Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-26 mandavan-taona

Alatsinainy faha-26 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Joba 1, 6-22/Salamo 16
  • Tsy ankasa Zakaria 8, 1-8/Salamo 101
  • Md Lioka 9, 46-50

Ny ady hevitra ny amin’izay ho lehibe dia voajanahary ao amin’ny olombelona, saingy ny fomba fiheverana izany halehibeazana izany no mety hiova arakaraka ny endriky ny andriamanitra tompoina. Averiko mandrakariva ny hoe “tsy afaka ny tsy haka tahaka ny andriamanitra tompoiny (na masoandro io na volana  na ny “star”) ny olombelona, tsy afaka ny tsy haniry ho tonga tahaka izay heveriny ho olona manan-daza sy manan-kaja ny fony.

Izay kely indrindra no ho lehibe, hoy i Jesoa. Ambaran’i Lioka hatrany am-piandohana fa ny famakivakiana ny tany efitr’ity fiainana ity dia fiezahana hifehy ny fifandraisana amin’ny haren’ny tany mba tsy handevozin’ny fitiavan-tena sanatria, avy eo ny fiezahana hanafaka ny fo amin’ny avonavona sy ny fitia te hanjakazaka ka hahay hitia ny hafa ho rahalahy sy handray azy tsy ho mpifanandrina fa ho mpiara-dalana, izany no hahafahana misokatra amin’ny fiandrandrana ny lanitra ka hanaiky fa fitiavana Andriamanitra ka ny sitrapony dia mitondra antsika amin’ny fahasambarana. Izay mahazo izany ihany no afaka hahazo fa Andriamanitra “mandray” (accueillant) ny olon-drehetra ny Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy, ary manao fety amin’ny fiverenan’ny zazany na dia avy nandany ny hareny aza.

Tsy fandraisana ny ankizy amin’ny maha-zaza azy anefa no lazain’i Jesoa fa ny fandraisana azy ireo amin’ny anarany. Mora ny mandray ny hafa amin’ny anaram-boninahitra, fa sarotra kosa ny mandray ny olona tsy manan-kavaly amin’ny anaran’Andriamanitra. Tsy ny voninahitry ny tena intsony amin’izay no katsahina fa ny fiadanan’ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Izay tafiditra amin’izany toetsaina izany ihany no afaka mifaly amin’ny soa ataon’ny hafa. Amin’ny evanjely anio dia milaza ny fifaninanana misy amin’ny tena sy ny hafa. Rehefa milamina izay dia miditra amin’ny fanavahana ny “anay” sy ny an’ny “tsy namantsìka”.  Jerijerena sy somary avakavahana matetika izay tsy mitovy fihevitra sy fomba amam-panao amintsika, fa ny zava-doza dia ny mety ho azon’ny fakam-panahy hiteny ratsy ny Fanahy Masina, entin’ny fialonana sy ny avonavona ka manadino fa tsy ny ho “iray amintsika”, ho ekipantsika, no tanjona fa ny fanarahan-dia an’i Jesoa mba hanohizana ny asany, ka tokony ho hafaliana mandrakariva ny fahitana izay miombon’antoka Aminy amin’ny fanasoavana ny zanak’Andriamanitra, indrindra amin’ny ady atao amin’ny demony.

Tsy tokony hiambo ny harahin’ny hafa ny Fiangonana. Tsy tokony hialona izay mety maka tahaka ny fomba anasoavany ny olombelona, eny fa na dia tsy miombona tanteraka aminy aza izay manao izany. Tsy ny rafitra no arahina fa i Kristy. Izay tsy tia an’i Kristy no ivelan’ny Fiangonana, hoy i Md Paoly (1 Kor 16, 22). Tsy afaka ny hiambo ho hany tokana manao ny asan’i Kristy na oviana na oviana isika, ka tsy maintsy mianatra mifaly amin’ny fisian’ireo ondry tsy anatin’ny vala, saingy miara-mizotra ho any amin’ny vala tokana tarihin’ny mpiandry tokana. Efa tamin’ny androny (taon-jato IV) no nilazan’i Md Augustin fa betsaka ny kristianina avy ivelan’ny fiangonana, ary tsy vitsy ny mpanomposampy mihaodihaody ao anatiny.

Hahay hifaly amin’ny asan’ny Fanahy tanterahany amin’ny alalan’ireo izay mety tsy manaraka antsika anie isika, ka hanaiky ny didin’i Kristy, hamela azy ireo handroaka ny demony, ary hahatsiaro fa tsy fahavalo izay manafaka ny zanak’Andriamanitra amin’ny herin’i satana, fa mpiara-miombon’antoka.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-26 mandavan-taona
PREVIOUS
Alahady faha-26 Taona A Mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.