Trinitera Malagasy
3 mai: fankalazana an’ Md Filipo sy Jakoba, Apôstôly

Njara Pascal
  • 1Korintianina 15, 1-8
  • Salamo 18
  • Md Joany 14, 6-14

Amin’ny fankalazana ireto Apôstôly Roalahy ireto dia aroson’ny Fiangonana hankalazaina ho zary fiainana ny toko faha-14 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany. Afatra voalohany ampitain’i Jesoa amin’ny Mpianany fa ho an’izay mino dia tsy tokony hitebiteby fo, na dia tsy ho hitan’ny maso sy hotsapain’ny tanana amin’ity fiainana ity intsony aza izy. Tsy hoe lasa manko izy fa ny fomba onenany eto anivontsika, avy eo an-kavanan’ny Ray, no miova, ary lazain’ny Evanjely anio aza fa hahavitan’ny Mpianany asa lehibebe kokoa noho ny nataony.

Tsara ihany anefa ny mahatsiaro ny fiainan’ireo te hanara-dia an’i Kristy: ankoatry ny tolona anaty hahafahana mandray marina tokoa ny teny ka mivelona azy dia eo koa ny tolona ivelany. Teny tsy misorona no nolazain’i Jesoa tamin’ireo mpianany: raha izaho filoha aza nohenjehiny, nahoana moa no tsy hanenjehany anareo! Henontsika tamin’ny fitantaran’i Lioka ny Asan’ny Apôstôly omaly fa efa nikaon-doha hitady izay hamonoana ny Apôstôly ny Lohandohan’ny Mpisorona. Soa fa nihaino ny torohevitr’i Gamaliela izy ireo.

Ampy hisedrana izany olana rehetra izany ve ny finoana an’i Jesoa  (Evanjely anio) sy ny Fitiavana vokatry ny Fanahy Masina (ny tapany faharoa amin’ny toko 14)?

Ny finoana no hahafahantsia mahafantatra fa izy no lalana mitondra any amin’ny Ray, fa tsy sanatria ny lalàna ataon’olombelona izay “mihevitra araka ny tany” ihany, izy no ilay hany tokana nidina avy eo an-tratran’nt Ray ka afaka manoro antsika ny Lalana, izy Zanaka, hahatongavana any amin’ny Ray: mahafantatra azy dia mahafantatra ny Ray; Izy no fahamarinana manambara ka Zanaka atsangan’Andriamanitra ao aminy isika, ka ny fiombonantsika amin’i Kristy dia hiraisantsika aina amin’ny maha-Zanaka lahitokana Azy; Izany no fiainana. Ny fianana mandrakizay moa, araka ny ambaran’i Joany aoriana kely (fanombohan’ny toko 17) dia izay “fahalalana” an’Andriamanitra izay. I Kristy no fiainana araka izany satria amin’ny alalany no hahalalantsika an’Andriamanitra Ray sy hahalalantsika ary handraisantsika anjara amin’ny maha-zanaka tian’Andriamanitra antsika.

Ny valintenin’i Jesoa amin’i Filipo dia fiekem-pinoana ho antsika rehetra, Filipo moa dia nantsoiny hanaraka azy (Jo 1, 43-46), nanontaniany mikasika ny mofo (Jo 6, 5ss), ilay nitondra ny vavak’ireo grika naniry hahita an’i Jesoa (Jo 12, 21ss). Ny fanirian’i Filipo dia faniriantsika sy ny olombelona tsirairay avy: te hahita ka hahalala ny tena endrik’Andriamanitra marina tokoa. Averimberiko matetika ny hoe: ny olona dia tsy afaka ny tsy hanahaka ny endriky ny andriamanitra tompoiny. Ny fahalalana ny endrik’Andriamanitra marina ao amin’i Jesoa Kristy araka izany no mahatonga ny Kristianina hampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjelin’i Kristy.

Eto koa i Md Joany dia manitsy ny vavaka ataon’ny Kristianina: ny antony hivavahana dia tsy hoe mba andeha araka ny irintsika ny zavatra rehetra. Mety tsy ho ny voninahitr’Andriamanitra manko no katsahintsika amin’izany fa ny voninahitry ny tena ihany. Izay rehetra angatahintsika amin’ny anaran’i Jesoa dia omeny mba ho voninahitry ny Ray ao amin’ny Zanaka, hoy Joany. Omeny izay rehetra angatahintsika amin’ny anarany, tsy ho voninahitsika fa ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

Izay fikatsahana ny voninahitry ny Ray izay, anefa raha tsy hitandremana dia mora mifangaro foana main’ny fikatsahana ny voninahitry ny tena, ka ny tsirairay amin’izao fetin’ny Apôstôly roalahy izao no mandinika ny tenany, sao sanatria ny fikatsahana ny voninahitra ho an’ny tena no hampitozo ny fiainana tsy ho amin’ny fahasambarana fa ho amin’ny hakiviana.

Ny ahafantarana fa asan’Andriamanitra ny asa iray, ary izay no ampahatsiahivin’ny salamo setriny, dia satria Andriamanitra no omen’ny zavaboariny voninahitra. Ny hafa hahita ny asa soa ataonareo, hoy Jesoa dia hanome voninahitra ny Ray any an-danitra (Mt 5, 16).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy fahaefatra fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Alarobia fahaefatra fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.