Trinitera Malagasy
Zoma faha-28 mandavantaona

Zoma faha-28 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Efezy 1,11-14/Salamo 32
  • Tsy ankasa Romana 4,1-8/Salamo 31
  • Md Lioka 12, 1-7

Ny lalivay dia taharo mahery vaika mampibohoka ny zavatra mba hananany endrika hafa noho ny tena izy. Misy ny lalivain’ny farisianina ary misy koa ny lalivain’ny Fanjakan’ny lanitra, hampitombo ny koba manontolo (in-telon’ny famarana) ho tonga mofo telo hamahanana ny hanoanana mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny zavatra rehetra nohariany. Antsoin’i Jesoa isika hamantatra izay lalivay mampibohoka ny fiainantsika, na ho amin’ny fiatsaram-belatsihy sy ny fieboeboana eo anatrehan’ny olona, na kosa ho amin’ny fitiavana sy ny famindram-po mampitombo fitiavana an’Andriamanitra sy ny olombelona ary ny zavaboary.

Ny toko faha-11 amin’ny EVanjelin’i Md Lioka dia nanampy antsika hahazo izay loza mety ateraky ny tsy fahafahana miloa-bava hiantso an’Andriamanitra hoe Ray, ny mety ho loza ateraky ny hamafin’ny fo ka mety hahatonga antsika ho vatomisakana tsy hirosoan’ny olona ho mpandova ny fiainana, satria tsy mahalala an’Andriamanitra. Raha zanaky ny fahazavana isika dia mila mandini-tena mba hifanaraka amin’izany ny fiainana eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fampiasana ny zavatry ny tany. 

Tsy misy afa-tsy ny fahatahorana an’Andriamanitra no manampy antsika hiala amin’ny fiatsaram-belatsihy. Raha ny ivelany manko no imatimatesana (mihatsara velatsihy) dia  adino fa ny Ray izay mahita ny ao amin’ny mangingina, izay mahita ny efitrano nanafenany ny hareny rehetra – ταμεῖον (tameion), no mahahalala izay avy ao am-po lalina, ka hamaly soa antsika amin’ny fiantsoany antsika ho zanaka mpandova ny fanjakany. Antsoin’i Jesoa isika handio ny ao anaty mba hahadio koa ny ivelany.

Mila loza (οὐαί ouai) ny Farisiana mpiatsaravelatsihy (ὑποκριτής hypokritês). Tsy afaka ny hiaina ny fahamarinana izay mialokaloka ao ambadiky ny toetra na fahefan’olon-kafa, tahaka ireo mpanora-dalana sy Farisianina, miafina ao ambadiky ny lalàna mba hanafenana ny maha-izy azy ny tena ka hamoretana ny hafa, hanambaniana azy ka mety hisehoana ho ambony sy tompon’ny lalàna aza indraindray. Izay rehetra manao zavatra na dia tsara aza,  nefa tsy entanin’ny fitiavana, dia tia tena ihany ka fiatsaram-belatsihy izany eo anatrehan’Andriamanitra, kipantsona maneno, hoy i Md Paoly (1 Kor 13,1).

Tsy izy ireo ihany anefa no mila loza fa ny mpianatra nila hifanosy koa, izy ireo no nilazan’i Jesoa mba hitandrina amin’izay mety ho asan’ny haizina. Ny hypokritês moa dia tsy maintsy hiverina amin’ny maha-izy azy na ho ela na ho haingana, entin’ny grika ilazana ny mpilalao an-dapihazo manko io teny io, ka rehefa vita ny fampisehoana dia tsy maintsy hiverina amin’ny asany ilay mpiandry omby nilalao ny anjaran’i Faraona teo an-tsehatra. Tsy maintsy hikipaka ny “rideau” hoy i Jesoa, ka tsy tokony hahamenatra izay maha-izy antsika: zanaka tian’Andriamanitra. Matoa isika azon’ny tahotra dia satria tsy latsa-paka ao amintsika izany fitokisana ny fitiavan’ny Ray izany.

Ny tokony hatahorantsika dia ilay afaka mamarina any amin’ny Gehena, ilay fitiavana hitsarana ny fiainantsika ka hampisy heviny azy na tsia. Ny fiainana tsy misy dikany, tsy misy “valeur”-ny eo anatrehan’ny Fitiavana no mivarina any amin’ny afobe, ariana any amin’ny afo toy ny fako. Tsy Andriamanitra anefa no manasazy antsika fa ny safidintsika no mety hampidi-doza antsika, ary mampalahelo Azy izany. Sarobidy eo imasony isika.  

Hampitombo ao amintsika izany fitokosana ny fitiavan’Andriamanitra izany anie ny fandinihantsika ny Teniny isan’andro.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-28 mandavantaona
PREVIOUS
Alakamisy faha-28 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.