Trinitera Malagasy
Alatsinainy fahafito mandavan-taona

Alatsinainy fahafito mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Ekleziastika 1,1-10/Salamo 92/
  • Ankasa Jakôba 3, 13-18/Salamo 18/
  • Md Marka 9, 13-28

Ao amin’ny andininy farany amin’ny toko fahafito dia nolazain’i Marka fa talanjona ny vahoaka satria nampiteny ny moana i Jesoa. Amin’ny Evanjely anio koa dia gaga ny olona rehetra nahita Azy ka nidodododo niarahaba Azy niaraka tamin’izay. Ny antony nampivory ny olona dia ny momba ny zanak’ilay rangahy iray tsy sitran’ireo mpianatr’i Jesoa. Zaza azon’ny demony moana, akapokapony eran’ny tany rehetra dia mandoha vory sy mikatro-nify ary mihinjitrindritra. Raha ny famaritan’i Marka dia mitovy amin’ny voan’ny androbe izany ka mifanintona.

Ny mpianatra niala maina satria tsy ampy finoana, taranaka tsy mpino. Ny finoana no hahafahantsika mijery ny zavatra rehetra araka an’Andriamanitra ka mitondra fahasitranana ho an’izay anjakan’ny haizina satria itoeran’ny fahazavana. Ny vavaka kosa indray no mitondra ho any amin’ny tena finoana. Tsy afaka ny handroaka demony, tsy afaka hanampy ny hafa handre sy hitory fiderana an’Andriamanitra izay mihevitra hanao zavatra tsy miaraka amin’i Jesoa, eny fa na dia ireo mpianatra nahazo fahefana handroaka demony aza (Mk 3, 14ss). Tsy afaka ny handroaka Demony izay mpianatra mihevitra ny hisintaka amin’i Piera, Jakoba sy Joany, hivevitra ny hahavita tena ka tsy hiandry azy ireo izay mbola niara-nivavaka tamin’i Jesoa tany an-tendrombohitra. Miaraka amin’i Jesoa sy ny Egliziny ihany isika no afaka mamokatra.

Firifiry ny olona no mijaly hatramin’ny fony kely, mety tsy mamono tena amin’ny lafiny ara-batana fa mamono tena amni’ny lafiny ara-tsaina sy ara-panahy: kamo mianatra, tsy mazoto mivavaka, mitombo ao anatin’ny ditra sy ny mety ho fikorontanana ao amin’ny fianakaviana. Fa ny tena loza dia ny hasarotan’ny fivoahana avy amin’ny kizon’ny fahazaran-dratsy. Izay miaraka amin’i Jesoa ihany no afaka hitondra “fitsangana-ko velona” ho azy ireny.

Ambaran’i Marka ihany koa fa raha vao nahita an’i Jesoa ny demony dia nampifanintontsitona azy. Eo anatrehan’ny mazava no hahafahana mahatsapa fa mitondra tahotra sy hiafenan’ny ratsy fotsiny ihany ny haizina. Ny fiatrehana ny hazavana anefa mety hanjemby ny maso. Marisika ny fanahy fa ny nofo no osa. Tsy tokony hahagaga araka izany ny hasarotan’ny famolahan-tena ho an’izay maniry ny hiala amin’ny fanandevozan’i Satana.

Tsy mitaky ny finoan’ny mpianatra irery anefa ny fahasitranan’izy ireny fa mila ny finoan’ny Raiamandreniny sy ny fiaraha-monina misy azy koa. Tsy lavitra ity raim-pianakaviana ity isika raha ny marina, miantso vonjy amin’ny tsy finoantsika. Manaiky fa tsy afaka hanao na inona na inona raha tsy miaraka amin’Andriamanitra. Ny Famindram-pony no ivelomantsika ka hahafahantsika miara-maty (sahala ny maty) amin’i Kristy mba hiara-belona aminy koa amin’ny fiainana ny Batemy sy ny sakramenta.

I jesoa koa, ho an’izay manaiky handray ny Teniny ka mametraka ny fitokisana Aminy (mino) dia mandray azy amin’ny tanany tahaka ny nataony tamin’ny rafozam-bavin’i Piera (Mk 1,31), na tamin’ny zanaka vavin’i Jaira (Mk 5, 41) dia manangana azy ireo ho velona (ἐγείρω sy ἀνίστημι). Izay no hitarihan’i Marka tsikelikely ny fontsika mba hahazoantsika ny tena hevitry ny fitsanganany ho velona izay averiny fanindroany aorian’ny filazana ny fitsanganan-ko velon’ity moana ity (Mk 9, 30-32).

Ny Fanahiny Masina anie hanampy antsika handray ny fahazavany ka hivelona ny finoana hahafahantsika mitory Azy maty fa nitsangan-ko velona.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
HAFATRA NY PAPA FRANÇOIS
PREVIOUS
Alakamisy faha-enina mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.