Trinitera Malagasy
Alarobia faha-30 mandavantaona

Alarobia faha-30 mandavantaona

Njara Pascal
  • Efezy 6, 1-9/Salamo 144
  • Romana 8, 26-30/Salamo 12
  • Md Lioka 13, 22-30

Ampahatsiahivin’i Md Lioka isika fa eny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa. Tamin’iny lalana iny no nahitany ilay azon’ny jiolahy, amin’ily lalana iny no hamangiany an’i Samaria sy Galilea (Lk 17). Eo am-pampianarana ny tanàna sy ny vohitra izy no misy manontany hoe vitsy ve no ho voavonjy. Toa sarotra manko no mieritreritra fa ho vita ny mampifanaraka ny fiainana amin’izay takian’ny Evanjely.

Nanoratra mikasika ny “vavaka mamintina ny Evanjely” (Pater noster) aho, dia misy mametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany ihany: iza no afaka hanao amin’ny fony tokoa ny vavaka nampianarin’i Jesoa? Amin’io vavaka io (Lk 11) anefa no anehoan’i Jesoa fa Izy Ray no miantso antsika ho zanany, na manao ahoana na manao ahoana ny toetrantsika. Tsy ny ezaka ataontsika no maha-zanaka antsika fa kosa ny maha-zanaka no manova ny toetra mba hitahiry fa tsy handanilany foana ny lova efa natolotra holovan-janaka. Izany no manova ny fomba fifandraisantsika amin’ny haren’ny tany, fanomezan’Andriamanitra ho antsika sy hanasoavana ny hafa (Lk 12).

Amin’ny Evanjely ambara anio dia entanina isika hahatsiaro fa tsy tsidi-pahitra akory ny maha-zanaka ka hahafahana manala tsiny ny tena indray andro any hilazana fa mba efa nihinana sy nisotro teo anatrehan’Andriamanitra ihany, efa mba teo an-kianja ihany nihaino ny fampianarany, kanefa ny fiainana nolaniana amin’ny fanaovan-dratsy.

Araka izany, tsy hoe ezaka mba ho tsaratsara kokoa ny atao hoe “fibebahana” fa kosa fahatsapana ny haratsin’ny fahotana fa hahatsapana fa raha tsy mivelona ao amin’ny famindram-pon’ny Ray sy ny fitiavany isika tsy ho sambatra na oviana na oviana. Ezaka mba ho lavorary, ho masina araka izany, satria izay mety ho fahalainana na fisalasalana mety hilalaovana an-dalana amin’izany fanamasinan-tena izany dia mety hanenenana mandrakizay. Izany no tsy maintsy hanaovana lemozy mba hahazoana ny Fanahy Masina (Lk 11, 9-13; 18,1ss), ilay manohana ny fahalementsika (Rm 8, 26ss). I Jesoa ihany moa no varavarana hahafahantsika miditra sy mivoaka (Jn 10, 9), ary izay mihevi-tena ho tsy mila an’Andriamanitra ka manalavitra io varavarana io, hivoaka hitady zavatra hafa ivelan’ny fahasoavana entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy (Rm 8, 28) no ho tavela any ivelany, hitomany sy hikotro-nify, ny tsy fanekena azy no mahatonga azy hanontany antsika toa an’i Adama hoe “fa aiza ianao”.

Tsy ny isan’izay voavonjy àry, araka izany, no tokony handaniana ron-doha. Ny hahavoavonjy ny olon-drehetra no sitrak’Andriamanitra (1 Tim 2, 4), saingy miankina amin’ny tsirairay ny fitahirizana ny aim-panahy maha-zanaka, mba tsy hanenenana amin’ny fiheverana fa nanaonao foana ireo niaina tam-pinoana ka noheverin’izao tontolo izao ho adala noho izany. Ry Abrahama sy Isaaka sy Jakoba, mbamin’izay rehetra nandova izany finoana izany dia mahita fa ao amin’ny fanekena ho faty, toy ny voatsinapy, no hahafahana mandova ny hafenoan’ny fiainana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Ny fihinanantsika eo anatrehany isan’andro ao amin’ny Eokaristia anie hanampy antsika hibebaka marina tokoa, ka hahatsapantsika fa eo anilan’ny mpanota ilay “Varavarana” hidirana, ka ny fahatsapantsika ny filana azy, no maha-voalohany sy maha-farany antsika. Izay akaiky azy, miaiky ny maha-mpanota azy no hamarinina hody any an-trano, satria manaiky hialoka ao ambany elany (Evanjely rahampitso).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha-30 mandavantaona
PREVIOUS
Alatsinainy faha-30 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.