Trinitera Malagasy
Alakamisy manaraka ny lavenona

Alakamisy manaraka ny lavenona

Njara Pascal
  • Deoterônômy 30,15-20
  • Salamo 1
  • Md Lioka 9,22-25

Manomboka ny Karemy isika dia ampian’ny Litorjia mba hanitsy izay toe-tsaina mety tsy mifanaraka amin’ny maha kristianina antsika. Voalohany amin’izany ny fiheverana momba ny voninahitr’Andriamanitra: tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, holavin’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny Mpanora-dalana ary hovonoiny. Ny mpitondra mahefa mihitsy no hioko hanohitra an’i Jesoa. Tsy fandresena fa fahavoazana, faharesena araka ny fijerin’izao tontolo izao no iantsoan’i Jesoa izay te ho mpianany. Mora ny mampiasa fahefana hanakanana ny hafa tsy hanao ratsy, fa nosafidian’Andriamanitra kosa ny hanaja ny fahafahan’ny olombelona, nataony eo anatrehany ny tsodrano sy ny ozona (Vakiteny I) ka nohajainy ny safidin’ireo lehibe natao hiaro ny aina sy ny fahamarinana, na dia ny fahafatesan’ny Zanany aza no tambin’izany, ary izany no nahafahany nanoratra ny tantaram-pitiavana lehibe indrindra: mahafoy ny ainy ho an’izay tiany. Avy amin’izany faharesena (araka ny toe-tsain’olombelona) izany no nananganany an’i Kristy ho velona tamin’ny andro fahatelo.

Ho antsika olombelona, mazàna rehefa mamela ny hafa hisafidy isika dia miandry ny fahavoazany mba handatsàna azy, satria hoe efa nampitandremana. Ho an’Andriamanitra kosa, fitiavana mandrakizay Izy, ka na tsy misafidy ny lalan’ny fiainana aza ny zanany, dia hafaliana ho Azy mandrakariva ny miandry ny hiverenany: hanaovany fety. Izany lalànan’ny Tompo izany no sain’ny olo-marina, hoy ny Salamo, ka hahafahana mamokatra ara-potoana sy hahomby amin’izay rehetra atao.

Izay te hanaraka an’i Jesoa àry dia tsy maintsy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Azy. Tsipihin’i Md Lioka fa ny olona rehetra no ilazan’i Jesoa izany. Tsy an’ny masera sy ny mompera ihany ny fandavan-tena fa an’izay rehetra te hanaraka Azy:

  • Fandavan-tena satria izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy (Lk 17,33), ny ain’Andriamanitra manko mitombo amin’ny fizarazarana azy: tsy afaka ny hanara-dia an’i Jesoa izay mbola manao kajikajy hahazoana tombontsoa ho an’ny tena manokana.
  • fitondrana ny hazofijaliana (σταυρός – stauros): tsy afaka ho tonga mpianatra (Lk 14,27) izay tsy mitondra izany “isan’andro”. Mora ny misehoseho indray na indroa na mandra-paha… tsy izany no angatahin’ny Evanjely fa ny fitozoana isan’andro hitia, tsy hanaiky ho resin’ny fakam-panahin’ny voninahitra sy ny fitiavan-tena mba ho andry (stauros) hiorenan’ny fiaraha-monina vaovao araka an’Andriamanitra. Mazava loatra fa fahafatesana mahafa-baraka no miandry izay te hikitikitika ny “mpifehy ny tontolo” tahaka ny loholona sy mpisorona ary mpanora-dalàna tamin’ny andron’i Jesoa.
  • Voaantso hanaraka ny diany izay te ho mpianany: tsy hanao araka ny tiany, tsy hanoritra lalana hafa afa-tsy izay mitondra amin’ny fahafoizana manontolo ny aina mba hanasoavana ny hafa.

Dia izany ny lalana anasan’ny Fiangonana antsika mba hodiavina. Inona moa no soa azon’ny olona raha very ny tenany ka ho voaheloka izy? Tsy kajikajy hahazoana ny harena sy ny voninahitr’izao tontolo izao tsy akory ny fanarahan-dia an’i Kristy. Tokony handini-tena ihany izay miasa ho an’ny Eglizy, na ny marimarina kokoa, irahin’ny Fiangonana hiasa, sao ny fampitomboana ny haren’ny tany sy ny voninahitra no imasoana sanatria, ka adino fa tsy ny harena ihany fa ny aina manontolo mihitsy aza no asain’i Jesoa holavina ka hanoloran-tena tanteraka ho Azy sy ny Evanjely.

Ny fizorantsika ho any amin’ny Paka anie hampitombo ny faniriantsika hiaina ny Evanjely araka ny irin’i Kristy, handinihantsika ny fijaliany ka hahatsapantsika bebe kokoa hatrany ny fitiavany, tsy hampitombo ny fihatsaram-belatsihy sy ny ranomaso manentsin-keloka fa hampitombo kosa ny finiavana hitia tahaka ny nitiavany antsika. Izany no hanaovana ny Lalan’ny Hazofijaliana isaky ny Zoma.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma manaraka ny lavenona
PREVIOUS
Talata fahenina mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.