Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-16 mandavan-taona

Alatsinainy faha-16 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Mikea 6, 1-4.6-8/ Salamo 49
  • Tsy ankasa Eksaody 14, 5-18/ Eksaody 15, 1-6
  • Md Matio 12, 38-42

Amin’ny fitohizan’ny evanjely anio amin’izay novakiana tamin’ny sabotsy XV moa dia misy andininy vitsivitsy nodinganina mitantara ny fanasitranan’i Jesoa an’ilay azon’ny demony sady jamba no moana, ka nolazain’ny farisiana fa amin’ny alalan’i Belzebola lehiben’ny demony no nandroahan’i Jesoa ny demony. Izay tsy vonona hamory miaraka Aminy dia hanahaka. Ny taranaka menarana tsy afaka ny hilaza zava-tsoa na oviana na oviana ary ny tsirairay dia ampamoahana amin’ny teny (ῥῆμα rhema) foana (ἀργός argos: a-ergon) nolazainy. Firifiry anefa ny teny famonoana ataontsika, ny fosa sy ny fitsikerana (chiacchiericcio), hoy Papa François, izay mamono ny Fiangonana sy manapoizina ny fiaraha-monina, satria rehefa ny ratsy no mameno ny fon’ny olona dia ny ratsy no hifampitantaràna, tsy hitadiavana ny vahaolana hanovàna mba ho soa izay zavatra tsy mety fa hanaratsiana ny hafa ka hampitombo ny fifankahalana sy ny avonavona. Izay teny tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana dia fanamelohana ho antsika, satria avy amin’ilay ratsy (Mt 5, 37), izay tsy atao amin-kitsim-po, izay tsy vokatry ny finoana (ἐκ πίστεως BYZ) dia fahotana, hoy Md Paoly (Rm 14, 23).

Eto no manomboka ny Evanjely anio, milaza ny valin-tenin’ny mpanora-dalàna sy Farisiana, mangataka famantarana amin’ilay Mpampianatra. Ao amin’i Md Marka dia milaza mazava fa nandà tsy hanome famantarana ity taranaka ity i Jesoa (Mk 8, 12) satria tsy manery na iza na iza mba hino Azy Andriamanitra fa an-kalalahana tanteraka no iantsoany ny zanany rehetra: “raha tianao…”, ary ho an’izay te hijery dia hahita fa famantaram-pitiavana avy Aminy ny zava-drehetra.

Ho an’i Md Matio dia ny famantaran’i Jonasa (יוֹנָה Yonah, colombe) no homena ny taranaka ratsy sy mpijangajanga, mitady famantarana avy amin’ilay avy nanasitrana ilay azon’ny demony sady jamba no moana (mbola miverina ao amin’ny toko faha-16, 1.4). Ny ratsy (πονηρός poneros, feno fifanoherana) sy izay mijangajanga no maka fanahy an’Andriamanitra tahaka ny tany Masà (Det 6, 19; Eksaody 17, 7). Ratsy (avy amin’ny hoe πένης penes: pauvre, mahantra) satria niala tamin’ilay hany afaka manome azy ny fiainana, ary mijangajanga satria nihodina tamin’ilay nihantra ny fahantrany (tantarain’i Ezekiela amin’ny antsimpirihany ao amin’ny toko faha-16).

Ny famantaran’i Jonasa mpaminany no homena azy ireo. I Jonasa moa dia Mpaminany nanambara ny hamafisan-dohan’ny olona tsy manaiky an’Andriamanitra, ka na izy aza, noho ny tsy fanekeny an’Andriamanitra dia nivarina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe (κῆτος ketos), fa izany kosa anefa no manambara ny famindram-pon’Andriamanitra tsy hita lany, malahelo amin’ny vahoaka nohariany, mihoatra noho ny alahelon’i Jonasa tamin’ny tanatanamanga (Jonasa 4, 10-11). Ny fahafatesan’i Kristy eo ambony hazofijaliana sy ny nitsanganany ho velona no famantarana tokana tsy azon’iza na iza hotoherina, entin’Andriamanitra manambara izany fitiavany ny olombelona nohariany mitovy endrika Aminy izany.

I Jonasa moa nitory ny faharavan’i Niniva kanefa nampibebaka an’ireo mponina tao satria nino an’Andriamanitra izy ireo (Jonasa 3, 4ss). I Jesoa kosa mitory ny fitiavan’Andriamanitra, ary izany no maha-lehibe Azy noho i Jonasa, kanefa tsy henoin’ny taranaka ratsy sy mpijangajanga. Izy mitory amin’ny teniny sy ny asany ny fahendrena sy ny fitiavan’Andriamanitra, Izy ilay fahendren’Andriamanitra kanefa tsy mampihontsona akory ireo mihevi-tena ho tompon’ny lalàna, ireo mihevi-tena ho marina ka tsy mila ny famindram-pon’Andriamanitra. Ho fanamelohana ho an’izay mihevi-tena toy izany ny fidododoan’ny mpanjakavavin’i Saba hihaino ny fahendren’i Salômôna ka sady nankalaza ny Andriamanitr’Israely no nanolotra ny fanomezana lehibe indrindra ho an’ny mpanjaka (1 Mpanjaka 10, 1-13).

Ho haintsika anie ny hanararaotra handray ny fanomezan’Andriamanitra amin’ny fanilovany antsika amin’ny alalan’ny Teniny mba hanaraka ny lalam-pamonjena atorony hahasambatra antsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-16 mandavan-taona
PREVIOUS
Alahady faha-16 mandavan-taona Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.