Trinitera Malagasy
Sabotsy manaraka ny Lavenona

Sabotsy manaraka ny Lavenona

Njara Pascal
  • Izaia 58, 9b-14
  • Salamo 85
  •  Md Lioka 5, 27-32

Mitohy ny fampianaran’Izaia manoro ny fomba hiainana araka ny sitrak’Andriamanitra ny fifadian-kanina: manesotra izay mampahavesatra ny fiainan’ny hafa, tsy manendrikendrika ary tsy manala baraka, mizara ny foto-pivelomana (aina, nephesh=נֶפֶשׁ) fa tsy ny ambin-tsakafo ho an’ny noana, mamelona ny fanahy miferin’aina dia ho tonga fahazavana hamirapiratra ao amin’ny haizina…

Ny tapany faharoa amin’ny vakiteny voalohany dia manampy antsika handinika ny fomba fanamasinantsika ny שַׁבָּת (shabbat). Manao tsidi-pahitra amin’ny lamesa ve no atao hoe mankamasina ny alahady? Dia rehefa avy eo azo laniana amin’ny fialam-boly hafa rehetra ny tontolo andro? Izany ve no maha-fahafinaretana sy maha-mendrika hohajaina izany andro izany? Raha ny tena marina, ankoatra ny fanajana ny zon’ny olona sy ny biby mba hiala sasatra dia fahatsiarovana ny Paka mandrakizay ny Fiangonan’alahady, ka hamolahan-tena sao sanatria ny fiahiana izao fiainana izao sy ny hafinaretany no mahazo laka ka adino ny mandrakizay, sao sanatria ny fanarahana ny lalantsika no mibahana ka tsy hahita fahafinaretana ao amin’ny Tompo intsony, araka ny lazain’ny Mpaminany. Ny Lamesa araka izany dia santatra ambavaranon’ny mandrakizay, ka raha avy mamonjy lamesa no lasa miliba amin’ny hafinaretan’ny tany dia hanao zavatra mifanipaka ihany. Raha tsy mahafeno fatra ny hafaliantsika ny fiangonan’alahady dia misy zavatra tsy mbola lavorary ao.

Tsy zavatra vitan’ny olona amin’ny heriny samirery anefa izany ka izany no mahatonga ny salamo hamerimberina fa Izy Tompo no antsoina sy hifikirana isan’andro. Avy Aminy ny fahasoavana rehetra hahafahana misantatra ny hamamin’ny Fiainana mandrakizay.

Manamafy izany ny Evanjely. I Levî (לֵוִי= voafatotra, raikitra eo amin’ny famoriana hetra, mifikitra amin’ny seza) no nantsoin’i Jesoa hanaraka azy. Nahatsapa izany ilay nitantara ka niaiky fa fanomezan’Andriamanitra ny fiainany (Ματθαῖος, Matio). Hafaliana ny fibebahana toy izany ka mazava loatra fa any amin’ny fiaraha-misakafo miaraka amin’ny Havana aman-tsakaiza no niafarana. Ho an’ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna dia efa voafaritra ny olom-boavonjy: izay manaraka ny toromarika avy amin’izy ireo. Ny sisa koa mpanota ka na ny mifampikasokasoka aminy aza fadiana sao ho voatarika any amin’ny haizina miaraka aminy.  

Raha ny soa ho an’ny hafa anefa no be ao am-po, araka ny lazain’Izaia Mpaminany, dia hamiratra toy ny mitataovovonana ny haizina. Tsy ny haizina velively no hiditra ao an-trano raha sokafana amin’ny alina ny varavaran’ny trano misy jiro mirehitra fa ny hazavana no mivoaka ka hahasoa ihany koa izay mila izany any ivelany. Hazavana hanilo ny haizina i Jesoa ka hafaliana ho Azy ny fibebahan’ny olona iray. Tsy vitan’ny tsy mifady hanina manko i Jesoa sy ny Mpianany (vakiteny omaly) fa mbola mihinana miaraka amin’ny mpanota koa…

Raha tsy hafaliana ho antsika ny mahita ny hafa miova toetra ka mahafoy ny famorian-ketra mba hitoriana ny Evanjely (hanolotra ny fiainana ho fanomezana ho an’ny hafa) dia tsy afaka ny handray anjara amin’ny hafalian’ny lanitra isika na dia hifady hanina mandrapahafaty aza. Angatahontsika ary ny fahasoavan’Andriamanitra mba hahafahantsika mifaly amin’ny famonjeny antsika aloha, ary hifaliantsika koa amin’ny famonjena tiany ho an’ny olombelona rehetra ka iantsoany antsika tsirairay avy mba hitory izany.

Tompo o! noho ny hatsaram-ponao tsy misy fetra, mitoera mandrakariva miaraka amin’ny vahoakanao izay manatona ny Mistery masinao, mba tsy hisy loza hanambana azy izay nametraka ny fitokisany eo ambanin’ny fiarovanao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy I Karemy
PREVIOUS
ALAHADY KAREMY
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.