Trinitera Malagasy
 Alakamisy fahadimy fankalazana ny Paka

 Alakamisy fahadimy fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 15, 7-21
  • Salamo 95
  •  Md Joany 15, 9-11

Ny lahatenin’i Piera, manoloana ny fifandirana ny amin’izay tokony hataon’ny Jentily manoloana ny lalàn’i Moizy, dia hahafahantsika mahafantatra ka mibanjina ny endrik’ilay Andriamanitra notorian’ny Apôstôly: tsy misy hafa eo anatrehany na Jody na Jentily, samy omeny ny Fanahiny, tsy noho ny fahamendrehana na noho ny fitandremana ny Lalàna fa fitiavany maimaim-poana. Nahoana no ampitondraina ny hafa ny jioga izay mavesatra na ho antsika aza, hoy izy.

I Jakôba izay fatra-panaja ny fomban-drazana sy mirehareha amin’ny maha-jody azy, nankalaza ny fahatanterahan’ny fampanantenana natao tamin’i Davida, ka hitaran’ny famonjena sy ny fiantsoana ny anaran’YHWH avy amin’ny firenena rehetra, dia nilaza ny heviny fa tsy tokony hasarotina ny fanatonan’ny Jentily an’Andriamanitra, ka tsy tokony hasiana didy hafa koa ankoatry ny fifadiana ny ratsy, ny fijangajangana sy izay mety ho fanompoan-tsampy.

Ny tenin’i Moizy vakiana isan-tSabata dia mampianatra momba ny Lalàn’Andriamanitra, mampahatsiaro amin’ny vahoaka ny fomba nitiavan’Andriamanitra ny Vahoakany. Izany vonjy entin’Andriamanitra izany no tokony hokaloin’izay mino Azy, ny hitory ny asa mahagaga ataony hampijoroana ny tany sy hitsarana araka ny hitsiny no iantsoany ny vahoakany (Sal 95). Mazava ny tenin’i Jesoa amin’ny Evanjely: ny tsirairay dia mitia toy ny nitiavana azy. Tahaka ny nitiavan’ny Ray Azy no nitiavan’i Jesoa antsika, ary tahaka ny itiavany antsika no iriny mba hifankatiavantsika.

ἀγαπάω (agapao = mitia), ἀγάπη (agapê = fitiavana) moa dia entina milaza ilay fomba fitiavan’Andriamanitra izay manome manontolo sy maimaim-poana, ka izany no anasan’i Jesoa ny mpianany hitoetra ao amin’io Fitiavana io, hahatonga ny fitiavana ho “trano fonenana” hahafahana manandrana ny hamamin’ny maha-zanaka sy maha-mpirahalahy sy anabavy, amin’ny fitandremana ny Didy. Izany no lalana mitondra amin’ny fahalavorarian’ny hafaliana satria ny fiombonana aina amin’Izy Ray dia mameno hazavana ny fiainana ka tsy hahafahan’ny haizina mahita irika ao intsony. Ny hafaliana dia vokatry ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanana, fitia hifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka, hafaliana lavorary iriany mba ho fiainantsika koa.

Izany hafenoan’ny hafaliana izany no fanirian’i Jesoa ho antsika tsirairay avy, dia ny hafaliany tsy miandry valiny intsony fa faly satria notiavina dia afaka mitia koa. Mazàna ny tsy fahazoana valim-pitia, na ny fahadisoam-panantenana no mahatonga antsika hilofika ao anatin’ny alahelo sy ny fahakiviana. Ambaran’i Jesoa fa ny fitiavany (ἀγάπη agapê) ihany no hahatongavantsika amin’ny hafaliana feno fatra, izay tsy manana antony manokana ankoatra ny fitiavana.

Arakaraky ny hahatsapantsika ny fitiavana itiavana antsika araka izany no mampitombo ny hafaliantsika ka mahatonga antsika ho mpianatra marina, miombona aina amin’i Kristy, satria tsy afaka hanao intsony afa-tsy ny sitra-pony, izany hoe izay mifanaraka amin’ny hafaliana sy ny fiadanana ary ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitandremana ny didim-pitiavana no fitoerana ao amin’ny. Fitiavany.

Ny fahasoavan’Andriamanitra no mahatonga ny mpanota ho olo-marina sy manova izay zoim-pahoriana ho sambatra, ka izany fahasoavany izany anie no hitahiry antsika ao amin’ny fitiavany (Vavaka fangatahana). 

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma fahadimy fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Alarobia fahadimy fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.