Trinitera Malagasy
Alarobia fahavalo mandavan-taona

Alarobia fahavalo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Eklesiastika 36, 1-2.5-6.13-19/Salamo 78/
  • Ankasa 1 Piera 1, 18-25/Salamo 147
  • Md Marka 10, 32-45

 Eny an-dalana hiakatra ho any Jerosalema ny Mpianatra ary i Jesoa no loha lalana, ka sady gaga ny mpianatra no natahotra teo am-panarahana Azy. Efa in-droa no nolazain’i Jesoa fa hijaly mafy ary hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona ka hovonoina fa hitsangan-ko velona (Mk 8, 31ss; 9, 30ss). Hatosiky ny lohandohan’ny Mpisorona Izy, ka ny fiakarana any Jerosalema dia mazava loatra, araka ny lazain’i Md Tomà hoe “ndeha hiakatra hiara-ko faty Aminy any” (Jo 11, 16). Amin’ny filazany fanintelony ny Fijaliany dia ambarany mazava fa izao fiakarana any Jerosalema farany izao no hahatanteraka ny Soratra Masina rehetra mikasika Azy dia ny matoanteny enina entin’i Marka hanehoana ny asan’ny olombelona: hohelohina, hatolotra ny jentily, hoesoina, hororana, hokapohina ary hovonoina “ary” (fa tsy “fa”) hitsangan-ko velona afaka hateloana, entina ilazana ny asan’Andriamanitra fitiavana, Tompo sy loharanon’Aina.

Ny tohin’ny Evanjely dia mampahatsiaro antsika ny fomba fihevitsika olombelona (fa tsy ny mpianatra ihany) manoloana ny misterin’ny Lakroà. I Jesoa manatona ny mpianatra mba hanambara ny misterin’ny Lakroà, ny Zanak’i Jebede manatona an’i Jesoa mba hi-“assurer” ny toerany, mba ho azo antoka ny toeram-boninahitra any amin’ny hafenoan’ny voninahitra.

Tianay mba ataonao aminay izay angatahinao aminao.

Izany no vavaky ny olombelona. Miangavy amin’Andriamanitra mba ho tanteraka ny sitrapon’ny tena. Tsy Kristian’ny fanirian’olombelona anefa i Jesoa fa Kristian’ny fampanantenan’Andriamanitra. ny mety ho tsy fahatanterahan’izany faniriana izany anefa dia mazàna mamily ny fon’ny olona ho any amin’ny “kristy” hafa izay mety mampanantena azy ny fahasambarana tadiaviny. Taorian’ny filazana voalohany ny hijaliany dia i Piera no niditra an-tsehatra niteny mafy Azy (Mk 8, 32); taorian’ny filazana fanindroany dia ny hiady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra no nimasoan’ny Mpianatra (Mk 9, 33ss). Eto dia ho tanan-kavia sy havanana no irian’ny Zanak’i Zebede, tsy ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra fa ny hitady Andriamanitra hanao izay tiany hatao, hahazoana toeram-boninahitra any amin’ny voninahitra.

Fantatsika anefa fa Jiolahy roa no teo anilan’i Jesoa rehefa nasandratra teo amin’ny voninahiny Izy. Ny mpianatra, samy nanavotra ny ainy, saingy ampahatsiahivin’i Jesoa fa tsy misy lalana hafa hizorana ho amin’ny fiombonam-boninahitra Aminy afa-tsy ny fisotroana ny kapoaka nosotroiny sy handray ny batemy anaovana Batemy Azy.

Ary satria tsy fampanantenana toeram-boninahitra no nahatongavan’i Jesoa fa ny hampianatra hanompo, dia izay no ampianariny antsika ihany koa. Satria tsy tezitra tamin’ireo zanak’i Zebede tahaka ny nataony tamin’i Piera sy ny Mpianatra teo aloha i Jesoa, dia ny mpianatra folo lahy kosa no nampiseho ny hatezerany tamin’izy roa lahy. Samy naniry io toerana io ihany anefa izy rehetra (Mk 9, 34) saingy izy roalahy no sahy naneho ny heviny.

Eo amin’izao tontolo izao, ireo heverina (δοκέω dokeo) ho mpifehy (ἄρχω archo)  no mitsangana ho tompo mandidy izay hoe manao izay hiankinan’ny hafa loha aminy mba hanandevozany azy (κατακυριεύω, katakyrieuo),  ary ireo lehibe (μέγας megas) no miseho ho mpifehy manam-pahefana, manampatra ny fahefany amin’ny hafa (κατεξουσιάζω katexousiazo). Ho an’ny mpianatra kosa, mazava ny fampianaran’i Jesoa: izay lehibe no ho mpanompo (διάκονος diakonos), ary izay te ho ambony indrindra (πρῶτος protagoniste) dia ho mpanompon’ny rehetra, δοῦλος, ho zary toetra ilay fanompoana, hatramin’ny fahafoizana ny aina ho takalon’aina (λύτρον lytron) ho an’ny maro.

Hanampy antsika hanetry tena anie ny fibanjinana sy ny fanaovana ny famantaran’ny Hazofijaliana isan’andro.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Ny Famangian’i Maria – 31 mey
PREVIOUS
Talata fahavalo mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.