Trinitera Malagasy
Alarobia faha-22 mandavan-taona

Alarobia faha-22 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Kôrintiana 3,  1-9 /Salamo 32/
  • Tsy ankasa Kôlôsy 1, 1-8/Salamo 51
  • Md Lioka 4, 38-44

Ny tapany voalohany amin’ny Evanjely dia mitantara ny fanasitranana ny rafozam-bavin’i Simôna. Avy nanasitrana ny azon’ny demony maloto tao amin’ny Trano fiangonana i Jesoa, mba hahatonga ny Fiangonana ho trano hiarahan’ny mpino midera ny voninahitr’Andriamanitra nahary azy ireo hitovy endrika aminy dia mihazo ny trano fonenana kosa indray. Any am-piangonana dia mety ho fiderana an-tendromolotra fotsiny ihany raha sanatria tsy manaitra antsika intsony ka hanova ny fiainantsika ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Ao an-trano kosa indray, ny tazo mahery no mety hanakana, hangeja (συνέχω synecho) tsy hahafahana manompo. Izay miaraka amin’i Jesoa no mitalaho, mivavaka mba ho an’izay tsy afaka akory niangona, tsy afa-manatona Azy mba hositraniny.

Niondrika teo amin’ny marary i Jesoa ka nandidy (ἐπιτιμάω) ny tazo, tahaka ny nandidiany ny demony (and. 35), hilazana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, ilay Teny nahariana izao tontolo izao, manan-kery hamerina amin’ny laoniny indray ny zavaboary nosimbain’ny ratsy; ho an’i Marka (Mk 1, 31) sy Matio (Mt 8, 15) dia nandray (na nikasika) ny tanany i Jesoa mba hampitsangana ny marary ka nandaozan’ny tazo azy. Ho an’i Lioka, ny tazo no niala ary nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ka nanompo. I Jesoa niondrika (ἐφίστημι ephistemi), ilay marary kosa “nitsangan-ko velona” (ἀνίστημι anistemi, ἐγείρω ao amin’i Matio sy Marka), ary ny famantarana izany dia ny fanompoana (διάκονος), hanehoan’ny olona ny fitovizany endrika amin’Andriamanitra (Lk 22, 27), ny fahazotoan-kanompo izay mariky ny fitsangana-ko velona.

Ny marary rehetra nentina teo amin’i Jesoa “nony maty ny masoandro” no nametrahany tanana ka nositraniny, izany hoe “nokarakarainy” am-panajana (θεραπεύω therapeuo). Ny fiombonana Aminy ilay “nitondra ny rofintsika” (Mt 8, 17/ Izaia 53, 4) no zary hery ho an’ireo marary. Ny demony koa nivoaka avy tamin’ny olona maro ka norahonany tsy hiteny satria nahalala Azy. Tsy ny marary fa ny demony no treromin’i Jesoa. Mampalahelo rehefa ny olona efa ahondriky ny fahamenarany amin’ny ratsy vitany no mbola ambaniana amin’ny teny tsy voahevitra. Tsy ny fisehoana tsikelikely (secret messianique) toy ny an’i Marka no heverina fa nilazan’i Lioka ny tsy namelana ny demony hiteny fa mba hanokanany ny fiekem-pinoana ho an’izay tarihinin’ny Fanahy, matoky fa ao an-koatry ny herin’ny olona (masoandro maty) dia eo ilay “masoandro miposaka avy any ambony, mitarika amin’ny lalam-piadanana” (Lk 1, 78), hany ka tonga mpianatra marina, “tsy ho tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa” (1 Joany 3, 18).

Raha vao maraina ny andro dia laza nankany amin’ny toerana mangingina anankiray i Jesoa, tany an-taniefitra, mangingina (ἔρημος, mitokana) mba hivavaka, hoy Md Marka (Mk 1, 35), ary vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy ka nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony. Ny tany Nazareta tafintohina Taminy satria tsy mba nisitraka ny fahasoavana nozarainy tany Kafarnaôma, ny mponin’i Kafarnaôma koa te hitana ny fahasoavana ho azy ireo irery. Tsy ny hamaly ny fitiavan-tenan’ny olona anefa no “nivoahan’i Jesoa” avy any an-tranon’ny Rainy, fa ny hitory “Teny soa mahafaly” (εὐαγγελίζω euangelizo) satria izany no nanirahana (ἀποστέλλω apostello) Azy. Tsaroantsika fa ny Mpaminany dia tsy mandeha amin’ny nahim-pony fa amin’izay anirahana azy, tahaka an’i Elia sy Elisea.

Ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra moa dia tsy azo afangaro amin’ny fanjakan’olombelona izay nirian’ny Zanak’Israely saingy nambaran’i Samoela mazava tsara ny haratsiany (1 Samoela 8). Io Fanjakan’Andriamanitra io no angatahantsika mba ho tonga (Lk 11, 2), dia ilay Fanjakana efa nosantarin’i Jesoa ka tiany ho tanteraka, tsy ao Nazareta tanàna nahabe Azy ihany, tsy any Galilea nanombohany ny fitoriana ihany, fa itozoan’ny mpianany hatrany am-paravazantany (Asa 1, 8).

“Nirahina ny Eglizy hanohy sy hanitatra hatrany hatrany ny raharaha nanirahana an’i Kristy, izay nirahina hanambara amin’ny mahantra ny Evanjely” (Ad Gentes 5), ary izay fitoriana ny Vaovao mahafaly izany no voalohany indrindra nanorenana ny Fiangonana, izay ateraky ny Tenin’Andriamanitra (1 Piera 1, 23) ary velomin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristia (AG 6). Ho mpandray anjara amin’izany fitoriana ny Evanjely izany anie isika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-22 mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha-22 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.