Trinitera Malagasy
ZOMA I FIAVIANA

ZOMA I FIAVIANA

Njara Pascal
  • Izaia 29,17-24
  •  Salamo 26
  • Md Matio 9, 27-31

“Mba asehoy ny herinao, ry Ray, ka tongava. Tahio izahay ho afaka amin’ny loza mananontanona vokatry ny fahotanay, ary rehefa navotanao, dia mba omeo ny famonjena”.

Amin’ny teny italianina, dia miavaka tsara ny asa fanafahana sy ny asa famonjena ataon’ny Ray ao amin’io vavaka io fa tsy tahaka ny hita eto: “Ny fiarovanao no hanafaka anay ary ny fanampianao no hahavoavonjy anay”. Mety hahazoana bebe kokoa io vavaka io ny fanazavana ny bokin-damesa amin’ny teny italiana: ny fiarovanao anie hanafaka anay ary ny fanampianao no hahavonjy anay.  

Mitohy ihany ny fampianaran’i Izaia mikasika ny herin’Andriamanitra izay mampitsimbadika ny fikasan’ny mpiavonavona. Iza tokoa moa no tsy maniry ny hahafongotra ny olon-dratsy sy ny jiolahy eto an-tany, indrindra rehefa ny tena no iharan’ny loza afitsony, lasibatra, saingy rehefa tonga ny fakam-panahy, raha vao misy hirika kely fotsiny, amin’ny fotoana sy ny toe-javatra mety hahazoan’ny tena tombontsoa manokana dia manjavona teo izany faniriana ny fahamarinana izany, ka dia ny tena indray aza sanatria no mivadika ho jiolahy sy tratran’ny fahalòvana…

Ampahatsiahivin’i Izaia antsika anefa fa izay maniry izany fanjakan’ny fahamarinana izany ka mitolona ho amin’ny fampanjakana azy eo amin’ny fiainana ihany no hahita ny famonjena amin’ny andron’ny Tompo. Izay manetry tena hoy izy hitombo hafaliana, satria Izy Tompo no Fanilo sy Vonjy ho azy (Salamo 26). Ny fanirian’ny Mpanao salamo dia ny hahita ny hasoan’ny Tompo ety amin’ny tanin’ny velona. Ahoana tokoa moa no haniriana ny hifanatri-tava Aminy, raha toa ka tsy mba manandrana kely izany hatsaram-pony izany akory dieny ety an-tany?

Mety hisy fahajambana ihany anefa ao anatintsika ao, mety hisy fahasahiranana amin’ny fitadiavana izay lalan-kombana. Mety mba manaraka an’i Jesoa tahaka an’ireo roalahy voalazan’ny Evanjely isika, naheno Azy nanangana ny zanak’ilay Lehiben’ny sinagôga ka niantsoantso mafy mba hamindran’ilay zanak’i Davida fo, saingy manaraka an-jambany ihany. Lazain’ny mpandalina Baiboly moa fa fomban’i Matio ny mampitombo roa ny olona tantaraina, jamba roalahy: hilazana fa ny iray ilay tantaraina, ny iray kosa izaho izay mamaky ny Evanjely ka te hiara-dalana aminy. Ny fahazavana voalohany mitondra amin’ny fahasitranana dia ny fahatsapana fa jamba, ary ny fahatsapana fa misy hazavana any ho any, misy fiainana tsaratsara kokoa any ho any. Izany no ahafahana manaraka ny lalan’ilay hany afaka manome antsika izany fahazavana izany.

Mila faharetana anefa izany fanarahana Azy izany. Tsy azony natao teny an-dalana ve izany no dia navelany ho sahirana ho tonga hatrany an-trano ireto jamba roalahy! Satria rehefa tonga tany an-trano izy ireo vao nanontany azy ireo izay zavatra irìny i Jesoa: Moa mino va ianareo fa mahay manao izany Aho?

Mino va isika fa nandresy ny fahafatesana i Jesoa? Tsy fahita matetika indrisy ny olona vontom-pinoana maneho izany fandresen’i Kristy izany amin’ny fomba fiainany. Kanefa na izany aza, mitaky finoana avy amintsika ny valim-bavaka avy Aminy: aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.

Mino ve isika fa azo foanana ny kolikoly? Mino ve isika fa afaka mandresy ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy ny olona? Sa sanatria an’izany mianina amin’ny fomba fiteny mahazatra hoe: “olombelona moa ny tena; efa mahazatra izany; efa niezaka fa tsy nisy vokany” sns; fa ny tena loza dia sao sanatria tiantsika ny hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny, ny fitiavana sy ny fihavanana kanefa ny fomba fiainantsika kosa mifanohitra amin’izany: feno kolikoly, babon’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-kely, na sanatria vesaran’ny fiahiana ity fiainana ity, araka ny nampahatsiahivin’ny Evanjely, ka tsy afaka ny hitombo sy hamokatra.

Ny fahitana ny asan’ny tanan’Andriamanitra eo amintsika, hoy Izaia no hanamasinantsika ny Anaran’Andrimanitra. Aoka àry isika hanokana fotoana handinihana ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ka hanamafisantsika ny finoana an’i Kristy nandresy ny fahafatesana ho antsika.

Miaraka Aminy isika no mandresy.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
SABOTSY I FIAVIANA
PREVIOUS
ALAKAMISY I FIAVIANA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.