Trinitera Malagasy
22 febroary : Fiketrahan’i Md Piera

22 febroary : Fiketrahan’i Md Piera

Njara Pascal
  • 1 Piera 5, 1-4
  • Salamo 22
  • Md Matio 16, 13-19

Tany Sezarea an’i Filipo, zanak’i Eroda, eo amin’ny toerana ipoiran’ny iray amin’ireo loharano mitambatra ho Ony Jordany, noheverin’ny olona tamin’izany fa fonenan’ny andriamanitra Pan sy Nymphe, izay ninoan’ny olona fa nameno zava-tsoa an’izay niankohoka nitsaoka azy, indrindra amin’ny fanondrahana ny tanin’izy ireo mba hampahavokatra azy, teo no nanontanian’i Jesoa an’ireo mpianany, ary hanontaniany antsika rehetra koa hoe: Ataon’ny olona ho iza aho? Ary Ianareo kosa, manao ahy ho iza?

Raha manome harena sy vokatra miavosa ho an’ireo manompo azy Pan sy Nymphe, inona kosa no mba antenain’ireo mpianany avy amin’i Jesoa? Inona no mba lazain’ny olona momba Azy? Joany Batista, Elia, Jeremia na iray amin’ireo Mpaminany taloha? Ny fampidiran’i Matio an’i Jeremia eto amin’ny fitanisana dia efa entiny hilazana sahady ny hanjo ilay “Mpaminany vaovao”, ilay “Joany Batista nitsangan-ko velona” araka ny hevitr’i Herôda (Mt 14, 2), satria amin’ny Mpaminany rehetra dia i Jeremia no nijaly indrindra tamin’ny fifanoherana sy noho ny nafitsok’ireo Lohandohan’ny Mpisorona sy ny mpanora-dalàna tao Jerosalema.

Efa nanao dingana ihany ny fahalalan’ny olona an’i Jesoa saingy mbola tsy lavorary. Tsy figagana fotsiny toy izany anefa no hahafahana miaina ny maha-mpianatr’i Jesoa. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahalavorariana ny finoantsika raha tsy lavovary ny finoantsika an’i Jesoa. I Piera misolo tena ny Apostoly dia mivoatra ihany koa amin’ny fiekeny ny finoana. Ny Apostoly rehetra no niaiky fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa (Mt 14, 33). Eto i Piera manampy fa Izy no “Kristy”, ilay Voahosotra, mpamonjy voalazan’ny Mpaminany sy andrasan’ny vahoaka, ilay vatolampy ho enti-mizaha toetra sy hamafana ny fifanekena amin’ny fahafatesana (Izaia 28, 14-22), handresy araka izany ny vavahadin’ny afobe. Tian’i Jesoa ho azontsika fa ny Fiekem-pinoana dia manova ny fiainana, misy fiantraikany amin’ny fomba fiainana satria hisafidianana ny Andriamanitra marina.

Na dia any amin’ny fifanatrehan-tava hahalalana Azy araka ny tena toetrany aza vao ho lavorary izay maha-izy antsika amin’ny fanahafana Azy (1 Joany 3,2), dia miainga avy amin’ny finoana fa ao amin’i Jesoa hahafahana mibanjina ny endriky ny Rainy, dia ilay “Andriamanitra velona”, araka ny nolazain’i Md Piera: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Ao aminy no misy ny fahavelomana ka tsy haharesy izay miorina eo amboniny ny vavahadin’ny afobe. Ny hoe afobe moa, (ᾅδης, hades), toeran’ny maty no andikantsika azy ao  amin’ny fiekem-pinoana dia  fandikàna ny shéol ka ny hades, avy amin’ny a-εἰδῶ eido, fiainan-tsy hita, hoy ny dikanteny iombonana. Hiditra ny vavahadiny izay mpomba ny demony, hoy ny Boky Fahendrena, fa ny olona kosa, noharian’Andriamanitra ho amin’ny fahavelomana toa Azy (Fahendrena 2, 23-24).

Izany finoana an’Andriamanitra velona izany dia fanomezan’ny Fanahy fa tsy sanatria hakingan-tsaina ka hireharehana. Fahasambarana izany ho an’izay mahatsapa fa tsy asan’ny nofo aman-drà no nanambara izany. I Kristy no vato, tokana iorenan’ny Eglizy ka tsy sanatria hisy sahy hitady fototra hafa ankoatrany, hoy i Md Paoly amin’ny Korintianina (1Kor 3, 11), Izy no vatofehizoro mampiray ny fototra dia ny Apôstôly sy ny Mpaminany (Efezy 2, 19-21), Izy no vatovelona, narian’ny olona fa nofidian’Andriamanitra (1Piera 2, 4-6).   

Ny anarana iantsoana an’i Piera araka izany[1] dia “Πέτρος, petros”, vato arafitra amin’ny fanorenana; ny finoana an’i Jesoa ho Kristy kosa no “πέτρα, petra” vatolampy iorenan’ny Eglizy. Izay rehetra mino ka miaina araka ny finoana nambaran’i Piera araka izany dia mirafitra ho tempolin’ny Fanahy, araka ny fandaharan’Andriamanitra, ireo no olona malina nandray sy mivelona araka ny Evanjely ka mandrafitra ny tranony eo ambonin’ny vatolampy (Mt 7, 24-25).

Nandray ny Fanalahidy hamatotra sy hamaha koa i Piera sy ny Apostoly (Mt 18, 18). Manome “lakile” moa dia milaza ny fitokisana apetraka amin’izay hitantana ny fananana. Izay tompon’ny lakile no mandidy sy manapaka, “lakile” nalàna tamin’ny Mpanora-dalàna sy ny Farisiana ary nomena ny Eglizy kosa, tahaka ny nanalàna azy tamin’i Sobnà ka nanomezana azy an’i Eliasima. Ampahatsiahivin’i Matio ihany anefa fa “adidy” ny fanarahana izay mipetraka eo amin’ny fiketrahan’i Moizy, tsy amin’ny toetra ratsiny fa amin’ny fampianarany ny Lalàn’Andriamanitra (Mt 23, 2-3).

An’i Jesoa irery ihany, ilay Zanak’ondry voavono ho faty ny fahefana hamoha sy hanidy, hoy i Joany (Apok 3, 7), ka izay te hiditra ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra nosantariny dia tsy maintsy mandalo amin’ny fiekem-pinoan’i Piera sy ny Apostoly. Atao ahoana ny hiditra ao an-trano raha tsy fantatra akory aza hoe aiza ny varavarana!

Tsy mpiandry varavarana, araka ny “blagues” marobe momba azy anefa i Md Piera. Ny hanampy ny olona hiditra ao amin’ny fiainana no ifandrimbonany miaraka amin’izay rehetra te ho mpianatr’i Kristy. Izany no ankalazantsika ny fetiny miaraka amin’i Md Paoly. Andraikitra nankinin’i Jesoa aminy sy amin’izay dimbiny kosa anefa ny “mamatotra” (δέω deo), mandrara amin’izay zavatra tsy mifanaraka amin’ny Evanjely, sy “mamaha” (λύω luo), manome alalana amin’izay azo atao. Tsy tery fa safidy no maha-kristianina ka asan’i Piera ny mamondrona sy mitahiry ny firaisan’ny Mpino, mamahana ny andian’ondry sy mankahery ny rahalahiny ao amin’ny finoana, izy no lohalaharana amin’ny fiainana ny fitiavana.

Mampalahelo fa ny tsy fahavitana ireo andraikitra nankinina tamin’i Piera sy ny mpiara-dia aminy ireo matetika no nahatonga fikomiana sy adilahy teo amin’ny tantara. Io no nahatonga an’i Md Irené nilaza fa ny Evekan’i Roma dia “ilay mpitari-dalana amin’ny lalan’ny fitiavana”, teny naverin’i Papa François tamin’ny andro naha-voafidy azy ho Papa. Ny hampianatra antsika ny Lalàn’i Kristy sy ny Evanjeliny no laharam-pahamehana ho an’ny Apôstôly sy ny Dimbiny mbamin’izay rehetra maniry hiara-miasa amin’izy ireo ka mialoha ny hitenenana fa “tsy d’accord”, tsy mifanaraka amin’izay eritreretinao ny fampianarany na ny fanapahan-keviny, dia amafiso mandrakariva aloha ny faniriana marina tokoa hiaina araka ny Evanjely, sao ny ambom-po sy ny avonavona no hanilihan-tena tsy hiombonana amin’ny Eglizy.

Na i Piera aza, araka ny and. 21-23 amin’ity toko faha-16 ity, dia antsoina mba hanitsy ny fomba fisainany mandrakariva mba hisaina araka an’Andriamanitra. Tsy ilay “Piera” sambatra satria nanambaran’ny Ray ny misterin’ny Fanjakany intsony (Mt 11, 25), fa ilay “satàna” hihevitra ny handahatra ny fizotry ny tantara araka ny ambom-pony. Fanafintohinana ho azy manko ny endrik’Andriamanitra hiakatra any Jerosalema ka hampijalian’ny loholona sy ny Mpanora-dalàna, tahaka ny nahazo an’i Jeremia sy ny Mpaminany (Mt 23, 37), kanefa kosa, izany no lalana mitondra amin’ny havelomana mandrakizay.

 Mazava ny tenin’i Jesoa amin’i Piera sy izay mbola misalasala noho ny fiheverana fa fandresena (araka ny olombelona) mandrakariva no ho an’izay manara-dia an’i Kristy: hanaraka Azy avy ao aoriana (ὕπαγε ὀπίσω μου, nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko) tsy sanatria hanamongo ny Romanina fa “tsy maintsy ho any Jerosalema”, hanolotra ny tenany ho Sorona, hilazana fa tsy ny herisetra (Mt 26, 52) no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fahotan’olombelona fa ny fitiavana.

Mivavaha isika mba hihainan’ny Mpitondra ny vahoakan’Andriamanitra ny fiantsoana niantsoana azy, fa indrindra indrindra koa mivavaha ho an’ny andian’ondrin’Izy Tompo mba hahay hihaino ny feon’ilay Mpiandry tokana, nametraka ny fitokisany amin’ny Eglizy, sitrany ho “Reny sy Mpampianatra”.

Tsy ho adinointsika koa ny mivavaka ho an’ny Papa, izay tsaroantsika miaraka amin’ny Eglizy manontolo, mba hahalavorary antsika rehetra ao amin’ny finoana, ny fanantenana sy ny fitiavana.

[1] Tsy dia fanomezana anarana loatra satria i Marka sy Joany dia efa mampiasa ny hoe Piera, hatramin’ny fiantsoana ny Apostoly.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma I Karemy
PREVIOUS
Alakamisy I Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.