Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-28 mandavantaona

Alatsinainy faha-28 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Galata 4, 22 – 5,1/Salamo 112
  • Tsy ankasa Romana 1, 1-7/Salamo 97
  • Md Lioka 11, 29-32

[Lioka 11, 27-28]- Ny fahasambaran’i Masina Maria dia izay irin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Asain’i Jesoa hanahaka azy koa ilay vehivavy toa velom-pialonana nitsiriritra ny fahasambarany. Ny fahaizan’i Maria nihaino sy nitahiry tao am-pony ny Teny no loharanom-pahasambarany, ary izay rehetra manaiky handray ny Teny afafin’ilay Teny Tonga nofo dia manohy ny asan’i Maria, mahatonga nofo ny Teny, ka tonga fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny vokatra aterak’izany no voninahitra ho an’ny Ray.

Mety halaim-panahy koa isika hihevitra fa sambatra ny olona niara-nonina tamin’i Jesoa, satria nahita maso azy nivantana ary nahita ny zavatra nataony. Lazain’ny Evanjely anio fa ho an’i Jesoa dia taranaka ratsy izy ireo satria mitady famantarana. Amin’ny fitantaran’i Md Lioka anefa dia azo lazaina fa izay rehetra mitady fahagagana dia mitovy amin’izy ireo. Azo jerena koa izay nolazain’i Md Paoly ho an’izay mbola  tsy mifototra amin’ny finoana an’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona (1 Kor 1, 17-25). Ireo Jody nihaino ny fampianarana sy nahita ny fiainan’i Jesoa nifanaraka tamin’izany no tokony hino sy hanaiky ny Teny, saingy izy ireo indray no manery an’Andriamanitra hanaiky ny sitrapony, mba hanome famantarana hahafahany mino.

Tsy misy famantarana hafa azon’Andriamanitra omena mihoatra ny fitiavany anefa. I Jonasa, tandindon’Israely, vahoaka voafidy, dia voairaka hitory teny any Niniva, renivohitr’i Asiria izay nanjanaka azy ireo, mba hibebahan’ny mponina tao ka ho voavonjy. Sarotsarotra ihany ny hanaiky hitory lalam-pamonjena ho an’ny fahavalo izany, saingy izany no famantarana entin’i Jesoa maneho ny fitiavana. Asehon’izany fanirahana izany ny fitiavan’Andriamanitra mitsinjo sy mitady ny hahavonjy hatramin’izay heverin’ny vahoakany ho fahavalo, ny Ninivita. Fony mbola mpanota isika no maty ho antsika i Kristy, hoy i Md Paoly (Rm 5,8).

Mampianatra antsika ny tena finoana ny Evanjely. Mampalahelo ny maheno kristianina mandeha etsy sy eroa, manatona olona lazaina ho nahazo fahasoavana manokana na mitsidika toerana nisehoana fahagagana manokana. Tahaka ny adala ihany ireny, raha tsy miverina ao amin’i Kristy satria  rehefa misy manoro azy ny volana, dia ny ratsan-tanana manondro no ataony tsara banjina fa tsy ny volana tondroina tsy akory. Tsy izany no lalana irin’i Kristy izoran’izay te hanara-dia Azy, fa ny fahaizana mihaino ny marina, na iza na iza milaza azy, ka tsy sanatria hiandry hilazan’i Salomona Mpanjaka vao hino.

Ny Kerygme, izany hoe ny fanambarana ny fahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany ho velona no ivon’ny finoana kristianina, ka na dia izay heverina ho fahavalo aza no mitory ny Teny, tahaka an’i Jonasa tany Niniva, dia hanaiky hiala amin’izany tsy mitondra amin’ny fahasambaran’ny tena sy ny hafa, manaiky hibebaka, satria izany no hahafahana amin’ny loza vokatry ny filomanosana ao anatin’ny fahotana. Ny finoana dia ny fanekena (fa tsy fitadiavana) ny porofom-pitiavana asehon’Andriamanitra ka hanovàna ny fiainana koa ho tonga taratr’izany fitiavany izany. Ny Lakroà no hahafahantsika mibanjina (θεωρία theoria) ny fitiavan’Andriamanitra ka handon-tratra amin’ny fahotantsika (Lk 23, 48). Ny fibebahan’ireo tany noho ny tenin’i Jonasa, ny fidododoan’ny Mpanjakavavy avy any Atsimo higaga ny fahendren’i Salomona (1 Mpanjaka 10, 1-10) dia tonga fanamelohana ho an’izay tsy vonona ny hampifanaraka ny fiainany amin’ny hazofijalian’i Kristy. Tsy Andriamanitra anefa no hanameloka Azy (Lk 9, 56) fa ny fandavany tsy hiova fo ka hibebaka.

Ho haintsika anie ny hihaino ny marina, na iza na iza milaza azy, ka hanova ny fontsika hifanaraka amin’ny sitrapon’ilay Andriamanitra maniry ny hahavonjy ny olona rehetra.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-28 mandavantaona
PREVIOUS
Alakamisy faha-27 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.