Trinitera Malagasy
Alarobia faha-25 mandavan-taona

Alarobia faha-25 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Ohabolana 30, 5-9 /Salamo 118
  • Tsy ankasa Esdrasa 9, 5-9/Tobia 13, 2-8
  • Md Lioka 9, 1-6

Manaraka ny fitantaran’i Marka ihany i Lioka saingy ny famangian’i Jesoa ao Nazareta dia efa nataony tany amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny (Lk 4, 16-30), ka aorian’ny fitantarana ireo famantarana nataon’i Jesoa: ny tafiho-drifotra nitsahatra (Lk 8, 22-25), ny fanasitranana ilay azon’ny demony (Lk 8, 26-39), ny fananganana ho velona ny zanak’i Zaira sy fanasitranana ilay vehivavy nitsi-drà (Lk 8, 40-56) dia miezaka manazava ny fiainan’ny fiangonana kosa, indrindra ny traikefam-piainana nananan’ireo 12 lahy voafidy ho vavolombelon’izany herin’ny Teny afaka manova ny fiainana izany: ny iraka nampanaovina azy ireo (evanjely anio) sy ny fiekem-pinoan’i Piera (Evanjely zoma) izay tsy maintsy hodiovin’ny misterin’ny Paka (Evanjely Sabotsy). Ny finoan’izay te hanaraka an’i Kristy rehetra anefa no diovin’izany mistery izany ka mahatonga an’i Md Lioka hametraka eo anelanelany eo ny fepetra tsy maintsy harahan’izay te ho tonga mpianatra (Lk 9, 23-27 izay tsy vakiana amin’ny andavanandro).

Tsy niantso ny Apôstôly i Jesoa fa namory (συγκαλέω synkaleo= miantso miaraka, miantso hiombona) azy ireo. Io moa no mbola tohizan’ny Eveka amin’ny fivondronan’izy ireo hiaraka hitondra ny Eglizy. Tsy ny isam-batan’olona araka izany fa ny fiombonany no hahafahany manohy ny asa nanirahana azy. Ny hery (δύναμις dynamis) avy amin’ny Fanahy sy ny fahefana (ἐξουσία exousia) handroaka demony sy hanasitrana (θεραπεύω therapeuo, hikarakara) nomen’i Jesoa ny Apôstôly moa dia lazain’i Lioka fa tanteraka teo anivon’ny Fiangonana, ary tsy iray amin’ireo Apôstôly akory aza no nandroaka demony (fa kosa momba azy, miombona amin’izy ireo) saingy saika nahavelom-pialonana ny Apôstôly (Lk 9, 49, Evanjely Alatsinainy her. 26).

Hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary no iraka (misiôna na apôstôlà) ankinina amin’ny Apôstôly voalaza eto. Mampalahelo anefa fa indraindray dia mitanisa ny aretina no andaniana andro fa tsy ny mitady fanafody hanasitranana azy. Betsaka ny mahay mijery ny kilema sy ny zavatra tsy mandeha eo anivon’ny Eglizy fa tsy misaina kely akory hanao izay vitany mba hanatsarana azy na hanadiovana izay tsy mifanaraka amin’ny Evanjely. Fitoriana fanantenana fa tsy fitsikerana be fahatany no andrasana amin’izay te ho mpianatr’i Kristy.

Tsy hitory tena fa hitory ny Fanjakan’ny lanitra no hanirahana ny Apôstôly. Manahirana ahy ny miherireritra ny vaovaom-piangonana sy ny tatitra hilazana ny asan’olombelona ka hanadinoana ny hafatr’i Jesoa fa “tsy tokony hitondra na inona na inona ireo mpianatra” (mbola iverenan’i Jesoa lazaina amin’ny mpianatra 72 nofinidiny ao amin’ny Lk 10,4 io). “μηδὲν αἴρετε (αἴρω airo) εἰς τὴν ὁδόν”. Io moa no nadika hoe “aza mitondra na inona na inona amin’izay alehanareo”, fa raha raisina araka ny heviny dia tsy fandraràna fa baiko: μηδείς (medeis) moa dia “personne, aucun, rien”. “Ny tsy misy izany no raisina eny an-dalana”, mba hahafahana mandray Azy (Mk 14,22), hany Vatsy Masina, hozaraintsika amin’ny olona anirahana antsika, ka tsy hitoky amin’ny tehin’olombelona hianteherana sy hiarovan-tena fa hitoky kosa amin’ny Tehin’Andriamanitra mampatoky (Sal 23, 4), ilay Tehina nanehoany ny heriny (Eks 14,16; 15, 25; 17,5); tsy hivatsy hanina ao anaty kitapo fa hatoky ny fitsimbinan’Andriamanitra (providence); tsy hitondra mofo afa-tsy ny tenin’ny Fiainana sy ny Mofon’ny Fiainana ivokisana sy zaraina ho sakafon’ny olona; tsy hitondra vola, satria ny vola dia mahasolo hatramin’Andriamanitra ka hahatonga hirehareha sy tsy hiantehitra intsony Aminy. Ho an’ny Mpianatra dia tsy misy afa-tsy ny anaran’i Jesoa no hahafahana mahazo ny famonjena (Asa 3,6). Akanjo tokana ihany no hiankanjoana dia i Kristy (Gal 3, 27).

Ho an’i Lioka dia tsy afaka ny hitory ny Fanjakan’ny lanitra izay mbola miantehitra amin’ny haren’ny tany ka tsy mifikitra manontolo amin’ny fitsimbinan’ilay Ray tia ny zanany rehetra. Ny “bon sens” indraindray dia mahatonga antsika hamaky mivilana ny Evanjely kanefa raha “ny vola no hozatry ny fiainana” ho an’izao tontolo izao dia tsy misy afa-tsy ny herin’ny Fanahy Masina kosa no azon’izay te ho Mpitory ny Evanjely hianteherana. “Maniry Fiangonana mahantra ho an’ny mahantra aho”, hoy i Papa François teo am-panombohana ny ministera maha-evekan’i Rôma azy (2013).

Tsy ny fanaovan-javatra na ny fahavitan-javatra sanatria no hilazana fa mandroso ny fanjakan’Andriamanitra fa ny faharesen’ny ratsy ka hirosoan’ny toe-pianana amin’ny hasambarana atoron’ny Evanjely. Ny tsy hitodrana na inona na inona dia mba tsy hanomezana izay hananana fa hanomezana kosa ny tena manontolo sy ny harena miafin’ny Evanjely, izay harena tokana ireharehan’ny Mpianatr’i Kristy. Izay manan-javatra, manome zavatra, izay mahantra kosa, tsy afaka hanome afa-tsy ny tenany, afaka mitia marina tokoa. Fiadanana no omen’izay tena mpianatr’i Kristy ao amin’ny trano izay idirany (Lk 10,5), ka ao no hitoerana mandra-piainga ho amin’ny iraka vaovao indray.

I Md Marka (Mk 6, 12) dia milaza fa nandeha nitory (κηρύσσω kerusso) ny Apôstôly, mitondra ny hafatry ny mpanjakany mivazavaza eny an-kianja mba hahalalan’ny olona ny didy ka hahafahany manaraka Azy. I Lioka kosa mampiasa ny teny εὐαγγελίζω (euangelizo  Evanjely), mitory Vaovao Mahafaly ary nanasitrana, tsy amin’ny fanosorana menaka tahaka ny an’i Marka (izay efa manambara ny fomban’ny fiangonana amin’ny fanosorana ny marary), fa amin’ny herin’ny teny izay handresena ny herin’ny ratsy mambabo antsika ka tsy hahafahantsika miaina ny fahasambarana. Ny mety tsy fandraisan’ny olona dia hanitsanana ny vovoka amin’ny tongotra hilazana fa tsy handoto ny “Tany masina” hidirana tsy akory ny fandavan’ny sasany ny fiadanana atolotra azy. Tsy mampiova fa manamafy ny hatsaram-panahin’ny mpianatra izay mety ho fitsapana na fanesoana mihatra aminy eo am-pitoriana ny Evanjely.

Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra. Ny “nandeha” moa eto dia nandikàna ny ἐξέρχομαι (exerchomai), “nivoaka” ka nitety (διέρχομαι dierchomai) ny vohitra. Avy ao amin’ny trano nihainoany an’i Jesoa sy nanandramany ny fiadanany no nivoahan’izy ireo hitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra amin’ny olona tsy an-kanavaka.

Mba ho avy ao amin’ny fihaonana amin’i Jesoa mandrakariva anie no hivoahan’izay rehetra maniry hitory ny Evanjeliny ary mba ho fanasitranana ny vahoaka tokoa anie ny asa fitoriana ataon’ny Eglizy.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha-25 mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha-25 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.