Trinitera Malagasy
Alatsinainy fahatelo fankalazana ny Paka 

Njara Pascal
  • Asa 6, 8-15
  • Salamo 118
  • Md Joany 6, 22-29

Taorian’ny fametrahan-tanana dia sady feno ny Fanahy Masina, feno fahasoavana sy fahendrena i Etiena ary tsy hain’ireo tao amin’ny sinagoga sy ry zareo mihevi-tena ho “olon’afaka” notoherina ny fahendreny. Ambaran’i Md Jean Chrysostome fa tsy ampy ny hoe feno ny Fanahy Masina (antony nisafidianana an’i Etiena sy ireo enin-dahy namany) fa mila ny fametrahan-tanana, mila ny sakramentan’ny filaharana mba hampamokatra ny fandraharahana. Ao anatin’izany anefa dia niavaka tamin’ny diakra hafa rehetra i Etiena. Sakramenta iray ihany no noraisin’izy ireo, saingy Andriamanitra mahay mampamokatra izay nantsoiny araka izay tiany. 

Voaantso ho vavolombelona (Martyria) i Etiena, tsy hoe norahonana hikombom-bava toy ny natao tamin’ny Apôstôly no nandrarana sy niampangana azy, fa fanendrikendrehana amin’ny zavatra tsy noheveriny hatao akory: miteny ratsy manohitra an’i Moizy sy Andriamanitra, manentana ny olona hikomy… saingy lazain’i Lioka fa ohatry ny Anjely no fijerin’izy ireo an’ilay voapanga. Ny fahamarinana dia tahaka ny liona, hoy Md Augustin, izay mihevitra hiaro azy no ho voakaikiny. Tsy mila arovana ny fahamarinana fa izy aza no miaro antsika. Izay mahalala fa i Jesoa no fahamarinana dia ho tahaka ny anjely satria matoky fa “vavolombelona”, iraky ny fahamarinana izy, ka « na mpanjaka aza no hipetraka hanameloka dia ny fanambaran’Andriamanitra no fiarovany » (Sal 118).

Ao amin’ny Evanjely kosa dia mitohy ny fitantaran’i Joany: ny vahoaka dia mbola nijanona teo amin’izay namokisan’i Jesoa ny olona dimiarivolahy. Ilay noheveriny halaina ho mpanjaka anefa efa tsy niverina intsony, niafara teo ambony hazo, nofantsihana ho faty, lasa any amin’ny voninahitr’ilay Rainy: “niakatra any an-tendrombohitra”. Ny Mpianatra kosa niparitaka amin’izay nalehany. Nisy sambo hafa koa, hoy ny Evanjely nitady an’i Jesoa tao akaikin’i Tiberiady teo amin’ny toerana nizarany ny mofo rehefa avy nankalaza ny Eokaristia, ny fisaorana. Izao no amaranan’ny litorjia ny Lamesa: “Ite missa est”, izany hoe mandehana fa vita ny lamesa, na ny marimarina kokoa, mandehana fa fanirahana izao, m. andehana mitory ny EVanjelin’i Kristy. Manomboka ny fiampitana ho amin’ny hafenoan’ny fiainana.

Tao Kafarnaoma, tanànan’ny fanalàna alahelo eny an-dafin’ny ranomasina ny vahoaka no nandeha nitady Azy ka rehefa hitany Izy dia tsy ny fanontaniana napetraky ny vahoaka no novaliany fa nampianatra azy ireo Izy sy miantso antsika mba tsy hitady ny mofo izay mbola ho levona.  Kafarnaôma moa dia mampahatsiaro ny fiantsoana ireo mpianatra voalohany, ka hamerimberina ao am-pontsika araka izany ny antony niantsoan’i Jesoa sy ny nanekentsika hanara-dia Azy.

Tsy ampy manko ny mitady an’i Jesoa, ilaina ihany koa ny manadio sy mandalina ny antony hitadiavana Azy. Ny vokatry ny tany, ny harena rehetra amin’ity fiainana ity dia mandalo ihany fa ny harena ao amin’Andriamanitra no maharitra, ny fiombonany aina ao amin’YHWH no fahasambarany mandrakizay (Dt 30,19s). Ny Zanak’olona irery ihany anefa, i Jesoa irery ihany no afaka manome antsika izany fiainana izany. Tsy azo adinoina anefa fa Izy mihitsy no maniry mba hananantsika ny hafenoan’izany fiainana izany. Tsy misy afa-tsy ny Zanaka no afaka manome antsika io fiombonan’aina io, satria ao Aminy, ilay hany zanaka lahitokana no hahafahantsika ho tonga zanaka mpiray lova amin’ny fiainana. Tsy misy afa-tsy ny finoana Azy, izany hoe ny fanekena Azy ho modelim-piainana, dia izy ilay Tenin’ny fiainana nahariana izao tontolo izao. 

Ny anjarantsika dia ny manatona Azy ka mino ny Teniny izay mitarika antsika amin’ny hafenoana sitrany hahasambatra antsika. Raha tsy “famantarana” (σημεῖον semeion) ny fitiavan’Andriamanitra no hitantsika ao amin’ny “fizarana ny mofo” fa filaharana hihinana mofo fotsiny ihany (mba ho hitan’ny olona) dia i Jesoa heverintsika ho raisina mihitsy no milaza amintsika fa diso hevitra isika. Izay mihinana ny Eokaristia dia mila miasa. Miasa mba hanorina ny mandrakizay.

Inona no atao mba hiasana ny asan’Andriamanitra, τὰ ἔργα τοῦ θεοῦ (Jo 6,28 asan’Andriamanitra au pluriel ny fanontaniana)? Mety hisy faniriana hanao ny tsara ihany manko, hoy Md Paoly, saingy ny ratsy tsy tiana indray ny vita (Rm 7, 14-20). Izao no asa’Andriamanitra, τὸ ἔργον τοῦ θεοῦ (Jo 6,29 singulier ny valiny), hoy i Jesoa, tsy maro fa tokana ihany: mino fa fitiavana Izy, mino fa i Jesoa ilay nirahiny no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ny fanolorany ny Zanany (Jo 3, 16) no porofon’ny fitiavany antsika, ary ny antony nandefasany io zanany io dia ny mba tsy hahavery na dia iray aza ireo miombom-piainana Aminy (angonina ho ao anatin’ny sobika 12). Ny hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana hoentina sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy (vavaka fangatahana) no anaporofoan’ny kristianina izany.

Ho sanatriavintsika anie ny hitady an’i Jesoa ho amin’ny fanatsarana ny fiainana ety an-tany fotsiny ka hanadinoana ny hakanton’ilay mandrakizay, tiany hosantarintsika dieny ety ao amin’ny fihinanana ny mofo mba hahavelona antsika amin’ny fanaovan-tsoa.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata fahatelo fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Alahady fahatelo fankalazana ny Paka Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.