Trinitera Malagasy
Alarobia fahadimy fankalazana ny Paka

Alarobia fahadimy fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 15, 1-6
  • Salamo 121
  • Md Joany 15, 1-8

Ny fitaran’ny Evanjely dia mazava loatra fa midika ihany koa hoe fitaran’ny sedra sy ny olana tsy maintsy vahana amin’ny fampanaraham-bolontany (inculturation) sy ny fanadiovana ny kolotsaina hifanaraka amin’ny Evanjely (évangélisation). Raha banga ny iray amin’ireo (fidelité à Dieu et fidélité à l’homme) dia mandringa ny firosoam-panahy sy ny fivoarana ara-pastoraly. Anisan’ny fifandirana lehibe indrindra teo amin’ny fiandohan’ny Fiangonana ny resaka famoràna. Ho an’ny Jody dia masina ny Lalàn’i Moizy, ka tsara sy ara-drariny raha manaraka izany avokoa ny rehetra, na ireo izay te ho tonga kristianina aza.

Ary mba hanapahan-kevitra araka ny Fanahy Masina dia niakatra tany Jerosalema i Paoly sy Barnabe ary ny sasany tamin’ny andaniny mba handinika miaraka amin’ny Apôstôly izay tokony hatao. Mitohy amin’ireto andro ireto moa ny lahatenin’i Piera sy Jakoba ary ny taratasy nosoratana vokatr’izany dinika izany teo ambany fanilovan’ny Fanahy Masina.

Ny Evanjely kosa indray, mandalina ny fiombonan’ny mpianatra amin’i Jesoa. Ny fiafaran’ny toko faha-14 dia ny hoe: “Mitsangàna, andeha isika hiala eto”. Ny fiantombohan’ny toko faha-15 kosa indray dia ny hoe “Izaho no tena fotoboaloboka”. Ny fotoboaloboka dia tsy afaka ny hamoha raha mifindrafindra. Inona ary no tian’i Jesoa holazaina amintsika? Antsoin’i Jesoa isika mba hiala eo amin’ny toerana nankaherezany antsika eo anatrehan’ny tahotra sy ny hamafin’ny fo tsy te hiditra ao amin’ny lalan’ny hazofijaliana ka antsoiny mba hamoa be sy ho tonga mpianatra marina tokoa. Antsoiny hiala amin’ny toerana tiantsika hitoerana ka hanaraka Azy amin’izay toerana sitrak’Izy Ray hambolena antsika miaraka amin’i Jesoa, ka hitsiriantsika sy hitomboana ary hitondrana vokatra be dia be.

Izany no sarisary ampiasain’i Joany: foto-boaloboka “volen’ny Ray”. I Jesoa no fototra ary isika no rantsana. “Izaho no” (YHWH) Izy Andriamanitra no ilay mofon’ny fiainana (Jo 6,35), fahazavana (Jo 8,12), varavarana (Jo 10,7.9), mpiandry ondry (Jo 10,11), fananganana sy fiainana (Jo 11,25), lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jo 14,6), izao Izy dia milaza fa “ilay tena” foto-boaloboka, tahaka ny nilazany fa Izy no mofo, ilay tena izy (Jo 6,32), satria Izy no afaka manome ny vokatra ho voninahitry ny Ray.

Ny Ray no mpamboly. Ao amin’ny Soratra Masina dia marobe ny tomany ataon’Andriamanitra amin’Israely, tanim-boalobony: foto-boalobony (jereo Izaia 5, 1ss), izay tsara karakara kanefa nisafidy ny tsy hiombon’aina Aminy ka tsy hivelona amin’ny loharanon’aina atolony (Jeremia 2,13). Ny Mpianatra dia rantsana miray amin’i Kristy, ka sady mivelona Aminy no mitondra vokatra tahaka Azy.

Ahoana ary no hiraikitra Aminy nefa tsy hamokatra? Satria mety ho kobaka am-bava ny fanarahan-dia Azy, ka tsy vonona ny handray ka hivelona araka ny Teniny (cf. Mt 7,21-23). Mampieritreritra antsika izany tenin’i Jesoa izany, araka ny lazain’i Joany hoe “aza mitia amin’ny teny sy am-bava fotsiny fa mitiava amin’ny asa tokoa sy am-pahamarinana” (1 Jo 3,18).

Atao ahoana kosa indray ny hahazo ny filazan’i Jesoa hoe: hohesorina izay tsy mamoa? Afaka manilika ny rahalahiny tsy hiara-mandova Aminy ve i Jesoa? Dia ahoana indray no hahazo izany raha Izy aza lasa nitady ilay ondrikely nania? Tsy Izy no manilika. Marina sy mahatoky mandrakariva Izy, saingy anjaran’ny olona kosa ary miankina amin’ny fahafahany ny mandray sy mivelona araka ny tsirin’aina ampitain’ny foto-boaloboka (cf. Mt 7,19; 25, 41-46; Rm 11,17-21; 1Kôr 10,11s) na tsia.

Sitrak’Andriamanitra mba hampiasaina amin’izay mitondra vokatra ny aina avy Aminy. Izany no mahatonga ny rantsana maina hohesorina ary ny sampana mamoha mba horantsanana, hodiovina amin’izay mety ho fahotana sy faharatsiana mbamin’ny fitiavan-tena ka hahafahana mamokatra bebe kokoa, tsy ho voninahitry ny tena fa ho voninahitry ny Ray.

Tsy manery i Jesoa fa miangavy, manaja ny fahafahan’ny tsirairay mba hitoetra ao Aminy sy hitoerany. Ambarany mazava anefa fa izay tsy mitoetra ao Aminy dia tsy hahavita na inona na inona. Lazain’ny olon-kendry iray izay (Lallemant) fa mampidi-doza ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa ny olona iray raha sanatria manoka-tena hanao asa pastoraly na asa fitoriana ny Evanjely kanefa tsy manam-potoana hibanjinana Azy Tompo (contemplation), satria tsy ny voninahitrt’Andriamanitra intsony no katsahiny fa ny azy. Hanao fanandramana fohy angamba, hoy izy dia mety ho azo atao ihany. Zava-dehibe ho antsika manko ny fiombonan’aina amin’i Kristy (cf Mk 3,14). Amin’ny fibanjinana an’i Jesoa ka hitomboan’ny fahalalantsika Azy no hahafahantsika mitia “tahaka ny nitiavany” ary amin’ny fiombonana aina aminy no hahazoantsika ny hery hanatanterahana izany.

Raha mitoetra ao Aminy isika ka mitoetra ao amintsika ny Teniny dia hangataka izay tiantsika isika ka atao amintsika izany. Tsy afaka ny ho tia zavatra ankoatr’izay tian’i Jesoa izay mitoetra ao Aminy ka mitandrina ny teniny. Ny vavaka no mampitombo ny faniriana, hoy i Md Augustin ka mampitatra ny fo handray ny hafenoam-pahasoavana efa omanin’Andriamanitra ho antsika, ka hamokatra bebe kokoa hahafahana manome voninahitra ny Ray. Tian’Izy Ray manko ny hanome antsika izay rehetra nomeny ny Zanany lahitokana: ny fiainana mandrakizay (cf Jo 3, 35).

Tsy vitan’ny hafanam-po indray andro ny maha-mpianatr’i Kristy fa ezaka isan’andro isan’andro. Iriany mba ho voninahitry ny Ray isika sy ho tonga mpianany. Efa navotany tamin’ny haizina isika fony mbola tsy nino ka hosanatriavintsika anie ny handao ny fahamarinana ambaran’ny Teniny izay manazava ny fiainantsika manontolo (Vavaka fangatahana).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
 Alakamisy fahadimy fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Talata fahadimy fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.