Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-24 mandavan-taona

Alakamisy faha-24 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Kôrintiana 15, 1-11 /Salamo 117
  • Tsy ankasa 1 Timôte 4, 12-16/Salamo 110
  • Md Lioka 7, 36-50

Ny Evanjely anio dia misy zavatra itovizany be dia be amin’ny fanosorana tao Betania lazain’ny Evanjely hafa (Mk 14, 3-9; Mt 26, 6-13; Jo 12, 1-8) kanefa tsy lazain’i Lioka kosa. Raha jerena maimaika dia toa hoe izay namelàna be no tia bebe kokoa, izany hoe vokatry ny famelan-keloka noraisina ny fitiavana (and. 41-43), kanefa aoriana kely dia lazain’i Jesoa fa ny fitiavana no mandrakotra ny fahotana ka izay amelana kely no kely fitiavana (and. 47). Tsy mifanohitra anefa fa entin’i Lioka hilazana ny fivoaran’ny finoana kristianina: izay voavela heloka no afaka mitia ary izay mitia no afaka mandray ny hafenoan’ny fitiavana izay miseho indrindra amin’ny famelan-keloka, ka ho lasa taratry ny famindram-pon’Andriamanitra Ray.

Tsy afaka ny handihy amin’ny hafalian’ny famelàna izay tsy nitomany tamin’ny fahotana vita. Tsy afaka ny hahatsapa ny fiainam-baovao vokatry ny fibebahana izay tsy mahalala ka mankahala ny haratsin’ny fahotana sy ny zava-doza aterany eo amin’ny fiainan’ny olona andevoziny, fa indrindra indrindra eo amin’ny fiainan’ny tsy manan-tsiny, mibaby ny vokatr’izany.

Ambaran’i Lioka mazava fa ankoatra ny fanasitranana ilay ambavahoana noho ny fitokisana amin’ny herin’ny Teny (Lk 7, 1-10) sy ny fananganana ho velona ilay zanaky ny mpitondratena (Lk 7, 11-17) dia tanteraka ao amin’i Jesoa ny fampanantenana, hiantsoan’Andriamanitra antsika handray anjara amin’ny Fampakaran’ny Zanany, ka ny famelan-keloka no anehoany ny halehibeazan’izany fitiavany izany. Tsy misy diso anjara amin’izany, eny fa na dia izay heverin’ny iray tanàna ho faikan’olona tahaka ilay vehivavy voalazan’ny Evanjely anio aza. Efa nanomana sahady ny toko faha-15 hanehoany ny haben’ny fitiavan’ilay Ray i Lioka, ka hampitandrina izay mihevitra ny tsy hiaina amin’ny maha-zanaka fa ho mpanompo, tsy nitsinjo afa-tsy ny tombontsoa materialy ka tsy afaka hifaly amin’ny hatsaram-pon’ny Rainy.

In-pito no voalaza ny teny hoe “tongotra” amin’ity evanjely ity: ny tongotr’i Jesoa vonton-dranomaso, voafafan’ny volon-doha, voaorokoroka ary voaosotra diloilo sarobidy. Tsy ranomasom-pahoriana vokatry ny nenina tahaka ny an’i Piera anefa (Lk 22, 62) fa ranomasom-pitiavana mahatsapa fa tia satria notiavina, mahatsapa fa tsy afaka ny ho velona raha tsy amin’ny fahafoizana ny zava-manitra, izay harena sarobidy ho an’ilay “Tia”. Mba hahahafahantsika mitia bebe kokoa no amelan’Andriamanitra antsika ary izay mitia ihany no afaka mitahiry ny fahasoavan’ny Famindram-po, ka tsy mampavesatra an’ilay notiavina ka  ho sanatria hanjary trosa ny asa soa vita. Ny fitiavana dia fahasoavana (gratias, gratis). Ampahatsiahivin’i Papa François antsika io amin’ny hafany ho an’ny alahady mialoha ny fetin’i Kristy Mpanjaka.

Tsy misy afaka mitondra amin’ny famindram-po sy ny fibebahana marina araka izany afa-tsy izay tena tia. Izany no mahatonga ireo olomasin-dehibe nitolona tamin’ny fanabeazana ny tanora hilaza fa raha tsy azontsika ny fon’ny tanora (izany hoe tsapany fa tiantsika izy ary tia antsika) dia hananosarotra ihany ny zavatra hafa rehetra (Don Bosco); ary “tsy misy ankizy maditra fa ny tsy ampy fitiavana no betsaka” (Don Orion). “Tsy kapoka fa fitiavana no fanohitra tena soa”, hoy ny mpanakantontsika mihira (Besa sy Lôla).

Ho haintsika anie ny handray anjara amin’ny fety hanasan’ilay Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao, ka hahatonga antsika tsy hihevi-tena ho marina ka hanendrikendrika ilay “Mpaminany” ho tsy mahalala izay tokony hatao tahaka an’i Simona ilay Farisiana, fa kosa ho mpamindra fo tokoa, tahaka ny Ray izay tia sy mamindra fo amintsika zanany rehetra.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista
PREVIOUS
Alarobia faha-24 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.