Trinitera Malagasy
Talata fahaenina fankalazana ny Paka

Talata fahaenina fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 16, 22-34
  • Salamo137
  • Md Joany 16, 5-11

Ny Vakiteny voalohany moa milaza ny nikapohana an’i Paoly sy Silasy ary ny nanaovana azy ireo an-tranomaizina. Ny antony dia satria nisy olona nanana andevovavy mpisikidy izay nentin’ilay tompony nifetsy ny olona hahazoana vola. Noroahin’i Paoly ny demony nangeja io andevovavy io ka afaka, ary mazava loatra fa very fihinanana ilay tompony. Noho ny fahatezerana no nanendrikendrehany an-dry Paoly ho mpanakorontana tanàna sy mpampianatra fomba tsy azon’ny Romanina atao.

Ny horohoron-tany, mateti-pitranga amin’iny faritra iny, saingy fahagagana no ilazan’ny mpanoratra azy eto, no nentin’Andriamanitra namaly ny fiderana Azy nataon’i Paoly sy Silasy, ka namahany ny fatoran’ny mpifatotra rehetra. Ary satria ny fahafatesana no miandry ny mpiambina raha sanatria milefa ny gadra (Asa 12, 19; 27, 42) dia saika hamono tena ilay mpiambina saingy nosakanan’i Paoly. Izany fitiavana izany no nampisokatra ny fony ary nahafahany nihaino ny Teny sy niandrandra ny famonjena, ka nangatahany hatao Batemy io alina io ihany miaraka amin’ny tao an-tranony rehetra.

Tsipihin’i Md Lioka fa marika hitarafana ny fibebahana marina ny fitsinjovana ny fahorian’ny hafa, ka ny zavatra voalohany nataon’ilay mpiambina dia ny nitondra an’i Paoly sy Silasy tany an-tranony sy nanasa ny ferin’izy ireo. Tsy natahorany intsony ny ho faty, satria zavatra tsy azony atao avy izany, araka ny lalàna. Ny finoana marina dia mitondra hafaliana feno mandrakariva ho an’izay mandray sy mivelona azy.

Finoana no hahafahan’ny Mpianatra mahita fa mahasoa ny handehanan’i Jesoa, ka hahafahan’izy ireo mandray ny Fanahy Mpanafaka alahelo (παράκλητος parakletos). Tsy hisy hanontany hoe ho aiza Izy, na dia tsy mbola azon’ny mpianatra aza fa ny fahafatesany dia ny fiombonany amin’ny Ray sy ny rahalahiny (iantsoan’i Kristy tafatsangan-ko velona ny mpianany: Jo 20, 17). Ny fitsanganan-ko velona, ny Paka ankalazaintsika dia ny fandalovana avy amin’ny alahelo ho amin’ny hafenoan’ny hafaliana, ka hahafahana mibanjina ny asan’ny Fanahy, omen’i Kristy ny Mpianany avy eo ambonin’ny hazofijaliana (Jo 19, 30).

Roa ny asan’ny Fanahy: handresy lahatra izao tontolo izao (evanjely anio) ary hitari-dalana ny Mpianatra ho amin’ny hafenoan’ny fahamarinana (Jo 16, 12-15, rahampitso). Tsy hiampanga (Satana) an’izao tontolo izao Izy fa handresy lahatra (ἐλέγχω elenKo):

– ny amin’ny fahotana, izany hoe hampahafantatra an’izao tontolo izao fa fahotana ny tsy finoana fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra, ka hanampy an’izay manameloka an’i Jesoa hiaiky fa Izy no ilay mpamonjy an’izao tontolo izao (Jo 4, 42), Izy no ilay Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao (Jo 1, 29);

– ny amin’ny fahamarinana, izany hoe haneho amin’ny olona ny hatsaran’ny fitiavana neken’i Jesoa hatramin’ny fahafatesana ka nanandratan’ny Ray Azy any amin’ny voninahitra, hahavaky bantsilana ny laingan’i Satana, ka hanehoan’ny Fanahy amin’izao tontolo izao fa tsy faharesena tsy akory ny Lakroà fa fandresen’ny fitiavana. Ny fahamarinana dia i Jesoa maty, miverina mankany amin’ny Ray.

– ny amin’ny fitsarana, satria ny filohan’izao tontolo izao nanameloka an’i Jesoa no voatsara; nasehon’Andriamanitra fa ny Lakroà no fitsarany ny ratsy sy nanavotany an’izao tontolo izao ka hanalàny an’izay mino Azy tsy ho eo ambany fahefan’ny filohan’izao tontolo izao (Jo 12,31; 14,30, 16, 33).

Izay manaiky hotarihin’ny Fanahy no afaka hihira ny Salamo 137, hidera ny Tompo amin’ny fo tontolo, satria mihaino vavaka Izy, hatsaram-po sy fahamarinana ka mamaly amin’ny andro iantsoana Azy, manome hery ny fanahy ary mamaly soa ny ratsy vita tamin’ny mpanompony. Alaivontsika sary an-tsaina hoe i Jesoa, eo ambony hazofijaliana, avy mivavaka ny Salamo 22 (Andriamanitra o, nahoana no dia nilaozanao aho) dia mihira ity salamo ity koa.

Tsy nanafaka Azy tamin’ny fahoriana ny Ray, fa nanome Azy kosa ny hery, hijoroana vavolombelona. Mihaino vavaka Andriamanitra, satria ny vavaky ny Mpanompony dia ny mba hanjakan’ny fitiavana, ny hahanany hery hanao izay nandidiany mba hahalalan’izao tontolo izao ny fitiavana hifalonorany amin’Andriamanitra Rainy (Jo 14, 31).

Ho haintsika anie ny hihaino ny bitsiky ny Fanahy ka hiara-paly amin’ny fandresen’i Kristy an’izao tontolo izao.  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Ireo fanomezana Fiton’ny Fanahy Masina
PREVIOUS
Alatsinainy fahaenina fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.