Trinitera Malagasy
ALATSINAINY I FIAVIANA

ALATSINAINY I FIAVIANA

Njara Pascal
  • Izaia 2,1-5
  • Salamo 121
  • Md Matio 8,5-11

“Fa avy ao Siôna no hivoahan’ny lalàna, fa avy ao Jerosalema no hivoahan’ny Tenin’ny Tompo”.

Rehefa sendra ny mangidy isika, rehefa teren’ny fiainana dia manao lalàna, mivoadivoady hoe “tsy hanao an’izao na izatsy intsony aho e, hanao an’izao aho e” sy ny hoe “mifòna aho fa tsy hanao intsony” fahakely… Samy lalàna avy moa no nandikana ny teny hebrio hoe derekh (hampianatra antsika ny lalàny izy) sy ny Torāh (avy ao Siôna) amin’ny vakiteny anio. Ireo teny roa ireo (derekh – torāh) dia samy manambara ny lalàna ho toy ny tari-dalana. Ny derekh moa dia avy amin’ny hoe dārakh, entina ilazana ny fitifirana amin’ny zana-tsipìka, fa amin’ny ankapobeny dia entina ilazana ny dia, ny fizorana amin’ny lalana iray. Ny Torāh kosa, avy amin’ny fototeny yārah izay midika koa hoe: mitifitra amin’ny zana-tsipìka, fa manisy tsindrim-peo amin’ny zavatra kendrena, ary ny tsy fahatratrarana izany tanjona izany no antsoina hoe ḥaṭṭā’āh amin’ny teny hebrio, tsy nahatratra ny tanjona na tsy nahavoa ny lasibatra, izay nadikantsika hoe fahotana.

Vokatry ny fahatsapana fa ny lalàn’Andriamanitra irery ihany no hahazoana fiadanana ary ny fiekena fa ny Teniny (dābhār amin’ny teny hebrio) no aina mamelona no manova ny fon’ny olona hampiasa ny fahefana sy ny hery tsy hanapotehana (sabatra) fa hanorenana sy hamokarana (fangady), tsy hamonoana (lefona) fa hamelomana sy hanangonana ny vokatra (antsy fijinjana). Ny fiadanana (shālōm) moa dia tsy midika hoe tsy fisian’ny ady sy ny fifamonoana fotsiny fa koa fahafahan’ny tsirairay sy ny daholobe manana amby ampy ka ho velona finaritra. Nolazain’i Md Paul VI ao amin’ny Taratasy ansiklika Populorum progressio (26 mars 1967, lah. 76) fa izany dia vokatry ny ezaka ilofosana isan’andro hanorenana fahamarinana amin’ny samy olombelona araka an’Andriamanitra, ary ny anarana vaovao hiantsoana ny fiadanana dia ny Fandrosoana.

Matoa marisarisa mamonjy Fiangonana ny olona, dia satria tsy hita taratra ao izany fiadanana izany, tsy mifototra amin’ny fanantenana sy ny faniriana hanorina tontolo tsaratsara kokoa ny resaka sy ny ezaka atao. Mila mandini-tena mandrakariva isika, sao sanatria noho ny tsy fiainantsika ny Evanjely no mampandositra ny olona. Mazava ny tenin’i Kristy fa ny fifankatiavana ihany no endrika tokana mampiavaka ny mpianany ka hahafantaran’ny olona ny Egliziny (Jo 13,35). Raha izany fiadanana, “hampiasana ny hery famoretana ho hery famokarana” lazain’i Izaia Mpaminany izany manko no hiainan’ireo milaza fa mpino, dia mazava loatra fa hafaliana lalandava no manentana ny Kristianina hizotra ho any am-piangonana, tsy andry izay hahatongavan’ny alahady mba hiainana ny fiadanana sy ny fiombonana vokatry ny fihaonana amin’i Kristy, hanandramana izay miandry any amin’ny mandrakizay.

(Amin’ny Taona A moa dia azo vakìna koa Iz 4,2-6: voalaza ao fa ny voninahitr’izy Tompo no ho kiady ho an’izay naharitra ka tafajanona ao Siôna, mahatana ny teny nomena: ho alokaloka amin’ny hain’andro ary ho fialofana amin’ny oram-baratra sy ny ranonorana.)

Ilay tenin’ny Kapiteny averimberintsika isaky ny Sorona Masina: “Tompo ô, tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafon-tranoko aho” dia miantso antsika ho amin’ny finoana lalindalina kokoa. Ankoatra ny fanetren-tena hilazana fa tsy mendrika hiditra ao am-pontsika i Jesoa satria mpanota isika (ary indraindray aza, mampalahelo fa tsy te hiova amin’izany maha-mpanota izany akory), dia tian’ny Evanjely asiana tsindrim-peo manokana ny finoana nananan’ilay kapiteny: ny miaramilako manaiky ahy, ary ny ratsy manaiky anao. Mino tokoa ve isika fa afaka mamongotra ny fahotana sy ny voka-dratsiny ao am-pontsika sy ao an-tranontsika ny Teny miloaka ny Vavan’Andriamanitra? Izay mino izany herin’ny Teniny izany no afaka hiova fiainana ka hiara-hihinana amin’i Abrama sy Isaaka ary i Jakôba any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Ny fihetsik’ilay kapiteny, jentily miditra ho anisan’ny mpanara-dia an’i Jesoa, manatona Azy noho ny finoana, dia mamintina ny finoana tokony hananantsika: azon’ilay Kapiteny atao ny nandefa miaramila saingy izy tenany mihitsy no tonga nanatona an’i Jesoa. Izany no fandraisana anjaran’ny olombelona manao izay azony atao mba hanatonana an’Andriamanitra, raha ny marina moa dia Izy Andriamanitra no naka nofo toa antsika mba hanatona sy hiara-monina amintsika; ilay kapiteny kosa avy eo miangavy an’i Jesoa mba tsy hisahirana akory ho any an-tranony.

Ny fisahiranany hitalaho ho an’ny ankizilahiny izay tsy afa-mihetsika noho ny tazo dia anisan’ny maha-lehibe ny finoany. Sarotra manko ny mahita olona mahavita manokana fotoana, mahavita mietry tena, hiangavy ny hafa hanao soa tsy ho an’ny tena fa ho an’ny fahasitranan’ny mpiasa an-trano, misahirana saingy entanin’ny finoana fa mahery ny Teny tononin’ilay nivavahany, tsy afaka ny hiverina Aminy, hoy Izaia raha tsy mahatanteraka izay nandidiany (Iz 55,11). Izany finoana izany no hananganana antsika ho tonga zanaka handova ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy Isaaka ary i Jakôba.

Angatahontsika ny Fanahy mba hahaizantsika mankafy ny lalànan’Andriamanitra izay mitondra amin’ny Fiadanana tanteraka, ka hanekentsika azy ho Tompo, afaka manova sy mandavorary ny fiainantsika tsy ho andevozin’ny fahotana sy ny fahafatesana intsony, fa ho fiainana araka ny fahafahana maha-zanaka: manorina fiadanana, vonona hanolo-tena, tsy hangataka andro hamaly hoe “ho avy aho ary hikarakara azy”, tahaka an’i Jesoa.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
TALATA I FIAVIANA
PREVIOUS
Taona Litorjika B
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.