Trinitera Malagasy
Zoma fahavalo mandavan-taona

Zoma fahavalo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Eklesiastika 44, 1.9-13/Salamo 149/
  • Ankasa 1 Piera 4, 7-13/Salamo 95
  • Md Marka 11, 11-26

Aorian’ny fidirany am-boninahitra tao Jerosalema, dia nivantana tao an-Tempoly i Jesoa (Malakia 3, 1), ary rehefa avy nijery (περιβλέπω periblepo, mijery manodidina) ny zavatra rehetra dia nankany Betania niaraka tamin’ny Mpianatra satria efa hariva ny andro, ny alina miditra ao amin’ny Tempoly satria nivoaka ny hazavana. Amin’ny alina manaraka dia i Jesoa no hatolotra (Mk 14, 17) ary amin’ny alina manaraka dia ilay Tompon’ny aina no miditra ao am-pasana (Mk 15, 42).

Ny maraina, andro voalohany amin’ireo henemana mitondra mankamin’ny hazofijaliana, noana i Jesoa dia nitady voa tamin’ny aviavy vao mandravina (tokony hitondra ny vokatra voalohany amin’ny lohataona, satria mamoa indroa ny aviavy), ka nony tsy nahita afa-tsy ravina, ilay ravina nanakonan’i Adama ny henatra sy ny tahotra, dia nanozona ilay aviavy izay maina hatramin’ny fotony. Ny aviavy dia tandindon’ny Vahoakan’Andriamanitra sy ny Lalàna izay iriny mba hitondra vokatra amin’ny fotoan-drehetra. Ny aviavy koa no hazo mamoaka ny voany mivantana avy amin’ny taho, sahala amin’ny lakroà, hanome antsika ilay Voa antoky ny fiainana mandrakizay.

Fotoana tsy namokaran’ny aviavy anefa tamin’izay, hoy Marka mitantara. Ka tsy filam-baniny ve ny an’i Jesoa raha izany? Tsia, fa mba hampahatsiarovana antsika fa tsy afaka mangataka andro ny fampamokarana ny fitiiavana. Tsy afaka hiala tsiny intsony isika, satria efa tonga ny fotoana (Mk 1, 15), efa eo anivontsika ny fanjakan’Andriamanitra.

Ny fanadiovana ny Tempoly dia mitodoka amintsika rehetra, satria trano fivavahana ho an’ny olona rehetra ny tranon’Andriamanitra, saingy mazàna ataontsika trano fitadiavam-bola sy zohy fiheren’ny jiolahy. Tahaka ny aviavy koa, tsy mamokatra intsony ny trano fivavahana, ka raha tsy diovina dia hiaran’ny ozona voalazan’i Jesoa koa, sanatria.

Ny zavatra voalohany tokony hesorina ao an-tempoly dia ny varotra. Tsy fanararaotana hitadiavana tombontsoa manokana ho an’ny tena ny fahalalaham-po sy ny finoan’ny mahantra (satria ny voromahailala dia fanatitry ny mahantra, jereo Levitika 12, 8; 14, 22; 15, 14-29). Fa ny varotra tena ratsy dia ny fiheverana fa azo vidina amin’ny vola na sanatria amin’izay hatsaram-panahy na ezaka ataontsika ny fahasoavan’Andriamanitra. Maimaim-poana izany. Tsy sanatria ny fampitomboana ny vavaka no hahazoana fahasoavana. Ny fampitomboana ny vavaka dia ilaina mba tsy ho sanatria hijanona ho “aviavy tsy misy voany” isika.

Tsy lala-manitsy hahafahantsika mitondra ny enta-mavesatra entintsika ny Tempony na ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny fivavahana dia manoro ny lalan-kombana fa tsy misolo amin’ny fizorana azy.

Ny vavaka dia fiekem-pinoana ka izay tsy misalasala ao am-pony fa ho azony izay angatahiny dia ho tanteraka tokoa izany. manazava izany tsy fisalasalana izany ny ohatra noraisin’i Jesoa: rehefa mivavaka ianareo dia mamelà izay diso taminareo fa avelan’ny Ray ihany koa ianareo. Mazava loatra fa raha izaho olombelona kely ity aza ve mahavita mamela dia hisalasala va Andriamanitra indray no tsy hamela!

Izany no tena fivavahana marina, manandrana ny hamamin’ny fitiavana itiavan’Andriamanitra antsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahavalo mandavan-taona
PREVIOUS
Alakamisy fahavalo mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.