Trinitera Malagasy
Alakamisy fahavalo mandavan-taona

Alakamisy fahavalo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Eklesiastika 42, 15-25/Salamo 32/
  • Ankasa 1 Piera 2, 2-5.9-12/Salamo 99
  • Md Marka 10, 46-52

Tonga tao Jerikao ny Mpianatra, 250 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina, teo amin’ilay toerana nidiran’ny Zanak’Israely tamin’ny tany nampanantenaina, teo amin’ilay toerana hisedrana ny finoana mba handresena ny fakam-panahy. Io koa ny toerana nandalovan’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka, amin’ny diany ho any Jerosalema. Teo no nisy an’i Bartimeo, ilay zanak’i Time, anarana manahirana ihany satria ny Time amin’ny grika dia ilazana ny olona tsongoin’olom-bolo, ka ny zanak’i Time dia zanak’olona hajaina fatratra, saingy ny Bartime, satria Bar- teny arameana, ka ny -time (טָמֵא tame’) dia fahalotoana sy fahalovana ara-môraly. Indraindray dia izany indrindra no maha-jamba, haja azo avy amin’ny tsy fanarahana ny lalàn’Adriamanitra sy amin’ny filibana, jamba, donto saina (τυφλός, typhlos), tsy te hamindra intsony, mipetraka ivelan’ny lalana (παρά para).

Ho an’ny jamba dia alina mandrakariva ny andro, maizina ny tontolo, tahaka ny mpianatra tsy mahazo na inonba na inona (Mk 4, 13), tsy ampy finoana (Mk 4, 40), votsa saina (Mk 7, 18), mana-maso fa tsy mahita (Mk 8, 18), nanamafy ny fony (Mk 6, 52; 8, 17) tsy handre ny Teny ka hiantso vonjy. Ary na dia efa voaroaka aza ny demony marenina ka afaka tamin’ny fanandevozan’ny lainga  (Mk 7,3ss; 9, 14ss) dia mbola jemby ny maso ary jamba ny fo, ka aleo mipetraka ivelan’ny lalana.

Raha ny marina dia tahaka azy ihany koa i Jakoba sy Joany, mihevitra ny hisotro ny kapoaka sy handray ny batemy tsy fantany akory, saingy nitsoaka tsy hita amin’ny ora hisamborana an’i Jesoa. Ny ankamaroan’ny olona dia misafidy ny hidina avy any Jerosalema ho any Jerikao, hoy Lioka (Lk 10, 30). Izay manaiky ho jamba ka mangataka hositranina no afaka hanaraka an’i Jesoa amin’ny lalan’ny voninahitra.

Tsy olona very fanantenana i Bartime, ka ny fahenoany an’i Jesoa nandalo dia nanosika azy hiantso mafy hoe : Ὁ υἱὸς Δαυίδ, Ἰησοῦ, ἐλέησόν με (Mk 10,47 BYZ). Eto no hamaranan’i Marka ny katesiziny ka izay miantso vonjy amin’ilay zanak’i Davida ihany no hahazo ny famonjena, noho ny finoany. Ilay Nazareana io, entina ilazana fa ilay Jesoan’ny Tantara, ilay Zanak’i Maria sy Josefa avy any Nazareta no resahana eto.  Miantso an’i Jesoa amin’ny anarany izy, midika izany fa olona akaiky, efa mahalala Azy ary mahalala azy ho ilay Mesia, ilay Zanak’i Davida (2 Sam 7) andrasan’Israely hampahiratra ny mason’ny jamba (Salamo 146, 8), mino fa tsy misy anarana hafa hahazoana famonjena afa-tsy ny anaran’i Jesoa (Asa 2, 21).

Ny hafa no asain’i Jesoa miantso azy. Entin’i Marka ilazana amintsika izany fa avy amin’ny feon’ny hafa mandrakariva no iantsoan’i Jesoa antsika hanatona Azy. Anjarantsika ny mahay mandray izany, ka hanaiky hitsangan-ko velona, hamela hatramin’ny lamba izay lazain’ny Soratra Masina hoe hany fananan’ny mahantra (Det 24, 12),  ho an’ny mpanan-karena, sarotra ny mahafoy ny harena ho an’ny mahantra. Ho an’izay manam-pinoana kosa, afohy hatramin’izay kely ananana mba hahamailaka ny dia hanatona an’i Jesoa.

Ho an’izay voaantso hampita ny tenin’i Jesoa amin’ny hafa kosa dia zavatra telo no andrasana aminy: mampahery (Matokia); manainga mba hitsangana ho velona, izany hoe mamporisika mba hiala amin’izay manakana tsy hanaraka an’i Jesoa ; manamafy ny fiantsoana (antsoiny ianao). Tsy misy olona tsy antsoin’Andriamanitra, asan’ireo izay nomena andraikitra manokana ny manampy ireo ankinina aminy mba hahita ny lalana mendrika hanamasinana ny tena.

Inona no tianao ataoko aminao?  Fanontaniana apetrak’i Jesoa amintsika rehetra koa io, fanontaniana mitovy amin’izay napetrany tamin’i Jakoba sy Joany. Saingy raha toa ka tsy ekeko ny maha-jamba ahy, mazava loatra fa tsy ny hahita no angatahiko aminy. Ny fanekentsika ny kilemantsika no hahafahantsika miantso vonjy: Kyrie eleison.

Ry Mpampianatro o, ny mba hahita indray aho.  ἀναβλέπω (anablepo), hahita indray, fa azo adika ihany koa hoe hanokatra indray ny maso ka hampifantoka ny fijery amin’izay tokony hojerena, hahita ankoatry ny ambanimaso, hahay hiandrandra ka hijery ilay hany hahazoako ny famonjena (Salamo 120).

Izay sitrana amin’ny fahajambany ihany no voavonjy ka afaka hanaraka an’i Jesoa amin’ny Lalan’ny Fiainana, hizotra avy any Jerikao ho any Jerosalema.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma fahavalo mandavan-taona
PREVIOUS
Ny Famangian’i Maria – 31 mey
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.