsy aza satria nanosihosy ny zon’ny fianakaviana. Tsy naniry afa-tsy ny ho mpiasa anefa ilay zaza mpandany. Ilay rainy kosa, nahatazana azy vao lavitra, izany hoe tsy sasatra ny niandry ny hiverenany, ka onena (σπλαγχνίζομαι – splanchnizomai, raḥan amin’ny teny hebrio), nididododo nitsena azy (nihazakazaka: ny lehilahy lehibe tsy mihazakazaka fa mandeha miadana, mahamenatr’olona ny mihazakazaka), ary namihina ny vozony (nianjera teo amin’ny vozony, izy no niantehitra tamin’ilay zanany satriny hijoro ho andry iankinany) ary nanoroka azy tsy ankijanona (καταφιλέω – kataphileô). Nasain’ny rainy nomena ny akanjo tsara indrindra izy sady nasiana peratra ny rantsan-tanany, izany hoe naveriny taminy ny hasina maha zanaka azy, nasiana kiraro ny tongony: tsy andevo na mpanompo izy fa zanaka, olona afaka. Novonoina ny omby nafahy, izany hoe tsy fety mahazatra fa fety lehibe.

Ilay zokiny kosa, satria mihevitra fa tambin’ny asa sy ny fahendrena ny fitiavana, dia tsy te-hahalala intsony ny momba ilay zandriny: ho azy dia tsy rahalahiny intsony ilay zandriny. “Io zanakao io”, hoy izy tamin-drainy. Saingy ho an’ilay Ray be famindram-po, fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany, na inona na inona hadisoany, satria lazainy fa ny fibebahana dia fahavelomana indray, fitsanganan-ko velona.

Hafaliana ho an’ny Fiangonana sy ny zanak’Andriamanitra ve ny fiverenan’ny zanany? Samy mandini-tena amin’izany isika satria voaantso mba hanahaka ny hatsaram-pon’ny Ray. Tiako koa anefa ny manamarika etoana, sao sanatria misy olona entanin’ny faniriana tsy hanorina fa handrava, hitsikera sy hanome tsiny fa tsy hitia sy hitady ny fomba handresena ny ratsy, ka sanatria hanome tsiny ny Fiangonana na ny Fikambanana amin’ny fangatahan’ny zanany sasany hiverina, tsy ho mpiasa fa mbola handany ny harena sisa tavela ka mbola tsy azony tamin’ny fisintahany voalohany. Taratry ny fibebahana marina ny fanetren-tena, ka izay te ho mpanompo no miditra amin’ny fiainam-baovao. Hahay hibanjina izany endrik’Andriamanitra fitiavana izany anie isika ary hahay hiala amin’ny fanaranam-po mahazatra (vavaka fanolorana) ka hitombo fitiavana sy faniriana ny zava-tsoa mahatitra mandrakizay.

Ho zary hafaliana mandrakariva ho antsika anie ny fibebahana sy ny fiverenan’ny zanany hody ao an-tranon’ny Rainy.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA III KAREMY – Taona B
PREVIOUS
Zoma II Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.