Trinitera Malagasy
Alarobia fahatelo mandavan-taona

Alarobia fahatelo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Hebrio 10,11-18/Salamo 109/
  • Ankasa: 2 Samoela 7,4-7/Salamo 88/
  • Md Marka 4,1-20

Ao amin’ny Evanjelin’i Md Marka dia ny moron-dranomasina no ampianaran’i Jesoa ny vahoaka ary ny tendrombohitra kosa hiakarany mba hivavaka sy hisafidy ny Apôstôly. Ny vahoaka manara-morona fa Izy kosa ao anaty sambokely iray ka mampianatra azy ireo zavatra maro tamin’ny fanoharana. Lazain’i Marka fa ny anton’izany dia satria tsy ny olona rehetra no afaka handray ny fampianarany fa  izay manaiky ho mpianany ihany. Ireo izay any ivelany dia tsy afaka ny hahazo izany. Tsy fanoharana fe fanoharana fotsiny manko ny fampianaran’i Jesoa sy ny fitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra fa hazavana hahafahana mandresy ny fanjakan’i Satana sy ny tafiny.

Henoy ary: “Mihainoa ry Israely” (Dt 6,4snm).

Nivoaka ny mpamafy mba hamafy. “Atongilano ny sofinareo ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; […] tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy hiverina any, raha tsy efa nahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra rehetra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany koa ny teniko izay alohaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako. Sy mahatontosa izay namoahako azy” (Iz 55,3.10-11).

Ny mpamafy dia mamafy ny Teny. Dia ahoana àry no misy mahavokatra, misy tsy mahavokatra raha toa ka nolazain’i Izaia fa tsy hiverina any amin’ny mpamafy ny Teny raha tsy mahavita izay nolazainy. Izay manan-tsofina hihainoana aoka izy hihaino.

Tsy ny Teny no tsy mamokatra fa ny tany no mety tsy handray ny teny. Ny sakana voalohany tsy hahafahana mandray ny Teny ka tsy hampamokatra azy dia ny fanaovana hitsin-dalana. Raha ny mahazatra ny olona rehetra (lalana) no heverina ho marina dia tsy afaka ny hiova mihitsy isika. Indraindray manko ny fironana sy ny faharatsiana ataon’ny rehetra dia mahatonga antsika tsy hanaiky ny fanovàna takian’ny Teny, ka hihevitra tahaka an’ireo havan’i Jesoa fa “very saina” izay mahita lalam-baovao tsy mifanaraka amin’ny lalana efa nahazatra hatrizay. Raha tsy misy rivo-piovana sy fihavaozana dia tsisy tsiokan’ny Fanahy, hoy i Papa François.

Ny fomban’ny mpamboly tamin’ny andron’i Jesoa dia afafy aloha ny voa vao asaina, totofana, mandra-piandry ny filatsahan’ny ranonorana. Ny Teny latsaka amin’ny lalana araka izany dia tsy ho voaasa, tsy ho voatototry ny nofon-tany ka mazava loatra zary rembin’ny voro-manidina, ho resin’izay mety ho hevitra manidintsidina rehetra izao.

Ny sakana hafa mety tsy hamokaran’ny Teny dia satria mbola be vato ny tany, tsy fo nofo fa fo vato, sarotra hovàna satria mitady tany malemy hanorenam-pangady ka mivadibadika, manara-driandrano, mandeha amin’izay heverina hahazoana tombontsoa. Ambaran’i Marka mazava anefa fa misy fahoriana sy fanenjehana noho ny Teny. Tsy mifanohitra amin’ny fiadanana izany fa lalana mitondra amin’ny fahasambarana kosa, hijoroana amin’ny maha rahalahy, anabavy ary maha renin’i Kristy, amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.

Tsy afaka hitondra voa ihany koa izay voasodokan’ny haren’ny tany sy ny fanirian’ny nofo ka mivarilavo amin’ny fanaranam-po ny amin’izany.

Iza àry no afaka hihaino ny Teny ka hampahavokatra azy?

Tsara ho tsaraoana, araka ireo sakana telo lazain’i Md Marka ireo ny fakam-panahy telo izay tsy nolazainy kosa rehefa nitantara an’i Jesoa nalaina fanahy izy (Mk 1,12-13//Mt 4,1-11//Lk 4,1-13), fakam-panahy izay noresen’ilay Teny tonga nofo mialoha ny niverenany tany amin’ny Rainy.

Izay misy hanina no mampirohotra ny olona, ka raha toa ve ka ny herin’Andriamanitra afaka manova mofo ny vato, inona indray no handrasana ankoatra izany? Ny fitiavan-tena no lalana mahazatra ny olona saingy mampanalavitra antsika amin’ny tena fitiavana hifampizarana na dia ny valala iray aza izany. Afaka mihaino ny teny sy mampamokatra azy izay mahay mampiasa ny harena nomen’Andriamanitra azy hanasoavana ny namana fa tsy hivarilavo ka hikorosy fahana amin’ny fanaovana ariary zato am-pandriana.

Homeko anao avokoa ireo rehetra ireo raha miankohoka mitsaoka ahy Ianao. Fanirian’ny olona ny hanana ny rariny ka handresy an’ady, tsy hoambanimbanian’ny hafa. Ny fo vato dia ny fiheverana fa manana ny rariny ianao ka afaka manao na miteny izay tiana holazaina raha mba diso ny hafa; ny fiheverana fa mahavita tena ianao ka tsy mataho-tody raha toa ka mba mila vonjy ny hafa; ny fiheverana fa tsy ho diso mihitsy ianao raha mba solafaka ny hafa… Izay mahazo ny hevitr’i Jesoa amin’ny fahatongavana ho tany lonaka mahavokatra (humus=humilité), ka ho tonga hanompo fa tsy hotompoina ihany no ho afaka mampamokatra ny Teny. Mety handray ny Teny ny olona mpiavonavona rehefa mifanaraka amin’ny voninahitra tadiaviny izany, saingy ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ireo endrika hisehoany dia ny madinika sy ny mila famonjena no hitsarana ny fahavokaran’ny Teny.

Tsy misy afaka hanompo Tompo roa dia Andriamanitra sy ny vola.  Ny firaiketana amin’ny haren’ny tany dia manesotra tsikelikely ao am-po ny fitiavan’Andriamanitra ka hahatonga antsika haka fanahy Azy, indrindra rehefa tsy tanteraka ny faniriantsika izay noheverina fa azon’Andriamanitra atao raha tiany. Tsy afaka hamoha na oviana na oviana izay hieritreritra fa zanak’Andriamanitra ka afaka manao izay tiany atao. Izay miaiky fa maty teo ambony hazofijaliana ny Zanak’Andriamanitra dia tsy hatahotra ny ho faty toa Azy koa, satria mino fa ny voa nafafy dia tsy maintsy maty mba hamokarany zato heny.

Ho vonona ho faty (hamono tena hanompo) koa anie isika raha izay no lalana hampamokarana ny fanjakan’Andriamanitra eo anivontsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahatelo mandavan-taona
PREVIOUS
Talata fahatelo mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.