Trinitera Malagasy
Zoma fahaefatra fankalazana ny Paka

Zoma fahaefatra fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 13, 26-33
  • Salamo 2
  • Md Joany 14, 1-6

Mitohy ny toritenin’i Paoly tamin’ireo Jody tao Antiokia any Pisidia. Rahampitso moa mbola mitohy izany fitantarana izany ka ny vakiteny (Asa 13, 44-52) dia milaza ny fahaviniran’ireo Jody, tsy manaiky izany Andriamanitra manaiky hofantsihana amin’ny hazofijaliana izany. Izany famantsiana tamin’ny hazo izany no nanatanterahan’ny mponin’i Jerosalema sy ny lehibeny ny zavatra rehetra voalazan’ny mpaminany momba an’i Jesoa. Tsy nahita izay antony hanamelohana Azy dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty, ary na ny fanesorana tamin’ny hazo sy ny fandevenana tao am-pasana aza dia nolazainy ho asan’ireo nitsangana ho fahavalon’i Kristy. I Josefa sy Nikodema moa dia mpikambana tao amin’ny filan-kevitra, ary araka ny lazain’i Matio dia mbola izy ireo (ny lohandohan’ny Mpisorona sy ny Farisianina) no nanisy tombonkase ny vato sy nametraka mpiambina mba hahazoana antoka marina ny amin’ny fasana (Mt 27, 62-66).

Manoloana izany anefa dia amafisin’i Paoly, tahaka ny efa nataon’i Piera, izay anisan’ireo vavolombelona niara-niakatra tamin’i Jesoa avy any Galilea, fa ny nananganan’Andriamanitra an’i Kristy ho velona no fahatanterahan’ny fampanantenana nataony tamin’ny Razan’izy ireo, ka nananganany an’i Jesoa ho Tompo sy Kristy (Zanak’Andriamanitra).

Ny Evanjely kosa, mitohy amin’ny toko faha-14, taorian’ny fanomezana ny didy vaovao, sy ny hilazany ny handavan’i Piera Azy, dia mankahery ny mpianatra i Jesoa mba tsy hitebiteby noho ny fahafatesany izy ireo, satria tsy fandaozana izany fa fisantarana izay lalana tsy maintsy hizoran’ireo te hanara-dia Azy. (jereo alahady V taona A).  Ny lalan’ny Lakroà no lalana hankanesany any amin’ny Ray, amin’ny fanekena hatramin’ny farany ny sitrapon’ilay naniraka Azy.

Ny tranon’ny Ray, izay misy toerana maro izay amboariny ho an’ireo mpianany dia tsy inona fa ny fiombonan’aina ho an’ireo izay mino Azy, satria Izy nitsangan-ko velona no manome ny Fanahy, ho mpanafaka alehelo sy ho mpisolovava (alatsinainy V Paka). Izy no Varavarana hidirana ao amin’ny vala, Izy no lalana hizorana mankany amin’ny fiainana, na ny marimarina kokoa, ilay Mpiandry ondry mitari-dalana mankany amin’ny fahasambarana nampanantenain’ny Ray. Lalana Izy satria mampahafantatra antsika ny fahamarinan’Andriamanitra, maneho amintsika ny tena endrik’ilay Andriamanitra tsy hita, ilay tsy manam-paniriana afa-tsy ny hahasambatra ny olombelona, ary hahafahantsika ihany koa mibanjina ny hasina maha-olombelona antsika, na dia eo aza ny fahalovana vokatry ny fahotana; izany fahalalana izany no hahafahan’izay mandray Azy hiditra amin’ny hafenoan’ny fiainana.

Ny lalana araka izany dia tsy arabe fa i Jesoa izay arahintsika; ny fahamarinana dia tsy ny hevitra hiadivana fa olona hofantarina ary ny fiainana dia tsy velombelom-poana fa velona mba hitia sy hanasoa ny hafa. Ao amin’i Jesoa araka izany no fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany, ireo lalana nanampy an’Israely mba hizotra amin’ny fiainana (Det 30, 15), ka tsy tany nampanantenaina, izay nafangaron’izy ireo amin’ny faniriana ao an-dohany no tanjona fa ny tranon’ny Ray.

Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalan’i Kristy. Izy no hahafahantsika mahalala an’Andriamanitra sy ny olombelona ka hitiavana araka ny didy vaovao nomeny, dia ny fitiavana izay lalana tokana hahafahana manandrana ny fiainan’Andriamanitra ka hahafahantsika kosa hateraka araka an’Andriamanitra (1 Joany 4, 7b).

Hitombo ao amintsika anie ny finoana an’Andriamanitra sy ny fahalalana an’i Jesoa ilay “Lalana sy fahamarina ary fiainana” ho antsika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahaefatra fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Alakamisy fahaefatra fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.