Trinitera Malagasy
Alarobia fahatelo fankalazana ny Paka

Alarobia fahatelo fankalazana ny Paka

Njara Pascal
  • Asa 8, 1-8
  • Salamo 65
  • Md Joany 6, 35-40

Tsy nampitony fa nampitombo ny haromontan’ny mpanenjika ny fahafatesan’i Etiena, ka ny androtry ny namonoana azy ihany dia fanenjehana mafy no nataon’izy ireo tao Jerosalema. Hain’Andriamanitra anefa ny nampiasa izany mba hanaparitahana ny Tsimoky ny Fanjakany ivelan’i Jerosalema, araka ny hafatr’i Jesoa rahateo hoe: raha enjehina ianareo dia mandosira amin’ny tanàna hafa (Mt 10, 23). I Saoly (שָׁאוּל) kosa, nisambotra sy nanao an-tranomaizina ny mpino na lahy na vavy. Ny zotom-pony hiaro izay noheveriny ho marina araka ny lalàna no nanaovany izany, na tsy mifanaraka amin’ny zavatra nampianarin’i Gamaliely aza izany, raha jerena izay nolazain’ity nolazainy ho mpampianany (Asa 5, 38; 22, 3).

Ny Tenin’Andriamanitra kosa nitatra, hatrany Samaria ary ambaran’i Lioka mazava ny herin’ny Teny, hazavana izay mandroaka ny haizina sy ny fanahy maloto, manitsy ny fiainana mba hizotra mankany amin’ny fahasambarana. Ny fitantaran’i Lioka moa dia mifanaraka amin’ny filazan’i Jesoa fa ho vavolombelony eo amin’i Jodea manontolo sy Samaria ary hatrany am-paravazan-tany ny Apôstôly (Asa 1, 8).

Lazain’i Beda le Vénérable anefa tsy ny finoana an’i Kristy daholo akory no antony nahatonga ny Samaritana hatao batemy. Misy ireo nino hoy izy, fa nisy kosa ireo nanaiky hatao batemy mba hahafahany mijery ny fomba hianarana ny fahagagana nataon’i Filipo.  Tsy sanatria ho fitadiavana tombontsoa na fikatsahana fahaizana entina hamalifaliana ny fitia te hahalala zavatra, fa tsy fikatsahana ny fahamarinana hanitsiana ny fiainana ho amin’ny fahasambarana no manentana antsika hihaino sy hamaky ny Tenin’Andriamanitra.

Mampalahelo ny maheno fa ny sasany, toroan’ny ratsy fanahy hevitra, hanokatra ny Baiboly tsy hamaky ny Teny, tsy hitady ao ny Tenin’ny fiainana izay tokony halalinina sy hiainana, fa hitady volo hono, satria izany no fanafody mahasitrana. Izay mino, dia tsy ho adalain’i Satàna, ka sanatria hanimbazimba ny Baiboliny ho tonga sampy. Hamakiana sy hanovozana ny Teny hoenti-miaina sy hanatsarana ny fomba fiainana mba hifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny Baiboly, fa tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa.

I Jesoa no ilay Teny nahariana izao rehetra izao, tonga mofon’ny fiainana, atonintsika mba hahazoana izany fiainana araka an’Andriamanitra izany. Hoy Izy:  ἐγώ εἰμι, “Izaho no” (Jo 6,35). Io no ”Anarana” nisehoan’YHWH tamin’i Moizy  (Eks 3, 14). Misy mahita Azy nefa tsy hino ny maha-Andriamanitra Azy. Tsy afaka ny hino Azy izay tsy miditra ao amin’ny “Eokaristia”, amin’ny fiekena fa fanomezan’ny Ray avokoa ny zavatra rehetra, ary na ny fiekena ny marina mba hahafahana manatona ka mino an’i Kristy aza dia mila angatahina satria fanomezana. Asan’ny Ray no manolotra antsika amin’ny Zanaka mba hotahiriziny. Tsy afaka ny hino an’Andriamanitra araka izany izay mihevitra ny tenany ho “andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra” (Jo 5, 44), ka aleony ny haizina toy izay ny hazavana. Izy kosa, amin’ny andro farany, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy (Jo 12,32). Izy nanolotra ny tenany teo ambony hazofijaliana no nanomezany antsika ny Fanahy (Jo 19, 30).

Ny fiombonantsika amin’ny Zanaka mba hananana ny aina sy hahatongavana ho mpandova no sitrapon’ny Ray. Ny fiombonana amin’ny Zanaka no hahafahantsika mitia ka miditra ao amin’ny fiainana izay tsy ho levona mandrakizay. Ny fahitantsika ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny Zanaka no finoana Azy, ka hahafahantsika miara-maty Aminy ny amin’ny fahotana ary hiara-mitsangana amin’i Kristy nitsangan-ko velona ho amin’ny fiainam-baovao.

Izay mahita fa eo amin’i Kristy maty nahafoy ny ainy mba hilazana fa ny fitiavana fa tsy ny herisetra no lalana mitondra amin’ny fiadanana, ary manaiky fa ny fikatsahana izany fiadanana sy fandriam-pahalemana izany no hasambaran’ny Zanak’Andriamanitra, dia mampisokatra ny masony hahita fa i Jesoa tokoa no tena Zanak’Andriamanitra. Fa ny finoana Azy, izany hoe ny fampanarahana ny fiainana amin’ny Evanjely notoriany kosa no hidirantsika amin’ny fiainana, tsy aorian’ny fahafatesana fa amin’izay fotoana handraisantsika ny Teny ka hanomezantsika alalana azy mba hanova ny fiainana.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy fahatelo Fankalazana ny Paka
PREVIOUS
25 aprily: Md Marka Evanjelista
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.