Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-30 mandavantaona

Alakamisy faha-30 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Efezy 6, 10-20/Salamo 143
  • Tsy ankasa Romana 8, 31-39/Salamo 108
  • Md Lioka 13, 31-35

Tadiavin’i Herôda hovonoina ianao.

Fa tsy azon’izy ireo sakanana ve i Herôda mba tsy hamono an’i Jesoa? Misy fiantsaram-belatsihy miafina ao anatin’ny teny mamy, toa mitory fitiavana, saingy raha ny marina dia satria manelingelina ny fomba fisainana sy ny fahazarana ny fihevitr’ilay Mpaminany, tsy afaka ny ho faty ivelan’i Jerosalema. Voninahitr’Andriamanitra mandrakariva manko ny fahafatesan’ny mpanompony, ary ao Jerosalema no tempoly hanolorana ny sorona hanomezana voninahitra an’YHWH.

Ho an’i Md Lioka moa dia i Jerosalema no toerana handavorariana ny zavatra rehetra, ao no hahafatesan’i Jesoa sy hitsanganany ho velona, hisehoany amin’ny Mpianany sy hanafarany azy ireo hanombohana ny fitoriana ny Evanjely. Ao no nitoeran’ny Apôstôly mandrakariva mba hahafeno fatra ny hafaliany (Lk 24, 53).

Lehibe lavitra noho ny fahorian’olombelona (misère) anefa ny fitsimbinan’Andriamanitra. Raha oharin’i Jesoa amin’ny amboadia (ἀλώπηξ, alopex: renard) izay mitady hamono ny mpaminany, dia ohariny amin’ny reniakoho (ὄρνις, ornis) kosa ny fitiavany hiaro ny olona rehetra, eny fa na dia ho an’i Jerosalema mitsangan-ko fahavalon’ny Mpaminany aza. « Le corbeau et le renard », amin’ny « Fable de la Fontaine » no nahita. Ny iray miezaka ny hifetsy mba hihinana hatramin’ny reniakoho miaro ny zanaka, ny iray kosa mahafoy ny aina, toy izay ny zanaka no ho lany tamingana.

Raha ny “réaction” mahazatra, ny fanapahan-kevitra amin’ny tokony hatao manoloana ny fiantsiana ataon’ny Farisianina, ny amin’ny fitadiavan’i Heroda hamono an’i Jesoa (na dia fantatsika aza fa ny Farisianina ihany no nitondra Azy hotsaraina tany amin’i Heroda) dia ny avonavona, fitadiavana izay fomba rehetra hanaporofoana fa afa-miaro tena ary afaka hampihoko ny vahoaka aza mba hanonganana an’i Heroda. Ho an’i Jesoa, ny mety ho fandrahoanana avy amin’ny hafa dia manampy Azy hifantoka bebe kokoa amin’ny asany : mandroaka demony sy manasitrana marary. Tsy maintsy hotohizany ny diany.

Tsy mahasakana amin’ny fanatanterahana ny soa izay mety ho fanembatsembanana ataon’ny ratsy fanahy. Ambaran’ny Evanjely mazava fa tsy ny galileana 18 nianjeran’ny tilikambon’i Siloe akory no olon-dratsy, tsy ilay Galileana iray maty noho ny lalivain’i Heroda sy ny Farisianina no tokony hampalahelo, fa ny fiatsaram-belatsihy mety hitapisaka ao am-pontsika ka tsy hisokafan’ny maso amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra maniry hambomba antsika eo ambany elany.

Hanampy antsika hanovo hery na handany mondron-kery mihintsy aza, amin’ny asan’ny Evanjely anie ny fahatsapana fa tsy afaka ny handresy ny hazavana ny haizina, ary ny Fanahy Masina anie hanokatra ny fontsika hiantsa ny Hallel, ny Salamo fiderana ny fandresen’Andriamanitra, hilaza hoe « Hosoavina anie ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo » (Sal 118, 22), ka hahafahantsika mahita fa velona sy miray lalana amintsika Izy Tompo, toy ny reniakoho vonona hiaro antsika rehetra.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-30 mandavantaona
PREVIOUS
Alarobia faha-30 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.